- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahariharin'ny Andron'ny seza foana ny manjò ireo mpanao gazety okrainiana nogadraina

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Ukrainian journalist and writer Stanislav Aseyev speaks to the press at the Empty Chair Day action in New York City, November 15, 2021. Image: Emily Couch / PEN America, used with permission. [1]

Mpanao gazety Okrainiana sady mpanoratra, Stanislav Aseyev miresaka amin'ny mpanao gazety nandritra ny hetsika Empty Chair Day tao New York City, 15 Novambra 2021. Sary: Emily Couch / PEN America [2], nahazoana alalana.

Tamin'ny 15 Novambra, nanatontosa hetsika teny an-dalambe teo ivelan'ny Kaonsilin'ny Federasiona Rosiana ao New York ireo mpikatroka mpiaro ny zon'olombelona sy ny fahalalahana miteny mba hanamarika ny Andron'ny Mpanoratra Nogadraina.

Natao ho fanohanana ireo mpanoratra sy mpanao gazety Okrainiana nogadraina noho ny asa sorany na ny lahateniny tany amin'ireo faritra voabodo [3]ao Okraina Atsinanana sy Krimea ity famoriam-bahoaka manokana ity .

Nokarakarain'ny PEN America [4], fikambanana tsy mitady tombontsoa efa hatry ny ela miaro ny fahalalaham-pitenenana sy ny zon'ny mpanoratra, niarahany niombona antoka tamin'ny Media Initiative for Human Rights, Razom for Ukraine, PEN Ukraine, ary ny Sendikàn'ny Zon'olombelona Helsinki Okrainiana ny hetsika Empty Chair Day (andron'ny seza foana).

Emily Couch, Lefitry ny Fandaharan'asa Eurasia ao amin'ny PEN America nilaza hoe:

The Empty Chair Day is a long-standing PEN tradition. The empty chair symbolizes and honors a writer who cannot be present because they have been imprisoned, detained, disappeared, threatened, or killed.

Fomban-drazana PEN efa hatry ny ela ny Empty Chair Day. Ny seza banga dia maneho sy manome voninahitra ny mpanoratra tsy afaka manatrika satria nogadraina, notanana, nanjavona, norahonana na novonoina.

Ny nifantohan'ny hetsika Empty Chair [seza foana] tamin'ity taona ity dia i Vladyslav Yesypenko, mpanao gazetin'ny Radio Free Europe/Radio Liberty izay notanana am-ponja [5]tamin'ny volana Marsa 2021 ary nogadraina tsy ara-dalàna tamin'ny fiampangana fitsikilovana noho ny tatitra momba ny zava-misy iainan'i Krimea fehezin'i Rosia. Voalaza fa niaritra fampijaliana teo am-pelatanan'ny sampan-draharaham-piarovana federaly Rosiana sy ny mpampihatra lalàna Krimeana i Yesypenko.

Mpanao gazety tsy miankina, mpanoratra ary mpamorona am-polony hafa miasa ao Krimea sy Okraina Atsinanana voabodo no niatrika fanerena mitovy amin'izany [6], ka ny sasany nogadraina ary maro no nalefa an-tsesitany.

Tena nampihetsi-po indrindra ny Andron'ny Seza Foana tamin'ity taona ity, hoy ny lehiben'ny PEN America, satria nasongadina ho iray amin'ireo mpandahateny tamin'ny hetsika an-dalambe i Stanislav Aseyev, mpanao gazety Okrainiana nahazo loka natao takalon'aina noho ny tatitra nataony momba an'i Okraina Atsinanana.

Stanislav Aseyev […] was the focus of the Empty Chair Day in 2019. He was illegally detained and tortured for his reporting on Donbas. International pressure, including PEN America’s dedicated campaign, helped secure his release. Having him with us sent a powerful message that the world has not forgotten Donbas.

Stanislav Aseyev […] no nifantohan'ny Andron'ny Seza Foana tamin'ny taona 2019. Nogadraina tsy ara-dalàna sy nampijaliana izy noho ny tatitra nataony momba an'i Donbas. Ny fanerena iraisam-pirenena, anisan'izany ny fanentanan'ny PEN America no  nanampy tamin'ny  famotsorana azy. Nandefa hafatra mahery vaika ny fananana azy miaraka aminay fa tsy nanadino an'i Donbas izao tontolo izao.

Nanatevin-daharana ny hetsika i Aseyev, miaraka amin'ireo mpikatroka sy mpanohana hafa mba haneho firaisankina amin'ireo mpanao gazety mbola migadra amin'ny fomba tsy ara-dalàna sy migadra noho ny asany any Okraina Atsinanana Voabodo sy Krimea.

Fisaorana lehibe ho an'ny rehetra izay nanatevin-daharana anay teo anoloan'ny Kaonsiolà Rosiana tao NYC tamin'ny Andron'ny #ImprisonedWriter [7] (#Mpanoratra voafonja). Voninahitra ho anay ny nanatrehan'i Stanislav Aseyev ny fivorian'ireo mpamaky sy mpanoratra mitaky ny famotsorana ilay mpanao gazety Okrainiana #VladyslavYesypenko [8]

Mpanao gazety teraka tao Donetsk, Okrainina Atsinanana,sady niasa tao nandritra ny fipoahan'ny ady miaramila notohanan'ny Rosiana [11]tao amin'ny faritr'i Donbas ao Okraina, manodidina ny faritra Donetsk sy Luhansk i Aseyev. Tamin'ny anarana mpanoratra Stanislav Vasin no nanoratany tatitra fohy ho an'ny fampahalalam-baovao Okrainiana momba ny zava-misy eny ifotony ao amin'ny faritra atsinanan'i Okraina voabodo nandritra ny taona 2015-2017.

Ukrainian journalist and writer Stanislav Aseyev speaks at the Empty Chair Day action in New York City, November 15, 2021. Image: Emily Couch / PEN America, used with permission. [12]

Okrainiana mpanao gazety sady mpanoratra Stanislav Aseyev dia niteny nandritra ny hetsika andron'ny seza foana tao New York City, 15 Novambra 2021. Sary: Emily Couch / PEN America, nahazoana alalana.

Tamin'ny volana Jiona 2017, nosamborina sy nogadrain'ny tafika milisy mpisintaka tamin'ny fomba tsy ara-dalàna noho ny “ekstremisma” sy ny “fitsikilovana” i Aseyev. Notazonina ho babo tao Izolyatsya, toeram-pamokarana fitaovam-pitokana-monina teo aloha navadika ho sehatra ara-javakanto ho an'ny daholobe tao Donetsk i Aseyev ary niharan'ny fampijaliana sy fampahoriana nandritra ny roa taona sy tapany mahery. Vondrona mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra maro no nitaky ny famotsorana azy tao anatin'ny fanentanana #FreeAseyev [13] . Tamin'ny 29 Desambra 2019, navotsotra izy tamin'ny fifanakalozana gadra ary natolotra ny manampahefana Okrainiana.

Navoaka tany Okraina raha mbola tany ampigadrana izy ny “In Isolation” [14] (ao anaty fitokana-monina), angon-tsombin-tsoratr'i Aseyev avy any Donbas voabodo. Misy fandikan-teny [15] amin'ny teny anglisy kasaina havoaka amin'ny lohataona 2022 avy amin'ny Harvard University Press.

Nadika tamin'ny teny anglisy ihany koa ny boky farany nosoratan'i Aseyev, “The Torture Camp on Paradise Street,” [16] [Toby fampijaliana amin'ny lalan'ny paradisa] navoaka tamin'ny teny Okrainiana tamin'ny taona 2021. Ny tsiaro dia mitantara indray ny fanagadrana azy ary mampiharihary ny rafitra fonja ambanin'ny tany feno habibiana fehezin'ny manampahefana mpisintaka tohanan'i Rosia ao amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Donetsk tsy misy mankatoa.

Hatramin'ny namotsorana azy, nanao fanentanana iraisampirenena i Aseyev tamin'ny anaran'ireo mpanao gazety sy mpanoratra Okrainiana hafa nogadraina tsy ara-drariny nataon'ny tafika pro-Rosiana tany Donbas sy Krimea voabodo.

Efa niantso ny hamotsorana ireo mpiasan'ny haino vaky jery voafonja rehetra any amin'ny faritany Okrainiana voabodo, ireo vondrona hafa mpiaro ny zon'ny haino vaky jery sy ny Firaisankinan'ny Fahalalahan'ny Media [17], ary manameloka ny ezaka ataon'ny manampahefana Rosiana sy manampahefana mpomba an'i Rosia hanakanana ny asa fanaovan-gazety printy sy fampielezam-baovao tsy miankina.

Vakio ny tsonga [16] amin'ny bokin'i Stanislav Aseyev, “Ny Toby Fampijaliana eo amin'ny Lalana Paradisa,” ao amin'ny LA Review of Books.