- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mangoro-potsy i Twitter fa mizara sarin-dranomandry ao Kashmir ny olona

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Saripika, Tontolo_iainana, Tsidika, Voina
Winter Postcard from Kashmir! This is Aparwhat Peak looming large on Gulmarg valley, Kashmir. Image by Rajarshi Mitra via Flickr. CC BY 2.0. [1]

Karatra paositra ririnina avy ao Kashmir. Ity no Aparwhat Peak mananagsanga amin'ny lohasahan'i Gulmarg, Kashmir. Saripikan'i Rajarshi Mitra [1] via Flickr. CC BY 2.0 [2].

Tendrombohitra rako-dranomandry, lohasaha kanto mahafinaritra, trano voarakotra fotsy sy firotsahana mangina avy any amin'ny lanitra volondavenona vasobasoka — izany no sarin'ny ririnina any amin'ny faritra avaratrandrefan'i Kashmir any India, satria miaina ny vanim-potoana ririnina 40 andro fantatra amin'ny anarana hoe Chillai Kalan [3] (zokin-katsiaka), izay nanomboka tamin'ny 21 Desambra, ny lohasaha.

Nanomboka [4] tamin'ny fiandohan'ny volana janoary ny oram-panala be dia be nanerana ny ampahany be amin'i Kashmir, izay niafara tamin'ny fanafoanana sidim-piaramanidina am-polony. Na eo amin'ny teboka mampivaingana na ambanin'izany ny maripana any amin'ny faritra maro ao Kashmir, ary misy toerana sasany mirakitra [5] hatramin'ny miiba efatra degre Celsius (24,8 degre Fahrenheit). Na dia masiaka aza i Chillai Kalan, maro ireo mpisera Twitter no nankasitraka sy nizara sary sy lahatsarin'ny hakantony.

Namoaka [6] ny hatevin'orampanala ny mpikatroka Abdul Hameed Lone :

Kashmir kanto. oram-panala

Mpikirakira Twitter Mir Kamran nizara ity [10]:

Ranomandry fotsy mandrakotra ny lohasahan'i Kashmir

Manamarika, mandritra izany fotoana izany ny mpikaroka Arhan Bagati, fa manintona [15] mpizahatany i Kashmir:

Nanintona mpizahatany 18500 ny Chillai Kalan Kashmirita hatramin'ny voalohany janoary ka 3000 eo ho eo ny tao Gulmarg ary 1700 ao Pahalgam.

Ny mpanao gazety Ieshan Wani nizara [22] lahatsary iray izay nahazo ny filaminan'ny marain-dririnina:

Tahaka izao ny marain-drinina

Ny mpaka sary fanao an-gazety Umar Ganie, mandritra izany fotoana izany, nizara [25] ny sarin'i Kashmir amin'ny alina:

Ao amin'ny lahatsary – alin'orampanala ao Srinagar

Tsy ny rehetra anefa no finaritra amin'ny habetsaky ny orampanala. Mitaraina [31] ny mpanao gazety Majid Hyderi (Jimmy) fa tsy nanaisotra ny orampanala araka ny nantenaina ny Srinagar Municipal Corporation (SMC):

Roa taona misesy izao ny SMC tsy nanaisotra ny ranomandry amin'ny lalana sy lalan-kely!
Raha izao no hita manerana ny lalana mankany amin'ny seranam-piaramanidina, hirifiry na aiza na aiza ihany no azo atao sary antsaina. Ny fivezivezen'ny fiara no manaisotra ny ranomandry sasany dia ny SMC no manatavy faktiora.

Raha ny marina, napetrak [37]‘i Shehryar Khanum fa tombontsoa manokana izany mampandrevirevy ranomandry izany:

Elabe vao tsapako hoe tombontsoa manokana izany mampandrevirevy ranomandry izany. Meloka. Tsy manana fotodrafitrasa amin'ny karazana toetrandro toa izay i Kashmir. Tsy nanorina fonenana mifanaraka amin'ny toetrandro isika, manjavozavo ny famatsiana herinaratra, lasa fanamby ny fahazoa-miditra amin'ny lalana, ary tsy ahafaha-manao ny fanao andavanandro fotsiny izany

Mampisedra zavatra maro ho an'ny mponina ao an-toerana ny ririnina, tahaka ny amin'ity iray ity—nozarain'ny mpanao gazety Kashmirita Irfan Amin Malik—raha nitondra [39] vehivavy bevohoka amin'ny lalana feno ranomandry ny olona:

Olona mitondra vehivavy eo an-tsoroka, soavaly mandeha ranomandry manasa-dohalika ao Kupwara sisintany avaratr'i Kashmir

Nizara [42] eritreritra ho an'ny vorona ao amin'ny faritra, izay manam-pahasarotana amin'ny fanangonan-tsakafo mandritra ny firotsahan'orampanala matevimbe ihany koa ny mpanao gazety Tabeenah Anjum:

Nifoha tanatin'ity horonantsary mamirapiratra ity. Olona an-dalam-podiana, nandefa an'ity tamiko. Somary tara, fa nandalo nisakafo maraina ny vorona androany.
Sarotra amin'ny namana manana elatra ny mahita voa henika izao orampanala izao. Andeha isika […] hametraka voamadinika amin'ny toerana takatra

Na izany aza, nijery tamin'ny lafiny mazava [46] ny mpianatra Kashmirita Falak Qureshi:

Zazavavy Kashmirita mahafatifaty mampiseho ny zavakanton-dranomandry.

Nisafidy ny hampiseho [49] ny fankafizan'ny olona ny ranomandry ao Kashmir ihany koa i Akhtar Ahmed:

Mankafy ny ranomandry ao amin'ny lohasahan'i Kashmir ao India

Tamin'ny 7 Janoary, nanao fanairana [52] ny amin'ny hiavian'ny orana sy ny orampanala betsaka sy ny mety isian'ny fivarinan-dranomandry sy fihotsahan'ny tany ny departemantan'ny toetrandro, mampitandrina ny olona amin'ny mety ho fahatapahan'ny sidina ho vokatr'izany. Fihotsahan'ny tany notairin'ny oram-baventy izay efa nanapaka [53] ny lalambe mampitohy an'i Jammu-Srinagar, ka fiara an'arivony vitsy no nihitsoka.

Araka ny [54] nolazain'ny manampahefana, mbola misy ihany ny entana ilain'ny mponina ankapobeny any amin'ireo faritra saro-dalana noho ny ranomandry any amin'ny lohasahan'i Kashmir, satria efa nomena sakafo maharitra efa-bolana mialoha ny olona. Any amin'ireny faritra ireny, mandray ny fomba fanao hatry ny ela [55] mandritra ny ririnina ny olona hiavotan-tena—ao anatin'izany ny fanangonana legioma [56] sy trondro namainina tamin'ny masoandro [natapy andro].

Manazava [57] i Mohsin Hussain War:

Fomba fitsitsiana sy azo antoka hitehirizana sakafo ny fanamainana sakafo amin'ny masoandro, efa fomba ela dia ela ao Kashmir ny fanamainana sakafo isan-karazany, nataon'ny maro izany talohabe tany hiadiana amin'ny havitsian'ny sakafo mandritra ny ririnina mamirifiry.

Roapolo andron'ny Chillai Khurd (zandrin-katsiaka) no manaraka [60] ny 40 andron'ny Chillai Kalan. Hifarana amin'ny fomba ofisialy ny ririnina ao Kashmir aorian'ny folo andron'ny Chillai Bachha (zazan-katsiaka), izay tonga eny amin'ny elatry ny Chillai Khurd.