Afa-po tamin'ny fanamelohan'ny fitsarana alemà ilay tompon'andraikitra tao amin'ny sampa-pitsikilovana teo aloha ireo Syriana tafita velona tamin'ny fampijaliana

 

Pikantsary avy amin'ny lahatsarin'i Omar Alshogre, mpikatroka Syriana izay niaritra fampijaliana nandritra ny telo taona tao amin'ny fonja miafina, ary nilaza fa mamelom-panantenana ny didy fa ho lavo ny fitondran'i Bashar al-Assad.

Nidera ny didim-pitsarana nivoaka tamin'ny 10 ora maraina ny Alakamisy 13 Janoary avy amin’ny Fitsarana Koblenz any Alemaina ireo tafita velona tamin'ny fampijaliana tao amin'ny fonja Syriana, nanameloka an'i Anwar Raslan, manamboninahitra teo aloha tao amin'ny fitondrana Syriana, tamin’ny heloka bevava atao amin’ny maha-olona. Maro ihany koa no nitaky ny hampitsaharana ny fampijaliana ireo havan-tiany izay mbola tazonina any amin'ny fonja Syriana.

Taorian'ny fitsarana naharitra efa ho roa taona, voaheloka higadra mandra-pahafatiny ny kolonely teo aloha Raslan rehefa hita fa meloka tamin'ny famonoana olona maherin'ny 30, ary nanao herisetra ara-nofo sy nampijaly mpikatroka mpanohitra maherin'ny 4.000 tao amin'ny Sampana laharana faha 251 malaza amin'ny sampam-pitsikilovana, fantatra amin'ny anarana hoe Al-Khatib, teo anelanelan'ny taona 2011 sy 2012.

Nanoratra tao amin'ny Twitter i Fadwa Mahmoud, vehivavy Syriana monina any Alemaina:

Tonga tao Koblenz aho androany mba hanatrika ny fanamelohana ny iray amin’ireo mpanao heloka bevava avy ao ao Syria, saingy manome ahy ny rariny amin'ny maha-reny sy amin'ny maha-vady ahy izay tsy mahalala izay hiafaran'ny fianakaviany nandritra ny sivy taona ve izany? Dingana tsara [izany], saingy lavitra ny rariny isika tahaka ahy lavitra ireo olo-tiako. Mila rariny ho an'ireo voafonja izahay.”

Tompon’andraikitra ao amin’ny sampa-pitsikilovana Syriana hatramin'ny 2012 i Anwar Raslan, sady mpialokaloka ara-politika tany Alemaina nanomboka tamin'ny taona 2014, izay nampavitrika azy tao amin'ny mpanohitra ara-politika taorian'ny nialany tamin'ny fitondrana Syriana ary nandraisany anjara tamin'ny fifampiraharahana tany Genève tamin'ny taona 2014.

Na izany aza, tsy niaro azy tamin'ny didy fampisamborana navoakan'ny mpampanoa lalàna Alemà izany, ka tsy nisakana ny fisamborana azy tamin’ny 13 Febroary 2019, niaraka tamin'ny tompon’andraikitra iray hafa ambany grady ao amin’ny sampam-pitsikilovana, Iyad Gharib. Efa ho herintaona lasa izay, voasazy higadra efa-taona sy tapany i Gharib noho ny firaisana tsikombakomba tamin'ny heloka bevava atao amin’ny maha-olona.

#Samaa_Mahmoud, mitazona ny sarin'ny dadatoany Hayyan Mahmoud izay nosamborina tao amin'ny sampana Al-Khatib fony Raslan lehiben'ny fanadihadiana: “Ho azy tsy afaka miaina malalaka ny rariny, ary ho azy [Anwar Raslan] tsy afaka mivoaka ny rariny raha mbola misy ny voafonja” #Assad #Syria

Ny sazy, izay nofaritan'ny Human Rights Watch ho “manan-tantara,” no voalohany nampiharina tamin’ny tompon'andraikitra ambony avy amin'ny fitondrana Bashar al-Assad noho ny fampijaliana sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.

Nilaza tao amin'ny lahatsary iray navoakany tao amin'ny Twitter i Omar Alshogre, mpikatroka iray tafita velona tamin'ny fampijaliana nandritra ny telo taona tao amin'ny fonja miafina Syriana, fa mamelom-panantenana indray ny didy ho an’ny Syriana fa ho lavo ny fitondrana:

Arahabaina ny firenena Syriana tamin'ny fanamelohana mandra-pahafaty ho an'ilay mpanao heloka bevava an'ady Anwar Raslan.

Araka ny tatitry ny fampitam-baovao, namoaka ny didim-pitsarana mikasika an'i Raslan ny fitsarana alemà avy amin'ny fijoroana vavolombelona nataon’ireo tafita velona miisa 100 tamin'ny fampijaliana tao amin'ny Sampana laharana faha 251 izay nifanatrika tamin'ny lehiben'ny sampan-draharahan'ny fanadihadiana ao amin'ny sampana, Anwar Raslan, ary nanome fitantarana amin'ny antsipiriany momba ny fanararaotana ara-batana sy natao am-bava.

Taorian'ny fandavana tanteraka, nanitsy ny fanambarany tamin'ny tohan-kevitra famaranana i Raslan ary niaiky ny fisian'ny fampijaliana sy ny famonoana ireo voafonja tao anatin'ny sampana, saingy nandà ho tsy tompon’andraikitra izy.

Nanoratra i Yassin Al Haj Saleh, mpikatroka Syriana: 

Tsara ny nanasaziana an'i Anwar Raslan, ho an'ireo niharam-boina mivantana, ary ny nanamelohana ny sampam-pitsikilovan'ny fitondrana amin'ny ankapobeny. Mety hampitombo ny fahasarotana amin’ny fanaovana ny maha-aradalàna miaraka amin'ny fitondrana izany. Saingy tsy dingana mankany amin'ny rariny ho an'ny Syriana izany. Tsy ilaina ny manitatra, na ny manamaivana izany.

Nandritra izany fotoana izany, nanoratra tao amin'ny Facebook i Mansour al-Omari, mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona sady voafonja teo aloha:

The Koblenz Supreme Court: Life imprisonment for Anwar Raslan for crimes against humanity including torture, 27 murders, and sexual violence. Torture is among the most serious international crimes. Al-Assad’s institutions of torture must ended, not normalized and rehabilitated.”

Ny Fitsarana Tampony Koblenz: Gadra mandra-pahafatiny ho an'i Anwar Raslan noho ny heloka bevava natao tamin’ny maha-olona anisan'izany ny fampijaliana, famonoana olona miisa 27 ary ny herisetra ara-nofo. Anisan'ny heloka bevava iraisam-pirenena lehibe indrindra ny fampijaliana. Tsy maintsy faranana ny andrim-panjakana mpampijaly an'i Al-Assad, fa tsy atao ara-dalàna sy aorina indray.”

Nanoratra tao amin'ny Twitter i :

Ny fanantenana fa ho tanteraka ny karazana rariny no zava-dehibe indrindra ao amin'ny fitsarana Koblenz. Sambany noraisin’ny fitsarana ny fijoroana vavolombelona am-polony, sy antsipiriany an'arivony momba ny zava-mitranga ao anatin'ny fonja Syriana. Miombom-po amin'ny vavolombelona rehetra izahay izay noterena hitadidy indray ny fanaintainana maromaro, nanambara izany ary nifanandrina tamin'ilay mpiambina ny fonja. Miandry ny dingana manaraka hanenjehana ireo mpanao heloka bevava ao amin'ny fitondrana izay miriaria [izahay]!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.