Mitohy ny famoretana ny fampitam-baovao mialoha ny tsingerintaonan'ny fanonganam-panjakana ao Myanmar

 

Miankavia miankavanana, ireo mpanao gazety novonoina tany Myanmar tamin'ny volana lasa: Soe Naing, Sai Win Aung, ary Pu Tuidim

Hatreto, mpanao gazety miisa telo no novonoina tamin'ity volana Janoary ity, ary mpanao gazety miisa telo hafa no voasambotra tamin'ny 20 Janoary, raha mbola manohy manakombom-bava ireo tatitra manakiana ny manampahefana miaramila ao Myanmar mialoha ny fitsingerenan'ny taona voalohany fanonganam-panjakana amin'ny 1 Febroary.

Taorian'ny nandrombahany ny fahefana tamin'ny herintaona, nikendry ny fampitam-baovao tamin'ny fanafoanana ny fahazoan-dàlana ho an'ny famoaham-baovao tsy miankina ny fitondrana miaramila ary nisambotra ireo mpanao gazety voampanga ho manohana ny hery mpanohitra. Na dia ireo mpanao gazety vahiny aza dia voatazona ary voampanga ho nanaparitaka vaovao tsy marina momba ny fanonganam-panjakana.

 Novonoina tamin'ny 14 Desambra 2021 ilay mpaka sary miasa tena Soe Naing, nandritra ny fitanan’ny mpitandro ny filaminana azy. Nosamborina izy teo am-pitaterana ny “fitokonana mangina” tamin’ny 10 desambra ao Yangon.

Maty novonoina tamin'ny 25 Desambra ny tonian-dahatsoratry ny Federal News Journal Sai Win Aung tamin'ny fanafihana mitam-basy nataon’ny fitondrana miaramila raha teo am-pitantarana ny ady teo amin'ny miaramila Myanmar sy ny Tafika Fiarovana ny Vahoaka tao amin'ny Fanjakan'i Karen tao amin'ny tanànakely milamina ao Lay Kay Kaw.

 Namoaka fanambarana manameloka ny famonoana ilay mpanao gazety ny Tale jeneralin'ny UNESCO Audrey Azoulay:

I condemn the killing of Sai Win Aung. Media workers like Sai Win Aung risk their lives to keep the public informed. Their work deserves to be recognized and their safety protected in line with international humanitarian law, which forbids attacks on civilians.

Manameloka ny famonoana an'i Sai Win Aung aho. Manao vivery ny ainy ireo mpiasan'ny fampitam-baovao toa an'i Sai Win Aung mba hampandre vaovao ny vahoaka. Mendrika fankatoavana ny asan'izy ireo ary mifanaraka amin'ny lalàna iraisam-pirenena momba ny maha-olombelona, izay mandrara ny fanafihana sivily ny fiarovana azy ireo.

Notanterahina androany ny fandevenana an'i A Kay Sai na i Sai Win Aung, 38 taona, tonian-dahatsoratra ao amin'ny gazety Federaly izay namoy ny ainy noho ny ratra tamin'ny lohany tamin'ny daroka baomban’ny fitondrana miaramila rehefa nifandona tamin'ny KNLA tao amin'ny Tanànakelin'i Maekheewar, fanjakan’i Karen.

Novonoin'ny tafika miaramila rehefa avy nalaina an-keriny tamin'ny 8 Janoary i Pu Tuidim, mpanorina sady tonian-dahatsoratra ao amin'ny Vondrona Media Khonumthung monina ao amin’ny fanjakan’i Chin ary voalaza fa nampiasain'ny tafika miaramila mpiady 140 ho ampinga olombelona.

CHIN — mpanao gazety Pu Tuidim, mpanorina ny Vondrona Media Khonumthung, anisan'ireo hita fa novonoin’ny miaramila tao Matupi rehefa avy nalaina an-keriny sy nampiasain'ny tafika ho ampinga olombelona.

Iray amin'ireo mpanorina ny Burma News International (BNI) izay niaiky ny andraikiny tamin'ny fiarovana ny fampitam-baovao tsy miankina ao Myanmar koa izy:

He was not only one of the founders of Khonumthung Media Group and former Chief Editor who performed his duties for many years but also an experienced ethnic media personnel who helped pave the way for independent news media in Chin State.

BNI recognizes his death is an enormous loss not only for ethnic media but also for the whole media community in Myanmar.

Tsy iray tamin'ireo mpanorina ny Vondrona Media Khonumthung sady Lehiben'ny Tonian-dahatsoratra teo aloha fotsiny izay nanatanteraka ny andraikiny nandritra ny taona maro ihany izy, fa mpiasan'ny fampitam-baovaon’ny foko efa za-draharaha izay nanampy tamin'ny fanokafana ny lalana mankany amin'ny fampahalalam-baovao tsy miankina ao amin’ny Fanjakana Chin koa.
Misy fahabangana lehibe ho an’ny BNI ny fahafatesany, tsy ho an'ny fampitam-baovaon’ny foko ihany fa ho an'ny vondrom-piarahamonina media rehetra ao Myanmar ihany koa.

Nalahelo tamin’ny famonoana ireo mpanao gazety miisa telo i Daniel Bastard, lehiben'ny biraon'ny Reporters Sans Frontières Azia-Pasifika.

Cruelty, cynicism, barbarity – these words seem inadequate to describe Pu Tuidim’s shocking murder. He is the third journalist to be killed in Myanmar in less than a month, in a sign of the absolutely unacceptable practices increasingly employed by the junta. We appeal to the international community to toughen the sanctions imposed on the junta’s members in order to end this headlong escalation in terror.

Habibiana, fanivaivana, tsy mifaditrovana – toa tsy ampy hamaritana ny famonoana mahatsiravina natao an'i Pu Tuidim ireo teny ireo. Izy no mpanao gazety fahatelo novonoina tao Myanmar tao anatin'ny iray volana latsaka, mariky ny fomba tsy azo ekena mihitsy izay vao mainka ampiasain’ny fitondrana miaramila. Manao antso avo amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena izahay mba hanamafy ny sazy ampiharina amin'ireo mpikambana ao amin'ny fitondrana miaramila mba hampitsaharana ity firongatry ny horohoro ity.

Tamin'ny 18 Janoary, nosamborina tao an-tranon'izy ireo tany Dawei, renivohitry ny faritra atsimon'i Tanintharyi ilay mpitati-baovao ao amin’ny Dawei Watch, Ko Zaw sy Ma Moe Myint ary ilay mpanefy tranonkala Ko Thar Gyi. Nitaky ny famotsorana tsy misy hatak'andro ireo mpanao gazety ny toniandahatsoratry ny Dawei Watch:

We’re journalists and we’re just doing our jobs. We weren’t breaking any laws. We’re just ethically reporting the news—that is our job.

Mpanao gazety izahay ary manao ny asanay fotsiny. Tsy nandika lalàna izahay. Mitatitra ny vaovao araka ny etika fotsiny izahay—asanay izany.

Hatramin’ny 24 janoary teo dia 49 raha kely indrindra ireo mpanao gazety nogadraina any amin'ny toby fitanana isan-karazany manerana ny firenena amin’izao fotoana izao.

Taorian'ny fisamborana maromaro kokoa tamin'ny volana Janoary, nahatratra 120 ny isan'ny mpanao gazety/mpiasan'ny fampitam-baovao nosamborina tao #Myanmar. Ny 49 tamin'ireo no mbola voatazona am-ponja, mpanao gazety sy mpanao gazety mpaka sary lehilahy ny ankamaroany. Voaheloka higadra 3 taona an-tranomaizina ny mpanao gazety iray monina ao Magway tamin'ny fiandohan'ity volana ity.

Atahorana ny hisian’ny antsojay sy herisetra atao amin’ny mpanao gazety raha mbola mitohy ny tatitra ataon’izy ireo amin’ny fanoheran’ny vahoaka ny fitondrana miaramila sy ny fihetsiketsehana manamarika ny tsingerintaona voalohany nisian’ny fanonganam-panjakana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.