- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mbola tsy mivaha ny raharaha lazaina fa nanapahan'ny polisy jamaikana ny dreadlocks ny vehivavy iray

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fitantanam-pitondrana, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Tanora, Tantara, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, COVID-19
[1]

Sarin'ny [1] saina Rastafariana avy amin'i Corie Bidgood ao amin'ny Flickr, CC BY-SA 2.0 [2].

Efa ho enim-bolana taorian'ny nilazan [3]‘i Nzinga King, Jamaikana mpianatra ho mpitsabo mpanampy, 19 taona, fa nisy polisy iray nanapaka an-keriny ny volony (dreadlocks) tao amin'ny paositry ny polisy iray any ambanivohitra, izay nisamborana azy noho ny “fitondran-tena tsy mety” – anisan'izany ny tsy fanaovana saron-tava – nandritra ny fifamaliana tamin'ny polisy tamin'ny 22 Jolay 2021, dia mbola tsy vita ny fanadihadiana ity raharaha ity.

Nilaza i Ras Ivi Tafari, tompon'andraikitry ny Cutting Edge Cultural Inity – vondrona Rastafariana miorina ao Clarendon, fa rikoriko ny vondrom-piarahamonina Rastafariana amin'ny filazana fa nanapaka ny volon'i Nzinga King, 19 taona, fony izy nohazonina tao amin'ny paositry ny polisy Four Paths tamin'ny 22 Jolay.

Rehefa leo miandry rariny ireo mpikirakira media sosialy dia nanao tsindry [7] ho fanohanana an'i King [8], ka notohizan'ny vondrom-piarahamonim-pirenena iray ny famohazana fota-mandry. Namoaka fanambarana an-gazety [9] ny Advocates Network, izay mifantoka amin'ny raharahan'ny mangarahara, ny fitondrana tsara tantana ary ny zon'olombelona, ​​manakiana ny fanemorana ny fanadihadiana ary nanamarika fa voahitsakitsaka ny zon'i King nandritra ny “toe-draharaha mampisy ratram-panahy”, tamin'ny naha-vehivavy azy sy tamin'ny maha-Rastafariana azy.

Sarotsarotra sy henjana hatrany [10] ny fifandraisan'i Jamaika tamin'ny vondrom-piarahamonina Rastafariana ao aminy ara-tantara. Tamin'ny taona 1963, taorian'ny zava-nitranga mahery vaika tao amin'ny tobin-dasantsy iray tao Montego Bay any amin'ny morontsiraka avaratr'i Jamaika, dia nisy fanafihana niraisan'ny polisy sy miaramila tao amin'ny faritra Rastafariana Coral Gardens, izay naharitra nanomboka ny 11 ka hatramin'ny 13 Aprily. Na dia tsy voamarina mihitsy aza ny isa marina, dia tombanana [11] fa hatramin'ny 150 ny mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina no voatazona nandritra ireo telo andro ireo, ary maro no niharan'ny herisetra ara-batana ary ny sasany aza maty novonoina. Matetika, ny dreadlocks, izay manana dikany ara-pivavahana manokana [12], no notapahana, ka fomba izany midika ho fanjakazakana.

Efatra amby dimampolo taona taty aoriana, tamin'ny fikasana hanitsy ny fahadisoana taloha, nanolotra fialan-tsiny tamin'ny fomba ofisialy [13] [mg] ilay fanafihana ny praiminisitra Andrew Holness ary nampanantena fa ho ambara ho vakoka arovana ny ampahan-tany miisa enina ao amin'ny toerana manana lanja ara-tantara ho an'ny Rastafariana ao amin'ny firenena, ary hatsangana ny tahirim-bola fitokisana mitentina 75.000 dolara amerikana ho an'ireo sisa niangana tamin'ilay fanafihana.

Nandritra izany fotoana izany, nanamarika ny Advocates Network, fa tokony hiseho eo amin'ny fitsarana i Nzinga King noho ny fandikana ny lalànan'ny firenena amin'ny fitantanana ny loza mety ateraky ny voina [14] amin'ny 3 Febroary ho avy izao – na dia mbola mitohy aza ny tsy fisian'ny tamberin'andraikitra amin'ny fanitsakitsahana ny zon'ny tenany manokana – izay mametraka fa mbola ho sarotra kokoa ny hanova ny toe-tsaina taloha sy ny rafitra

Ms. King is symbolic of the ‘have nots;’ in Jamaica, who continue to be neglected and whose human rights are so often disregarded and abused.

Ramatoa King no tandindon'ny ‘tsy manana;’ ao Jamaika, izay tsy raharahiana ny zo maha-olombelona azy ary matetika tsy voahaja sy araraotina.

Na dia voalaza aza fa noraisin'ny Jamaica Constabulary Force [15] (JCF) sy ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fanadihadiana [16] (INDECOM) ary ny Biraon'ny mpiaro vahoaka [17] (OPD) aza ny famotopotorana ilay zava-nitranga, dia tsy nampahafantarina ampahibemaso izay mety ho vokatr'izany. Ho famenoana ny fanadihadiany, dia nanolotra ny raharaha tamin'ny Talen'ny Fampanoavana ny INDECOM tamin'ny Desambra 2021.