Ao Trinidad sy Tobago, mangatsiaka leitsy ao ivelany a!

Maripana iainana. Photo avy amin'i Jeremiah Hoyet ao amin'ny Flickr, CC BY-SA 2.0.

Mitondra toetrandro mahafinaritra miavaka hatrany ny taombaovao ao Trinidad sy Tobago—andro mazava, mibaliaka ny masoandro satria miha-manatona ny fotoana maina, tampohin'ny fiafaran'ny tsio-drivotra krismasy mangatsiatsiaka—saingy nanomboka ny 3 Janoary sy ny tohiny, nidina fatratra ny maripana ka nahatonga ny fantsona media sosialy ho vetivety dia tondraky ny ranty maneho hatairana noho ny hatsiaka.

Ao amin'ny firenena zatra 26,5 degre Celsius (78,8 degre Fahrenheit) eo ho eo ao anatin'ny volana, tonga hatrany ny tatitra rehefa milatsaka ambanin'ny 23°C (73.4°F) ny maripana.

Raha hitan'ireo Trinbagoniana ampielezana ho mampihomehy ny fanehoan-kevitra, tsy mahatsiaro ho menatra kosa ireo ao an-toerana mandranty izany, ary manolo-kevitra ny hafa hanao izany ihany koa:

Afa-mahita isika fa latsaka ambanin'ny 20°C ny maripana any amin'ny faritra maro eto Trinidad. Mahita ambany hatramin'ny 17°C aza ny faritra anatiny. Ny mangatsiaka indrindra dia ao Piarco (toeram-pitarafana toetrandro ao Trinidad) manana 16,1°C, izay nitranga ny alin'ny 21 sy ny 30 janoary 1964.

Nanazava ny Foiben'ny Toetrandro ao Trinidad sy Tobago fa ny tsioka hatsiaka avy any Amerika Avaratra no nahatonga ny hatsiaka mamirifiry, nomarihany:

Over the last several days, a cold front made its way across the entirety of the Eastern Caribbean and has since stalled over northern South America. A strong high-pressure system has also moved in behind the cold front, bringing brisk winds, dry air, and ultimately cooler temperatures to T&T and much of the Eastern Caribbean. […] This dry and cool airmass, originating over North America and made its way down to the Caribbean, due to the atmospheric circulations over the Atlantic.

While moisture and temperature increased on its journey to T&T, the conditions remained dry and stable enough to hinder clouds’ development. Situations like these are not frequent, but they tend to occur a couple of times during our dry season.

Tao anaty andro maromaro lasa izay, namakivaky ny faritra atsinanan'i Karaiba manontolo ny tsioka hatsiaka ary nihantona teo amin'ny faritra avaratr'i Amerika Atsimo. Nisy tsindry mahery vaika koa nifindra tao andamosin'ny tsioka hatsiaka, nitondra rivotra mahery, rivotra maina, ary farany mangatsiaka kokoa ny mari-pana ho an'ny T&T sy ny ankamaroan'i Karaiba Atsinanana. […] Ity rivotra maina sy mangatsiaka ity, avy any Amerika Avaratra ary mankaty Karaiba, noho ny fivezivezen'ny atmosfera manerana ny Atlantika.

Na dia nitombo aza ny hamandoana sy ny maripana nandritra ny diany nankaty T&T, dia nijanona ho maina sy tsy miovaova ny toe-draharaha mba hanakanana ny fivoaran'ny rahona. Tsy matetitetika ny toe-javatra tahaka ireny, fa matetika miseho indroa mandritra ny vanim-potoanan’ny main-tany.

Nanampy ny ranty fa araka ny tokony ho izy ny fidinan'ny maripana amin'ny vanim-potoana tahaka izao, satria ao anaty ririnina ny ilany avaratra amin'izao fotoana izao. Nisy antony hafa koa nilazan'ny Foiben'ny Toetr'andro mahatonga ny maripana ho ambany kokoa, anisan'izany ny fandrakofan'ny rahona kely, ny rivotra avy any avaratra atsinanana mitranga amin'ny atmosfera ambany, ary ny fisiana hamandoana kely ao amin'ny atmosfera. Nohamafisin'ny Foibe fa faritra maromaro ao afovoany sy atsimon'i Trinidad no nahitana maripana ambanin'ny 20°C (68°F):

The coolest temperature recorded via a calibrated thermometer was in Penal [in the south of the island] at 17.63°C [63.7°F] while a thermometer (uncalibrated) recorded a minimum low of 15°C [59°F] in Lengua, Barrackpore [slightly north of Penal].

Ny maripana mangatsiatsiaka indrindra voarakitra tamin'ny alalan'ny fitsapan-kafanana mifanerana dia voarakitra tao Penal [any atsimon'ny nosy] tamin'ny 17,63°C [63,7°F] raha nanondro ny 15°C [59°F] kosa ny fitsapan-kafanana tsy mifanerana (non calibré).

Tamin'ny alàlan'ny pejy Facebook-ny, ny Foibe Famantarana  Toetrandro Trinidad sy Tobago nanararaotra hilaza odidina ny raharaha tamin'ny famoahana indray ranty iray efa nivoaka tamin'ny Janoary 2021, izay nanamarika fa “relatif ny hafanana”:

It seems that our ‘cool’ temperatures in Trinidad and Tobago are not enough to consider ‘cold’ to the Trinbagonian diaspora. Yet, we don’t hear our local crowd berating the diaspora when the sun makes an appearance in their temperate regions, claiming it’s too hot for temperatures that would be just another day in T&T.

Temperatures, whether it is cold or hot, is relative to the region it is recorded. 32°C (90°F) is a warm, but average daily maximum high in T&T but would be excessively hot in places like New York or the United Kingdom. Similarly, 18°C (64°F) is a very cold temperature for T&T, located in the tropics, while it would be a cool day in temperate regions of both northern and southern regions of the world, even requiring a jacket to head outdoors.

Ho an'ireo Trinbagoniana ampielezana dia tsy azo heverina ho ‘mangatsiaka’ loatra ny hatsiaka eto Trinidad sy Tobago. Na izany aza, tsy mandre ny vahoaka eto an-toerana izahay manaratsy ny any am-pielezana rehefa mipoitra aty amin'ny faritra mafana ny masoandro, milaza fa mafana loatra ny maripana toy ny amin'ny andro rehetra eto T&T.

Miankina amin'ny zavamisy hatrany ny maripana, na mangatsiaka na mafana. Mafana ny 32°C (90°F), fa izany no salanisa ambony indrindra isan'andro eto T&T nefa mety ho mafana tafahoatra any amin'ny toerana toa an'i New York na Fanjakana Mitambatra. Toy izany koa, ny 18°C ​​(64°F) dia mangatsiaka dia mangatsiaka tokoa ho an'i T&T, tany mafana, raha toa kosa ka mangatsiatsiaka mahafinaritra any amin'ny faritra antonintoniny sy atsimon'izao tontolo izao, ary mila palitao mihitsy aza raha hivoaka any ivelany.

Ao Trinidad sy Tobago, olona maro no nisafidy ny hijanona ao an-trano, ny sasany nisotro dite mafana, raha nanazava ny zava-misy ny sasany tamin'ireo mpikirakira Twitter :

Tokony hanao fitsingerenan'ny andro nahaterahana kely aho rahampitso fa nandeha tany an-tokotany aho noho ny de rona ary nisy namako iray nilaza fa tonga izy hanao palitao fitondra ririnina 😅

Na dia mety tsy ho toy ny toetr'andro itondrana palitao ririnina aza ary manaiky ny manam-pahaizana momba ny toetrandro fa “akaikin'ny tsy azo tanterahana” ny mety hisian'ny orampanala ao Trinidad sy Tobago, dia tsy isalasalana fa—ho an'ny firenena iray eo amin'ny 10° avaratry ny ekoatera— dia mangatsiaka any ivelany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.