- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Herintaona taty aoriana, mbola mitohy ny fanoheran'ny Oniversite Boğaziçi 

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'olombelona

 

Pikantsarin'ny lahatsarin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny iray amin'ireo akademika noroahina. Avy amin’ i Gerçek Gündem [1].

Ity volana ity dia manamarika ny tsingerintaonan'ny hetsi-panoheran’ny Oniversite Boğaziçi [2], izay nitranga taorian'ny fanendren’ny Filoha Recep Tayyip Erdoğan sojabe vaovao.  Mbola nitohy [3] ny fihetsiketsehana tao amin'ilay sekoly malaza na dia efa nesorina nanomboka tamin'izay [4] aza ilay sojabe niteraka adihevitra Melih Bulu, izay notendren'ny governemanta.

Androany no tsingerintaona voalohany tamin’ny tolona tao amin'ny Oniversite Boğaziçi! Manohy ny fanoherana ilay filohan'ny oniversite tsy voafidy, napetraky ny governemanta ary ny fandravana ny fizakan-tena akademika ny mpianatra sy ny mpampianatra! #KabulEtmiyoruzVazgecmiyoruz [5] #Boğazici1YıldırDireniyor [6] https://t.co/slAT7JArie [7] pic.twitter.com/kg5LvElgBO [8]

Niady hiaro ny fahalalahana akademika sy ny fizakantenany ny Oniversite Boğazici. Nanao fihetsiketsehana tsy an-kiato ireo mpianatra, na dia niatrika ny herisetran’ny polisy, ny fisamborana sy ny fanagadrana aza, ary tsy nilavo lefona izy ireo raha tsy misy mihaino.#Boğazici1YıldırDireniyor [6] #KabulEtmiyoruzVazgecmiyoruz [5] pic.twitter.com/hvuRFMlBzm [10]

Nanomboka tamin'ny fanendrena ivelany sojabe vaovao ny fifandonana tamin'ny 1 Janoary 2021, izay nantsoin'ny mpianatra sy ny akademika ho dingana iray hafa amin'ny fihemorana ara-demokratika ao Torkia, nampitaha izany tamin'ny fanoloana ben'ny tanàna voafidy miisa zato mahery tamin'ireo olona notendren’ny governemanta tao anatin’ny taona lasa [12] vitsivitsy. Tamin'ny herintaona, matetika ny mpianatra no nifandona [13] tamin'ny polisy ary nikarakara sit-in tao amin'ny anjerimanontolo. Nandritra izany fotoana izany, nanao fihetsiketsehana ireo mpampianatra ao amin'ny oniversite tamin'ny fanomezana lamosina isan'andro ny tranoben'ny sojabe (rektora) hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana.

Avy eo tamin'ny volana Jolay, nesorin'ny Antokon’ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana (AKP) i Melih Bulu tamin'ny alalan'ny  didim-panjakana navoaka andro alina [14], nanolo ny toeran’ [3] ny sojabe teo aloha hotantanin'ny Profesora Naci İnci, lehiben'ny sampana fizika tao amin'ny oniversite  teo aloha izay niasa ho lefitry ny sojabe nandritra ny fe-potoam-piasan'i Bulu ho sojabe. Vao mainka niteraka hetsi-panoherana mbola mitohy mandraka androany io fanapahan-kevitra io.

Manana zotram-pifidianana midadasika ny sekoly, ka noheverina ho “fanitsakitsahana ny fahalalahana akademika ireo fanendrena ivelany roa ireo satria nandingana ny fifidianana sojabe ary sambany no nisy olona avy any ivelan'ny oniversite no napetraka teo amin'ny toeran’ny sojabe hatramin'ny fanonganam-panjakana 12 Septambra 1980″ hoy ny [15] Gazete Duvar.

Tamin'ny 3 Janoary 2022, namoaka  fanambarana [3] ny akademika tao amin'ny sekoly nivoady ny hanohy hanohitra ny fanendrena an'i Inci ho sojabe, izay nofaritan'izy ireo ho dingana “tsy mangarahara” izay “tsy miraharaha ny fanirian’ny oniversite.”

Nesorina [16] tamin'ny volana Jolay tao amin'ny Fandaharam-pampianarana Sarimihetsika tao amin’ny Depatemantan’ny Oniversite mandalina ny Teny Tandrefana sy ny Literatiora 2021 i Can Candan, noho ny baikon'ny sojabe vaovao voatendry. Hoy izy nanoratra raha nandefa sioka tao amin'ny kaontiny manokana hoe:

Herintaona katroka androany, 3 Janoary, tamin'ny maha-akademika ao amin'ny Oniversite Bogazici no nilazanay voalohany hoe #TsyManaikyIzahayAryTsyHitsahatra. Manohy miaro ny soatoavinay sy ny onivesitenay izahay, ho oniversite malalaka, mahaleo tena ary demaokratika eto Torkia.

Ankoatra an’i Candan, nandroaka [21] mpiasa akademika hafa ihany koa Inci, toa an'i Feyzi Erçin, Özcan Vardar, ary Seda Binbaşgil— na dia teo aza ny fanoheran'ny mpianatra sy ny fikambanan’ny mpampianatra. Ankoatra izany, maro tamin'ireo mpianatra oniversite [22] no niharan'ny herisetran'ny polisy [13]  tamin'ny taon-dasa [23], ary mpianatra Boğaziçi roa farafahakeliny, Berke Gök sy Perit Özen no nogadrain'ny polisy nanomboka tamin'ny volana Oktobra 2021, araka ny filazan'i [3] Bianet. Tamin'ny volana Oktobra ihany koa,  nanamafy ny fampiatoana [24] ireo mpianatra maromaro tao amin'ny sekoly izay nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana manohitra ny fanendrena azy Inci.

Araka ny fomba fijeriny tamin'ny herintaona, nanoratra [21] ilay profesora ao amin'ny oniversite Ayşe Gürel hoe,

For a year, Boğaziçi University, which is one of the very few public universities in Turkey that is financially accessible to many young people and offers a world-class education, is being destroyed in a planned way. Like many of my colleagues who have dedicated their lives to this university, as a common value of this country, I regret what happened. I think that the administration that led the university to this planned destruction and all the people and organizations responsible for this will have to answer to this country and especially to the youth of the country. Regardless, we will continue to fight and say what we think is right so that this institution can survive these shocks.

Nandritra ny herintaona, rava tamin'ny fomba nomanina ny Oniversite Boğaziçi, izay iray amin'ireo oniversitem-panjakana vitsy an'isa ao Torkia, takatry ny fahefa-mividin’ny tanora maro ary manolotra fampianarana manara-penitra erantany. Malahelo aho amin’ny zava-nitranga  tahaka ny maro amin'ireo mpiara-miasa amiko izay nanokana ny fiainany tamin'ity oniversite ity, amin'ny maha-soatoavina iraisan'ity firenena ity. Heveriko fa ny fitantanan-draharaha nitarika ny oniversite ho amin’ny fandravana nokinasa ity sy ireo olona sy fikambanana rehetra tompon’andraikitra tamin’izany dia tsy maintsy hiatrika ity firenena ity ary indrindra ireo tanora eto amin’ny firenena. Na izany na tsy izany, hanohy hiady sy hilaza izay heverinay fa rariny izahay mba hahafahan’ity andrim-pianarana ity ho tafavoaka velona amin’izao fahatafintohinana izao.