Nirongatra ny fihetsiketseham-panoherana fa nihintsana tsy nisy tahaka izany ny vola Lira Tiorka

Pikantsary avy amin'ny tati-baovao BBC amin'ny teny Tiorka.

Nipoaka nanerana ny tanàna maro tao Torkia ny takarivan'ny 23 novambra rehefa nidina ambany indrindra hatramin'izay manoloana ny vola vahiny ny omalin'io ny fihetsiketseham-panoherana. Nidina an-dalambe ny vahoaka, miantso ny governemanta hiala rehefa nampanantena ny hitazona ny zanabola ho ambany na dia [nisondrotra ambony aza ny vidim-piainana] ny Filoha Recep Tayyip Erdoğan ny omalin'io. Ao amin'ny Twitter, nalaza niaraka tamin'ny #Dolar12TL ny  #AKPIstifa [miala AKP].

Ity no fitsorahana lalina indrindra ho an'ny volam-pirenena tao anatin'ny 20 taona, “nitsoraka vetivety nankao amin'ny 13 isaky ny dolara hatramin'izay,” hoy ny tatitry ny Bloomberg.

Latsaka 40 isanjato amin'ny sandany tamin'ny voalohany janoary 2021 ny lanjam-bolam-pirenena, hoy ny tatitry ny AP tamin'ny 23 Novambra.

Tamin'ny fanehoany hevitra amin'ny tontolo ara-toekarena sy ny politikan'ny antoko eo amin'ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana, niresaka tamin'ny Bloomberg i Kerim Rota, mpitarika ny politika ara-toekarena ao amin'ny antokon'ny fanoherana Antokon'ny Hoavy hoe:/ “Tahaka ny mametraka zazakely hiandraikitra ny toby famokarana nokleary ry zareo.”

Raha niaro ny politika ara-toekarenan'ny antoko mitondra ny Filoha Erdoğan dia lazainy fa “adim-pahaleovantena ara-toekarena” izany ao amin'ny kabarim-pahitalavitra ho an'ny firenena tamin'ny 22 novambra . Nolazainy:

As a country with great knowledge and experience in financial crisis management just like in every area, we are determined to make use of the opportunities offered by the critical period the world is currently going through. We see the games those who seek to push our country out of the equation play over exchange rates, interest rates and price hikes as they used to do in the past, and we display our will to move forward with our own game plans.

Amin'ny maha-firenena manam-pahalalàna sy haizatra amin'ny fitantanana krizy ara-bola tahaka ny amin'ny sehatra tsirairay, tapa-kevitra isika hampiasa ny hirika atolotry ny kihon-dalan'ny fotoana izay izoran'izao tontolo izao amin'izao fotoana. Hitanay ny lalaon'ireo te-hanosika ny firenentsika ho tafavoaka amin'ny lalaon'ny fifanakalozam-barotra, tahan-janabola sy ny fiakaran'ny vidin-javatra izay fanaon-dry zareo hatramin'ny taloha, ary asehontsika ny faniriantsika handroso amin'ny planin-dalaontsika.

Nampangain'i Kemal Kilicdaroglu, mpitarika ao amin'ny fanoherana, ny filoha ho mamadika ny volam-pirenena ho “vola noharatsiana.” Notsikerain'ity mpitarika fanoherana ity ihany koa ny Banky Foibe, izay manaraka atsakany sy andavany ny fangatahan'ny Filoha Erdoğan hitazona ny taha ho ambany. “Ilay andrim-panjakana tompon'andraikitra amin'ny fahamarinan-toeran'ny vidin-javatra no tsy afa-mitondra fahamarinan-toeram-bidin-javatra,” hoy i Kilicdaroglu momba ny tsy fananan'ny Banky Foibe fahefana sy fanapahan-kevitra.

Governoran'ny Banky Foibe telo hatramin'ny taona 2019 no nampifanolosolon'ny Filoha Erdoğan, maneho ny fihazonany ny Banky Foibe sy ny politika ara-bolany. Ny fanoloana farany indrindra dia nitranga tamin'ny didy hitsivolana nivoaka alina navoakan'ny gazety ofisialy tamin'ny marsa 2021, izay nanoloana an'i Naci Agbal, minisitry ny fitantanam-bola teo aloha ka i Sahap Kavioglu, profesora amin'ny resaka banky sady mpanao matoandahatsoratra ao amin'ny gazetin'ny governemanta, no nandray ny toerany. Raha tsy nisy ny fanazavana ofisialy tamin'izay anton'izany fanoloana izany, ny manampahaizana manokana no nilaza fa ny fanoloana tampoka dia mifandray tamin'ny fanapahan-kevitr'i Agbal hampakatra ny tahan-janabola, izay mifanohitra amin'ny teoria tsy-ôrthôdôksa an'ny Filoha Erdoğan momba ny politikam-bola sy ny fiantraikany eo amin'ny fihevahevam-bola. Vao efa-bolana monja i Agbal no teo amin'io toerana io raha nosoloina an'i Kavioglu, izay mitovy fijery amin'ny filoha amin'ny resaka politika ara-bola. Teo ambany fitarihan'i Agbal ny lira tiorka efa manondro fiverenana amin'ny laoniny noho ny nampakarany ny tahan-janabola ho 19 isanjato avy amin'ny 10,25 isanjato hatramin'ny nitantanany ny birao tamin'ny Novambra 2020.

Mandritra izany fotoana izany ny praiminisitry ny firenena teo aloha, Ahmet Davutoglu nampitandrina ny filoha mba hiova lalana mba tsy ho tara loatra izany ho an'ny toekarena.

Ho setrin'ny fitombon'ny krizim-bola, sy ny tahotra hiakaran'ny vidin-javatra, nentin'ny vahoaka teny an-dalambe manerana ny tanàna maro ny loniloniny. Nisy ireo nitondra ny vilaniny sy ny lapoaliny.

Tencere tava havası: ny feon'ny hetsi-panoherana manodidina taorian'ny andro mafy ho an'ny toekarenan'i Torkia.

Nidina an-dalambe ny vahoaka tao Ankara miantso ny fialan'ny governemanta rehefa nihintsana ambany dia ambany ny lira tiorka.

Mandritra izany fotoana izany, mpanolotra iray ao amin'ny fantsom-pahitalavitra pro-governemanta TGRT niezaka ny hanome toky ny mpijery fa ny tendro eo amin'ny taha fifanakalozana dia nampihena ny karama farany ambany indrindra, izay zavatra tsara satria mahamora dia mora ny karaman'ny mpiasa ao Torkia.

Fanevan'ny fantsom-baovao pro-governemanta iray: “Isika no firenena hiasa amin'ny mora (vidy) indrindra”. Fenoy amin'ny karama farany ambany mihintsana aoka izany. Ok.

Anisan'ny mpanao fihetsiketsehana ihany koa ny mpianatra. Tao Ankara sy tao Istanbul, hita ho nifamory tao amin'ny campus sy teny an-dalambe ny mpianatra avy ao amin'ny Oniversite Teknikan'i Afovoany Atsinanana (METU) sy ny Oniversite Bogazici.

Mitohy ny hetsi-panoherana ataon'ny mpianatr'i ODTU. Mitohy ny hiakan'izy ireo “Miala AKP,” “miala ny governemanta” teo amin'ny vavahadin'ny campus A4 izay tsy hamelan'ny polisy azy ireo hivoaka.

Eny an-dalambe ihany koa ny mpianatry ny Oniversiten'i Bogazici mihiaka hoe “Na isika rehetra miaraka na tsy misy na dia iray aza.”

Raha niresaka tamin'ny BBC amin'ny teny tiorka i Wolfango Piccoli, talen'ny fikarohana ao amin'ny Teneo, orinasam-paka-kevitra iray , dia nilaza, “Mahita ny lalantsarotra i Torkia, amin'ny mety fahelan'ny krizy ara-bola vao tsapa sy itsonjovana saingy rehefa mitranga izany dia mety hihazakazaka haingana dia haingana ary mety ho sarotra ny fifehezana azy.”

Nitsoraka nankany amin'ny fanjavozavoana tanteraka ny hoavy ara-bolan'i Torkia ary tsy azo tanterahana ny manao faminavinana amin'izao toerany izao, hoy ilay mpahay toekarena Arda Tunca tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny BBC teny tiorka. “Nahita imaso ny krizy aho tamin'ny taona 1994, tamin'ny taona 2001, ary ny krizy ara-bola manerantany tamin'ny taona 2008. Tamin'ny tsirairay tamin'ireo krizy ireo, nisy ny fanjavozavoana saingy tamin'izany fotoana izany azo natao ny nanao faminavinana amin'izay dingana mety hotanterahana sy ny mety hizoran'izany. Saingy amin'izao fotoana izao dia tsy azo tanterahana ny mitantana ny fanjavozavoana ankehitriny. Miaina ao anaty fotoana izay efa mihoatra ny fitsipika ara-toekarena isika.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.