- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mya Hnin Ye Lwinn, mpilalao sarimihetsika ao Myanmar, manazava ny antony nanjohiany ny mpanohitra

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Ady & Fifandirana, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Myanmar Spring Revolution
[1]

Sarin'i Mya Hnin Ye Lwin fony izy mpilatro sy mpilalao an-tsehatra (ankavia) ary taorian'ny nandosirany nankany anaty akata mba hanatevina ny ady anoherana ny “junta” – jadona miaramila. Sary [1] sy maribolana avy amin'ny Radio Free Asia.

[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mitondra mankany amina lahatsoratra amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra ato]

Ity lahasoratra [1] ity dia avy amin'ny Radio Free Asia (RFA) ary naverina navoaka etoana rehefa nahazoana alàlana taminy. Nosoratan'i Aye Aye Mon ho an'ny RFA, sampana Myanmar. Nadikan'i Khin Maung Nyane. Nosoratan'i Roseanne Gerin ho amin'ny fiteny anglisy.

Ny “Revôlisiônan-Dohataona” tao Myanmar dia nanetsika olompirenena an'aliny maro nitaky ny hamerenana tsy misy hataka andro ny fitondrana ho amin'ny sivily taorian'ilay fanonganana fanjakana tamin'ny 1 Febroary. Io no fitaratry ny fanoherana midadasika sy henjana ny “junta” izay tsy nahavita namongotra ny hetsika mpandala demaokrasia. Ny Global Voices dia mamoaka reo tantara avy amin'ireo mpiaramiasa aminy sy media mpiara-miasa izay manasongadina ny fihantsiana ataon'ireo mpanao hetsipanoherana ao Myanmar ary ny hiakan'izy ireo hisian'ny firaisankina mba hampitsaharana ny jadona miaramila. Vakio misimisy kokoa ao amin'ny pejy fandrakofanay manokana [2] azy ireo tantara.

Nahazo fankasitrahana be tamin'ny asa nataony tao anatin'ilay andian-tantara malaza anaty fahitalavitra sy sarimihesika miisa 10 ilay lasibika sady mpilalao anaty fahitalavitra sy anaty sarimihetsika ao Myanmar, Mya Hnin Ye Lwin, 34 taona, isan'ireny ilay tantara nanara-dalàna tamin'ny 2016 hoe “Angel of Eden (Anjelin'i Edena)” sy ilay hatsikana mampanonofy tamin'ny 2018 hoe “Yee Sar Ta Won Kwal.” Manana maripahaizana ambony amin'ny psikôlôjia ihany koa izy, avy amin'ny Anjerimanontolo Dagon ao Myanmar.

Tany am-piandohan'ity taona ity, niverina nisongadina indray izy, saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia amin'ny maha-iray amin'ireo olomalaza tena mavitrika indrindra amin'ny hetsika fanoherana ny fandrobàna fahefana nataon'ny tafi-panjakana tamin'ny 1 Febroary. Tao amin'ny media sôsialy sy nandritra ireo famoriam-bahoaka fanoherana ny jadona miaramila, nampangain'i Mya Hnin Yee Lwin ilay fanonganana fanjakana. Setriny, namoahan'ny governemanta jadona miaramila taratasy fampisamborana azy noho ny fandrisihana ny olona hanakorontana ny filaminana sy ny fitonian'ny firenena. Na nandositra an'i Yangon aza izy ary nahita fialofana tamin'ny faritra “afaka” sy ambany fifehezan'ireo mpihoko, voadiny ny hanohy ny tolona fanoherana ny “junta”. Niresaka tamin'i Mya Hnin Ye Lwin i Aye Aye Mon, ilay mpanangona vaovao ao amin'ny RFA – sampana Myanmar, momba ny fanapahankeviny hanatevina laharana ireo hetsika fanoherana ny jadona miaramila. Nasiana fikiràna ilay antsafa noho ny halavàny sy mba hampahazava tsara azy.

RFA: Marobe ireo artista mpiangaly mozika sy mpilalao sarimihetsika no nanatevina laharana ireo hetsipanoherana manohitra ny fanonganana fanjakana tamin'ny 1 Febroary, saingy ny ankamaroan'izy ireny tsy nisafidy ny handray fitaovam-piadiana. Nahoana ianao no nanapaka hevitra hanjohy ireo hetsipanoherana sy hijoro hiaro vahoaka?

Mya Hnin Ye Lwin: Nandray anjara tamin'ireo hetsipanoherana aho taorian'ny nandrenesana ilay vaovao nanafintohina momba ny fanonganana fanjakana ny marainan'ny 1 Febroary. Tsapako fa tsy rariny atao amin'ny vahoaka izany ary nanapaka hevitra aho ny hanjohy ireo hetsipanoherana. Tany am-piandohana, tsy dia natahotra loatra aho satria marobe izahay, an'arivony maro taminay no niezaka ny haneho am-pilaminana ny zavatra tianay ho an'ity firenena ity. Taty aoriana, rehefa nandeha ny fisamborana ary nisy didy fampisamborana natao ho ahy, araka ny Andininy faha-505(a) [ao anatin'ny lalàna famaizana eto Myanmar], lasa somary natahotra kely ihany aho ny amin'izay mety hanjo ahy raha sanatria voasambotra. Nandeha niafina aho aloha, ary taorian'izay dia nanapaka hevitra ny hanatevina laharana ny mpanohitra, na teo aza ny tahotra tao anatiko tao.

RFA: Avy amina fianakaviana manan-katao sy nahita fianarana ianao, nahita fahombiazana goavana tamin'ny asanao. Tena manahirana ve no fahitànao ny fiainana andavanandro ao anatin'izao toedraharaha ankehitriny iainanao izao?

Mya Hnin Ye Lwin: Tsy nanonofy velively aho, na hoe nivazivazy momba ny hoe handany ny androko anaty akata tahaka izao. Mazava loatra, misy ny sedra. Tsizarizary ny sakafo sy ny fonenana. Ny fepetra ara-pahadiovana tsy hay nofaritana, indrindra fa ho ana tanora vavy tahaka ahy. Indraindray somary mahakivy ary tsy maintsy mampitombo herintsaina aho amin'ny fieritreretana an'ireo izay nanao sorona goavana. Tsy misy neniko, ary ankehitriny aho efa lasa zatra ny fiainako eto. Tena tampoka be ny fiovàna teo amin'ny fiainana, ka dia voatery aho nampifanaraka ny saiko sy ny vatako.

RFA: Tsy maintsy malahelo ny any an-tanàna ianao.

Mya Hnin Ye Lwin: Mazava ho azy, tena malahelo mafy ny any an-trano aho indraindray, saingy mankahery ny tenanay milaza hoe tsy mbola afaka mody aloha izao. Nanapaka hevitra izahay ny ho sorona ho an'ny vahoaka. Ary amin'izay fisaina izay, na rehefa mijery an'ireo lahatsoratra sy saripika eny anaty media sôsialy aza, ahiliko ny fihetsehampoko ary dia toy ny olona rehetra ihany aho mijery azy ireny.

[1]

Mya Hnin Ye Lwin (eto ankavia misatroka mainty) mandray anjara amina hetsipanoherana an-dalambe taorian'ny fanonganana fanjakana tamin'ny 1 Feb. ; ilay mpilalao (eto ankavanana) maka tahaka an'i Aung San Suu Kyi nandritra ny hetsipanoherana iray. Sary: Mya Hnin Ye Lwin/Facebook. Sary [1] sy maribolana avy amin'ny Radio Free Asia.

RFA: Lazain'ny olona sasany fa mitovy amin'i Aung San Suu Kyi, ilay mpanolotsainam-panjakana fahiny teto Myanmar, ianao amin'ireo saripika ao amin'ny Facebook. Oviana no nahatsapanao voalohany hoe mitovy aminy ianao?

Mya Hnin Ye Lwin: Nanomboka hitan'ny olona hoe tena mitovy be aminy aho rehefa hitan-dry zareo ireo saripika nisy ahy nanao antsafa niaraka tamin'ny media sasany [mpilaza vaovao]. Nisy fotoana àry, nisy namana iray mpakasary nangataka ahy mba ho lasibika, ary dia nitafy ankanjo amboniny lava tànana aho, ny voloko lava nikiraviravy toy ny an'i  [Mama] Amay Suu. Fahazàrako ny mianatra ny endri-piainana sy fihetsik'ireo olona asaina lalaoviko na dia tsy tena mitovy tanteraka amin-dry zareo aza aho. Indray andro, tanatina hetsipanoherana iray dia marobe ireo olona nahatsikaritra ny fitoviana. Tamin'izay andro izay, nangatahana ireo vehivavy rehetra nanjohy ilay hetsipanoherana mba hitafy ny fitafy nentindrazana ao Myanmar sy hametaka voninkazo eny amin'ny volon-dry zareo, tahaka ny fomba fanaon'i Amay Suu mandrakariva. Nitafy nifanaraka tamin'izay aho, ary dia hitan'ny olona fa tena nitovy be taminy tokoa aho.

RFA: Marobe no nanao sorona ny tenany, saingy ho an'ny sasany tahaka anao izay nahita fahombiazana, tena vao mainka goavana be ny sorona. Ahoana no fahatsapanao ny fandaozana ireo rehetra nifoforanao?

Mya Hnin Ye Lwin: Sahala amin'izay nolazaiko tany aloha, nisy fotoana izay nahalatsaka ambany ny herintsaiko. Saingy miezaka aho ny tsy hieritreritra hoe sorona tahaka ny inona no nataoko. Tsy misy dikany ny fahasahiranana sedrainay isanandro raha ampitahaina amin'ny an'ireo namoy ny ainy, ireo izay nogadraina na namoy havana. Miaraka amin'ny eritreritra tahaka izany ao an-tsaiko, hotohizako ity tolona ity mandra-pahazonay ny fandresena.

RFA: Ahoana no hevitrao momba ireo famonoana isanandro sy ny tolona manerana ny firenena amin'izao fotoana izao?

Mya Hnin Ye Lwin: Ireny herisetra tsy misy ilàna azy sy ireny famonoana ireny dia vokatry ny famoretana an-kerisetra ataon'ny “junta” an'ireo mpanao hetsipanoherana am-pilaminana. Tsy nitondra fiadiana ireo olona an-tapitrisa nidina an-dalambe nanao hetsipanoherana am-pilaminana, saingy niditra tamin'ny fampiasàna herisetra ny “junta”, ary niafara tamin'ny rà latsaka teny an-dalambe sy ny fisamborana fahatany ary ny famonoana. Na any an-tranony aza dia tsy voaaro ny olona, ary farany dia tsy manana safidy afa-tsy ny mandray fiadiana mba hiarovany ny tenany sy ny ankohonany. Tsy maintsy hiady izahay mandrapahazo fandresena sy ho fanomezana voninahitra an'ireo izay nanao sorona ny ainy.