- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tiorkia, mpihira nanao hira iray vaovao hihaikàna ireo fandrahonana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fiteny, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina

Art is Resistance [1]” an'i charles.hope [2] nampiasàna ny lisansa CC BY-NC-SA 2.0 [3]

Mbola nitohy tamin'ny herinandro lasa iny ny resabe [4] momba ilay mpihira sangany, mpanoratra tononkira, Sezen Aksu, taorian'ireo fanamarihana vaovao [5] nataon'ny filoha Recep Tayyip Erdoğan. Nilaza ny filoha, izay niteny taorian'ny vavaka isaky ny Zoma, ny 21 Janoary, tao amin'ny Grand Çamlıca Mosque, ao Istambul, na tsy nanonona ny anaran'i Aksu aza, fa “tsy misy na iza na iza afaka haniratsira an'i Adama Masina. Adidinay ny manapaka ny lelan'izay manao izany raha ilaina.”

Tonony avy amina hira iray no nanaovan'ny filoha resaka tsy loa-body, dia ny  “Zavatra iray mahafinaritra mila iainana ity” nosoratan'i Aksu izay tany amin'ny 2017 no efa navoaka [6] ary naverin'ilay mpihira indray tao amin'ny fantsony Youtube talohan'ny fankalazàna ny Taombaovao. Nanomboka teo, nampangaina [7]ho mampietry ny lanjan'ny finoana i Aksu noho ny fehezanteny iray tao anatin'ilay hira mivaky hoe, “Arahaba atolotro an'i Adama sy Eva bado.” Miatrika [8] ihany koa fitoriana mahakasika ady heloka [9] ilay ramatoa mpanoratra sady mpihira, 67 taona, ary iharan'ny fampielezankevitra feno fankahalàna ety anaty tambajotra izay nameno ny habaky ny Twitter tiorka tamin'ny tenifototra #SezenAksuHaddiniBil (#SezenAksuKnowYourPlace). Ny 17 Janoary, nisy andian-dehilahy nikarakara hetsika fanoherana teo ivelan'ny trano fonenan'ilay mpihira.

Raha naneho hevitra momba ireny fihenjanana ara-kolontsaina ireny, nilaza tao anaty antsafa iray [10] niarahany tamin'ny sehatra fampitambaovao anaty tambajotra Medyaskope TV i Dr. Kenan Sharpe, mpanao gazety hoe, “Toy ny andrana hitadiavana karazana fahavalo hatry ny fahagola ireny fotoanan'ny hatezerana ireny”. Eo ambany fitantanan'ny antoko eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana izao “Rariny sy Fampandrosoana“, betsaka amin'ny tontolon'ny zavakanto sy kolontsaina ao amin'ny firenena no kinendry [11] ho niteny ratsy ny fivavahana na tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy.

Tamin'ny 21 Janoary, ny Filankevitra Faratampon'ny Onjampeo sy Fahitalavitra ao Tiorkia (RTUK) dia nampitandrina [12] ireo fantsona fahitalavitra mba tsy handefa ilay hira malaza ratsin'i Aksu. Voakasik'ilay fampitandremana ihany koa ireo rehetra kazarana mozika mora manafintohina ny maoraly sy ny soatoavina nasiônaly.

Voalaza fa İbrahim Uslulay, filoha lefitry ny RTÜK, mpanaramaso ny media ao Tiorkia, dia niantso manokana ireo fantsona mpandefa mozika mba tsy handefa ilay hiran'i #SezenAksu [13] mitondra ny lohateny hoe “Şahane Bir Şey Yaşamak (Zavatra iray mahafinaritra ny maiaina).” Nanamafy i Uslu fa “nampitandrina azy ireo fotsiny momba ireo sazy henjana.” https://t.co/qxP3Jrc8Xx [14] pic.twitter.com/QF9jLz6TaS [15]

Tamin'ny 22 Janoary, farany dia namaly [17]ireo fanenjehana i Aksu, ary indrindra indrindra fa ilay fanamarihana nataon'ny filoha. Saingy tsy ilay fanambaràna mahazatra no valiny. Fa, hira vaovao vao nosoratany no nozarain'ilay mpihira, nomeny lohateny hoe “Ilay Mpihaza.”

Sen beni üzemezsin
Zaten çok üzgünüm
Nereye baksam acı
Nereye baksam acı
Ben avım sen avcı
Vur bakalım….
Sen beni sezemezsin
Dilimi ezemezsin
Nereye baksam acı
Nereye baksam acı
Kim yolcu kim hancı
Dur bakalım…
Beni öldüremezsin
Sesim, sazım, sözüm var benim
Ben derken ben herkesim.

Sonuç olarak 47 yıldır yazıyorum…. Yazmaya da devam edeceğim.
Sezen

Tsy ianao no afaka hahatezitra ahy
Efa sorena be sahady aho
Fanaintainana daholo izay topazan'ny masoko
Izaho no vavaka, ianao ilay mpihaza.
Mitifitra fotsiny ianao dia mijery.

Tsy afaka ny hahatsapa ahy ianao
Tsy afaka ny hamotika ny lelako
Fanaintainana daholo izay topazan'ny masoko
Iza no ilay mpanjoria, iza no mpampiantrano.
Miandry fotsiny ianao dia mijery.

Tsy afaka hamono ahy ianao,
Manana ny feoko, ny mozikako ary ny asako aho
Rehefa miteny aho, dia Izaho no ny Tsirairay.

Sady izao koa e, efa 47 taona aho no nanoratra. Ary hanohy hanoratra,
Sezen

Hatramin'ny nivoahany, efa voadika sahady [18] ho amin'ny fiteny 50 hafa ny tonon'ilay hira.

Hatreto, 51 no fiteny voaisako raha kely indrindra. Antenaiko fa isika rehetra dia samy nandray anjara tamin'ny fampahafantarana fa hoe tsy hiafara amin'ny fahapotehana ireo fiteny marobe, ary ny feo, ny mozika ary ny teny dia tsy ho voatampim-bava. Isaorana ny tsirairay tamin'ny asa mafy nataony.

Mandritra izany fotoana izany, artista roanjato eo ho eo, mpihira sy mpanoratra, no niaraka nanao sonia fanambaràna iray niombonana [22] ho fanohanana an'i Aksu:

Izahay tsy mila firenena iray izay haneriterena ny fahalalahan'i Aksu maneho ny heviny, izay andrahonana azy “ho tapahana ny lelany”. Ambaranay fa mivondrona izahay ary miray hina manohitra io fanenjehana io.

Ireo mpanao lalàna avy amin'ny mpanohitra, mpanao gazety, ary artista hafa ihany koa dia nanakiana ilay fanehoankevitry ny filoha. Ny filoha lefitry ny antoko lehibe avy amin'ny fanoherana Antokom-Bahoaka Repoblikàna (CHP) Özgür Özel nibitsika hoe:

Mijoro manoloana antsika i Tayyip Erdogan izay nampivady ny fanantenany efa ritra amin'ny fankahalàna, ny fihenjanana ary ny herisetra. Tsy hijanona hangina fotsiny izahay manoloana ny fikendrena anao ry Sezen Aksu. Tsy avelanay ianao hamadika an'i Tiorkia ho firenena iray an-dalampandrosoana eto amin'izao tontolo izao ka amotehana ny artistany, ny manampahaizany ary ny tanorany!

Cem Özdemir, Alemàna mpanao pôlitika, ary Minisitry ny Sakafo sy ny Fambolena amin'izao fotoana izao nibitsika hoe:

Kilalao tranainy fanaon'ireo fanjakana tsy refesi-mandidy io rehefa tratry ny tsindry indray ry zareo: manomboka ady, manosika ny fanenjehana ny vitsy an'isa ary manondro olona hatao lasibatra. Araka izany dia firaisankina feno amin'ilay Tiorka mpihira goavana.