- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitaky fepetran'ny COVID-19 henjana kokoa ho an'ny miaramila Amerikana i Japana

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Fahasalamàna, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, COVID-19

 

U.S. Marine Corps and JASDF personnel await the arrival of JASDF F-2 aircraft at the East Fuji Maneuver Area

Tafika An-dranomasina Amerikana sy ny mpiasan'ny JASDF miandry ny fahatongavan'ny fiaramanidina JASDF F-2 ao amin'ny faritra Atsinanana Fuji any Shizuoka. Miaramilan'ny Tafika An-dranomasina Amerikana, sary nalain'i Katie Gray, nalefa tao amin'ny Flickr [1] ny 9 Des. 2021. Lisansa: CC BY-NC-ND 2.0 [2]

Nanambara ny hamehana [3] voafetra ny governemanta Japoney tany amin'ny prefektiora miisa telo taorian'ny firongatry ny fihanaky ny valan'aretina COVID-19 tampoka tamin'ny herinandro voalohan'ny volana Janoary. Na nitombo isan'andro ny COVID-19 nanerana an'i Japana dia misy ny ahiahy fa ny miaramila Amerikana no tompon'andraikitra tamin'ny fandrehetana ny onja vaovaon’ny COVID-19 tao amin'ny firenena.

Any amin’ireo prefektiora roa, Yamaguchi any andrefan’i Honshu, sy Okinawa, vondronosy any amin’ny farany andrefan’i Japana no misy fametrahana toby miaramilan'i Etazonia [4] izay nahitana fitomboana tampoka tamin'ny COVID-19 tamin'ny herinandro lasa ihany koa. Misy miaramila Amerikana koa any amin’ny prefektiora fahatelo, Hiroshima, mifanolo-bodirindrina amin'i Yamaguchi.

Nanamarika ny fifandraisan'ny isan'ny tranga amin’ny fitobian’ny miaramila Amerikana any andrefan'i Japana i Jim Rion, mpanoratra sady mpandika teny monina ao Yamaguchi:

Misy mahatsikaritra ny toby miaramila amerikana ve ianareo?https://t.co/ViaiQJaSuN [5]

 

January 6 (2020) new COVID-19 case counts for Yamaguchi and Okinawa prefectures, and prefectures in Kyushu region:

Yamaguchi  181 [Note: Hosts U.S. military bases]
Fukuoka  80
Saga  19
Nagasaki  10 [Hosts U.S. naval presence]
Kumamoto  24
Oita  8
Miyazaki  6
Kagoshima 61
Okinawa  981 [Hosts U.S. military bases]

6 Janoary (2020), isan’ny tranga vaovao COVID-19 ho an'ny prefektioran'i Yamaguchi sy Okinawa, ary ireo prefektiora ao amin'ny faritra Kyushu:

Yamaguchi 181 [Fanamarihana: misy toby miaramila amerikana]

Fukuoka 80

Saga 19

Nagasaki 10 [Misy tafika an-dranomasina amerikana]

Kumamoto 24

Oita 8

Miyazaki 6

Kagoshima 61

Okinawa 981 [Misy toby miaramila amerikana]

Nanomboka tamin'ny 3 Janoary ny ahiahy tamin’ny fihanaky ny COVID-19 naparitaky ny miaramila amerikana, taorian'ny nanambaran'ny komandin'ny toby amerikana tao Iwakuni (prefektioran'i Yamaguchi) ny tranga vaovao miisa 143 mitondra [7] ny tsimokaretina COVID-19 tao anatin'ny dimy andro. Tany Okinawa, nahitana tranga 235 tao amin'ny tafika amerikana tamin'ny 1 Janoary, firaketana iray andro [7] ho an'ny miaramila tao amin’io toerana io hatreto.

Tamin'ny 5 Janoary 5, sambany mihoatra ny 2000 isan'andro ny tranga COVID-19 voarakitra manerana an'i Japana tao anatin'ny telo volana mahery [8]. Raha tsy mifandraika amin'ny fisian'ny miaramila Amerikana U.S. ao amin'ny firenena, nahitana fisongan'ny [9] tranga COVID-19 vaovao ny tanàna lehibe— ahitana an'i Tokyo [10] sy Osaka [11]—rehefa nandeha ny herinandro.

Tamin'ny 6 Janoary, nanambara i Hiroshima, izay mpifanolo-bodirindrina amin'i Yamaguchi fa miisa 273 isan'andro ny tranga [12], izay betsaka indrindra hatramin'ny faran'ny volana Aogositra. Tamin'ny 8 Janoary, nahitana tranga COVID-19 mihoatra ny 1000 isan'andro tao Okinawa, izay nofaritan’ny governoran'ny prefektiora Tamaki Denny ho “fipoahana” [13], izay niangavy ny governemanta foibe Japoney mba handray fepetra hentitra kokoa.

Mandritra izany fotoana izany, eo am-piandrasana ny hamehana henjana any Japana, fantatra amin’ny hoe “mambo” [14] (マンボ, na まん延防止等重点措置), ireo trano fisakafoana sy ny fisotroana ao amin'ny prefektiora miisa telo tsy ahazoana mivarotra  toaka [15] intsony nanomboka ny 9 Janoary, ary entanina mba hikatona aloha mba hisorohana ny fifindran'ny COVID-19.

Ho an'ny sasany, tsy ampy hiatrehana ny fandrahonan’ny COVID-19 ankehitriny ny “mambo” ao Japana. Nampitombo ny ahiahin'ny olona  ny fiheverana fa [16] tsy manao arovava-orona [17] amin’ny ankapobeny ny mpiasan'ny tafika amerikana, ny orinasa mpiantoka ary ny olona miankina amin'izy ireo ary tsy manaraka ny fepetra fitondran-tena hafa mba hisorohana ny fihanaky ny COVID-19, ahitana miaramila miisa 54.000 [18] farafahakeliny izay napetraka ao amin’ny tangorom-ponenana miisa 85 [18] manerana an'i Japana, mbola tsy ao anatin’izany anefa ny mpiasa sivily sy ny mpiasa sy mpifampiraharaha amin-dry zareo miisa 8.000, miampy mpiasa hafa miisa 45.000 fanampiny.

Military facilities of the United States in Japan, 2016

Toby miaramilan'i Etazonia ao Japana (2016). Loharano: Wikimedia [19]. Lisansa: Government of Japan Standard Terms of Use (Version 1.0) [20]

Misy ihany koa ny ahiahy fa tsy misy ny fitiliana COVID-19 na fepetra takiana amin'ny vakisiny ho an'ny miaramila amerikana sy ireo mpiasa miaraka aminy satria nalefa [21] tany Japana tamin'ny sidina miaramila izy ireo.

Ho setrin'ny fanerena avy amin'i Tamaki ao Okinawa sy ireo governoran'ny prefektiora hafa, niantso ny lehiben’ny komandy Amerikana ny minisitry ny raharaham-bahiny Japoney Hayashi Yoshimasa mba hametraka fepetra misimisy kokoa [22] amin'ny fivezivezen'ny miaramila ao amin'ny toby, mba hisorohana ny fihanaky ny COVID-19.

Ny 6 Janoary,  nilaza [23] ny sekreteram-panjakana Amerikana Antony Blinken fa “hanao izay rehetra azony atao ny governemanta Biden amin'ny fiaraha-miasa amin'i Tokyo hanakanana ny fihanaky ny virosy.” Tsy niresaka momba ny fihanaky ny COVID-19 tao amin'ny toby Amerikana manerana an'i Japana anefa ny fihaonana [24] nisy teo amin'i Blinken sy Hayashi, Japoney mpiara-miasa aminy. Tamin'ny faran'ny herinandro,  nanao antso [25] ny mpanao politika mpanohitra sasany tany Japana mba handraisana fepetra henjana kokoa mikasika ny tafika Amerikana, ao anatin'izany ny fihibohan’ny mpiasa ao amin’ny toby.

Ny Governora Tamaki ao Okinawa, izay ahitana ny fitomboan’ny tranga COVID-19 isan'andro, miisa 1.400 [12] tamin’ny 7 Janoary dia nitaky [26] ny hamerenan'i Japana sy hanavaozany ny Satan’ny Fifanarahana ara-Tafika [27], izay manome rafitra ara-dalàna ho an'ny fitobian’ny miaramila amerikana ao amin'ny firenena, mba hampiharana ny fihibohana tsy maintsy ataon'ny mpiasa ao.

Araka ny fifanarahana, kely ihany ny fahefan’ny polisy Japoney hampihatra ny lalàna amin'ny mpiasa amerikana mitoby ao amin'ny firenena. Miankina amin’ny fankatoavana an-tsitrapo [28] sy ny fitsipika ara-piarahamonina sy ny fifanarahana [29] ifampizarana ny fepetra fifehezana ny COVID-19 any Japana, toy ny fanaovana arovava-orona sy ny fanajana ny elanelana. Mifanohitra amin'izany no misy ho an’ny miaramila Amerikana mipetraka any amin'ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano manerana ny firenena amin'ny ankapobeny izay manaraka tsara ireo fitsipi-pitondrantena ireo, ampiharin'ny isan’ambaratongany manokana.

Ho an'ny mponina Amerikana sasany any Japana, anisan'izany i Dan Castellano, mpanoratra sady mpandika teny monina any Tokyo, mahamenatra ho an’ny tafika amerikana ny onja farany nahitana ny tranga COVID-19 vaovao tany Japana:

Amin'ny maha-Amerikana ahy, tezitra tanteraka aho amin'ity ataon’ny tafika amerikana ity https://t.co/7a7DCpXqUY [30]

Amin’izao fotoana izao, nanome toky ny mpitondra miaramila amerikana any Japana hanatsara ny [32] fepetra fameperana hanalefahana ny COVID-19 amin'ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana vaovao [33], ao anatin'izany ny fanaovana arovava-orona sy ny fanaovana fitiliana COVID-19 izay tsy maintsy atao alohan'ny handehanana any amin'ny firenena.