- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hiverina ny sidina mampitohy an'i Torkia sy Armenia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Azerbaijan, Tiorkia, Ady & Fifandirana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Tsara

 

Pegasus Airlines Airbus A320-251Neo; TC-NBH@ZRH;06.01.201 [1]7″ avy amin'ny Aero Icarus [2] nampiasana lisansa CC BY-NC-SA 2.0 [3]; “ER00002 [4]” avy amin'ny hartlandmartin [5] nampiasana lisansa CC BY-NC-SA 2.0 [3]

Hiverina ny sidina [6] mampitohy an’i Torkia sy Armenia amin'ny 2 Febroary 2022, voalohany hatramin'ny volana Novambra 2019. Tsy misy sidina mivantana eo amin'ny firenena roa tonta amin'izao fotoana izao. Teo aloha, ny Atlasjet no nitantana ny sidina, orinasam-pitaterana an'habakabaka izay bankirompitra [7] tamin'ny taona 2019. Tao anatin'ny fikasana hamerina amin'ny laoniny [8] ny fifandraisan'i Torkia sy Armenia no nanaovana ny fanambarana.

Ny minisitry ny raharaham-bahiny Tiorka Mevlüt Çavuşoğlu no nanambara voalohany ny fanapahan-kevitra tamin'ny herintaona. Fotoana fohy taorian'ny fanambarana, nanendry iraka manokana ihany koa ny firenena roa tonta.

Tamin'ny 14 Janoary, nihaona voalohany tao Moskoa ireo iraka roa, Serdar Kilic, ambasadaoro tany Etazonia teo aloha, sy Ruben Rubinyan, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena ao Armenia. Taorian’ny fihaonana [9], nanambara ny firenena roa tonta fa hiverina ny 2 febroary ny sidin’ny orinasa an’habakabaka Tiorka Pegasus Airlines sy ny zotram-piaramanidina mora vidy Moldaviana FlyOne.

Araka ny voalazan'ny tatitry ny [6] Reuters, “Hanatontosa ny sidina voalohany avy any Istanbul mankany Yerevan ny Pegasus amin'ny 2 Febroary ka amin'ny 3 Febroary ny sidina miverina, hoy ny mpitondra tenin'ny zotram-piaramanidina, ary nampiany fa hisokatra amin'ny sidina intelo isan-kerinandro ny zotra.”

Tao anaty fanambarana navoakan'ny [10] Minisiteran'ny Fitaterana sy ny Fotodrafitrasa ao Tiorkia, higadona ao amin'ny seranam-piaramanidina Istanbul amin'ny 7:50 ora hariva ny sidina FlyOne raha amin'io andro io ihany ka hiainga amin'ny 11:35 ora alina any an-toerana ny sidina ho any Yerevan miala avy ao amin'ny seranam-piaramanidina Sabiha Gökçen Istanbul kosa.

Ahitana fanafoanan'i [11] Yerevan ny fandrarana ny entana Tiorka ny fivoarana tsara ao anatin'ny dingana famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana tamin'ny taon-dasa. Tamin'ny 31 Desambra 2020 no nihatra io fanapahan-kevitra io ho valifaty taorian'ny fanohanan'i Ankara an'i Baku nandritra ny ady 44 andro [12] nifanaovana tamin'i Armenia mikasika ny faritanin'i Nagorno Karabakh.

Nandritra ny fihaonana tamin'ny volana Janoary tany Moskoa, nifantoka tamin'ny “fampiroboroboana ny fifandraisana ara-barotra sy ny fitaterana ary koa ny fanendrena solontena diplaomatika” ireo antoko hoy ny tatitra [13] avy amin’ny FT.

Teo am-pitadiavana marimaritra iraisana i Tiorkia sy Armenia tamin'ny taona 2008 rehefa nandeha [14] tany Yerevan ny filohan'i Torkia Abdullah Gul tamin'izany fotoana izany mba hijery ny voalohany tamin'ireo lalao nifanintsanan’i Torkia sy Armenia tamin’ny Amboara Eran-tany. Herintaona taty aoriana, nandeha tany amin'ny faritanin'i Bursa any Torkia i Serge Sarkisian, filoha Armeniana, mba hijery lalao baolina kitra hafa teo amin'ireo ekipam-pirenena roa. Ny lalao sy ny fitsidihan'i Sarkisian tany Torkia dia narahin’ny fanaovan-tsonia ny andiana fifanarahana [15] tao Zurich izay natao hanamafisana ny fifandraisana teo amin'ny firenena roa tonta. Nofaritana ho “diplomasian’ny baolina kitra [16] tamin’izany fotoana, tsy tontosa ny fifampiraharahana tamin'ny farany rehefa niala i Torkia noho ny fanerena nitombo avy any Azerbaijan. Nanambara [17] tamin'ny fomba ofisialy i Armenia tamin'ny taona 2018 fa foana sy tsy manan-kery ny fifanarahana.

Na dia tsy misy aza ny daty voatondro ho an'ny fihaonana manaraka eo amin'i Torkia sy Armenia, nitatitra ny masoivohom-baovao Tiorka iray [18] tamin'ny 21 Janoary, fa azo inoana fa any Torkia na any Armenia izany no hotontosaina satria tsy ilaina intsony ny fandraisan'ny firenenkafa anjara, hoy ny masoivohom-baovao, raha nanome loharanom-baovao diplaomatika izy ireo.

 Milaza zavatsoa [19] ny fifampiraharahana amin’izao fotoana izao, izay averimberin’n [20]y  manampahaizana maromaro [21] sy ny mpanara-maso mitatitra ny fivoaran'ny faritra amin’ny ambaratonga samihafa. Na izany aza, araka ny fanamarihana fohy [22] navoakan’ny mpandalina ao amin’ny firenena avy amin’ny International Crisis Group tamin'ny 13 Janoary, “Ilaina hoy izy ireo ny dingana bebe kokoa hanampiana ny fananganana indray ny fahakelezan'ny fifampitokisana eo amin'ny andaniny sy ny ankilany. Handrendrika kokoa ny tsy fahatokisana ny fananganana ezaka fifandraisan’ny mpifanolobodirindrina roa tonta – izay ezaka fahatelo ho amin'ny tombontsoa am-polony taona maro ho an'i Torkia, Armenia sy ny faritra iray manontolo.”