- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miresaka am-pahasahiana momba ny filan'izy ireo sendikà sy fepetra tsara kokoa any amin'ny toeram-piasany

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny Martsa 2020)

[1]

Antsafa niarahana tamina mpiasa marobe tao Thailand. Sary an'ny Prachatai

[Raha tsy misy filazana mifanohitra dia mitondra mankany amina lahatsoratra amin'ny fiteny anglisy ny rohy rehetra ato]

Ity lahatsoratra nasiam-panovàna ity [1] dia avy amin'ny Prachatai, tranonkala fampahalalam-baovao tsy miankina ao Thailand, ary naverina navoaka eto amin'ny Global Voices ho ampahany amin'ny fifanekena hifampizara votoaty.

Anaty rafitra ara-toekarena iray izay manome vahana ny tompon'ny renivola, ilain'ny mpiasa ny fanamafisana ny fahafahan'izy ireo miaro ny zony, sy mifampiraharaha momba ny tombontsoa ara-drariny eo anatrehan'ny mpitantana.  Mba hametrahana ny toedraharaha ankehitriny misy ny zo momba ny asa ao Thailand, nitafa izahay tamina mpiasa vitsivitsy avy amina sehatra enina anatin'ny toekarena ao an-toerana, tafiditra amin'izany ny asa an-trano, ny fampianarana ambony, ny mpiasan'ny fahasalamana, ny indostrian'ny fanenomana lamba, ny famokarana fitaovana ara-panatanjahantena, ary ny banky. Raha samy ahitàna fitoviana sy fahasamihafàna ny resaka fepetra iasàna, dia toa hita mazava tsara fa anatin'ny toejavatra tsirairay, ilaina ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpiasa, na lahy na vavy, mba hampiroboroboana tontolon'asa mendrika kokoa, hatramin'ny fatram-pahalalahana mifototra amin'ireo fotokevitra demaokratika eken'ny erantany.

Ireto ireo mpiasa nitafanay:

Mpiasa an-trano. Rtoa. Malee Sorblec dia miasa any an-tranon'ny mpampiasa azy. Ny asa an-trano dia tafiditra anatin'ny sehatry ny asa fahiana, izay miroborobo fatratra ao Thailand. Kanefa, mazàna ireo mpiasa an-trano no entina amin'ny fomba mamohehatra sy tsy omena haja. Ambany noho ny an'ireo mpiasa any amin'ny orinasa ny sata misy azy ireo. Vokany, mba hamerenana ny hajan'izy ireo sy hiarovana azy amin'ny fanararaotana dia mikarakara vondron'asa iray ho an'ireo Thailandey sy ireo olona mpila ravinahitra izy ireo ankehitriny. Ny fifanarahana asa voarakitra an-tsoratra no fitakiana fototra ho azy ireo.

Mpiasa eny amin'ny anjerimanontolo. Ing. Pinyapan Potjanalawan dia mampianatra eny amin'ny anjerimanontolo. Na manana karama tsy mena-mitaha amin'ny hafa aza ireo mpampianatra matianina any amin'ireo anjerimanontolom-panjakana, dia mbola voafatotra anaty fifanarahana asa anaty fotoana fohy ry zareo. Toejavatra mitondra mankany amin'ny asa tsy marin-toerana sy faharefoan'ny hery eo amin'ny fanaovana fifampiraharahàna ifanatrehana amin'ireo mpifehy sy mpanaramaso ny kalitaon'ny asa fanabeazana. Amin'izao fotoana izao, tsy manana sendikà ry zareo.

Mpiazan'ny hôptaly: Rtoa. Punyisa Watchala-anan dia sekreteran'ny Sendikan'ireo mpanampy mpitsabo ao Thailand. Niova ny satan'ireo mpanampy mpitsabo. Tany aloha ry zareo dia voaaron'ny sampandraharaham-panjakana izay niantoka feno ireo tombontsoa sôsialy. Taorian'ny nanomezana ho an'ny tsy miankina ireo rantsana marobe tao anaty rafitra misahana ny fahasalamana, nahenan'ireo hôpitalim-panjakana ny fenitra mifehy ny asany sy ny fandaniana, niafara tamin'ny fiharatsian'ny kalitao sy ny tolotra ara-medikaly. Nanome aingampanahy ireo mpanampy mpitsabo io toedraharaha io mba hametrahana sendika sy hitakiana fanondrotana karama, tombontsoa misimisy kokoa, tontolon'asa tsaratsara kokoa ary ny mety ho fisondrotana amin'ny asa ao anatin'ny rafitra fitantanana.

Mpamokatra fitaovana ara-panatanjahantena. Rtoa. Wilaivan Ritthiron, izay taloha dia niasa tamina orinasa malaza mpamokatra fitaovana ara-panatanjahantena isankarazany, dia nesorina tsy ara-drariny satria nandray anjara tanaty fikarakaràna sendika nitaky tamin'ireo mpitantana ny fisondrotana karama, tombontsoa misimisy kokoa, ary fomba fitondra tsy mitanila. Fandresen-dahatra ataon'ny vondrona misy azy ihany koa ny fitoniana sy ny tsy hisian'ny filambaniny ara-nofo.

Mpiasas amin'ny fanenomana lamba. Rtoa. Sia Jampatong dia filohan'ny Phiphatsamphan Textile Labor Union sy ny Textile, Garment and Leather Workers Federation ao Thailand, fikambanana fantatry ny rehetra ao Thailand amin'ny fiarovana ny zon'ny mpiasa. Azon'ilay sendika atao ny mitondra ny olana miainga eo amin'ny faritra hiakatra amin'ny sehatra nasiônaly sy manome fahafahana an'ireo mpiasa mba handray anjara mivantana amin'ny fametrahana politikam-panjakana, isan'izany ny famoronana fanjakana miahy ny soa ho an'ny rehetra.

Mpiasa amin'ny banky. Ing. Withit Sirisuwan dia filohan'ny Siam Commercial Bank Labour Union, ary mampiseho taratra ny fiantraikan'ireo fiovàna nateraky ny fivoarana teknôlôjika, toy ireo sehatra nomerika. Iraisan'ilay sendika hevitra amin'ny ao anatin'ny fitantanana ny fampifandrifiana sy ny fanovàna ireo fipetraky ny asa tany am-boalohany ho amin'ireo vaovao, ho an'ny fahaveloman'ny indostrian'ny banky. Ny sendika dia mitàna anjara toerana lehibe ao anatin'ny politikan'ny fifampiraharahana amin'ny mpitantana mba hiantohana fa ny famokarana mandroso dia tsy hatao fotsiny ho an'ny mpanjifa, fa koa ho an'ny mpiasa.

Jereo ato [2] ny antsafa araahana dikanteny