- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miatrika vesatra kolikoly ny filohan'i Armenia teo aloha Serzh Sargsyan

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

“Serzh Sargsyan” avy amin'i More pictures and videos: connect@epp.eu manana ny lisansa CC BY 2.0 [1]

Voampanga ho nandray kolikoly nandritra ny fotoana naha-filoha azy ny filohan'i Armenia teo aloha Serzh Sargsyan, mandritra ny fotoana izay lazain'ny mpisolovavan'ity filoha teo aloha ity ho fiezahana [2] hanodina ny fifantohana amin'izao krizy ara-politika sy ara-miaramila [3] misy eo amin'i Armenia sy Azerbaijan izao. Tamin'ny 22 novambra, nanamafy [2] ny filazana i Marina Ohanjanian, mpitondrateny iray ao amin'ny komity miady amin'ny kolikoly. Niseho teo anoloan'ny komity ny filoha teo aloha tamin'io andro io.

Tafiditra ao anatin'ny famotorana nanomboka telo taona lasa izao, hatramin'ny toe-javatra nitranga tamin'ny Marsa 2008 [4] raha nifandona noho ny valim-pifidianana filoham-pirenena tamin'ny volana febroary tamin'io taona io ny polisy sy ny mpanao fihetsiketsehana, ity fiampangana ity. Ny famotorana mbola andalam-panaperany amin'izao fotoana izao no mametraka [5] fa nandray kolikoly izay nohamorain'ny [6] mpandraharaha Samvel Mayrapetyan — ny praiminisitra lefitra Armen Gevorgyan, ny filoha teo aloha Sargsyan sy ny teo alohany Robert Kocharyan —.

Araka [2] ny Radio Liberty, ny raharaha mandeha ankehitriny entina anenjehana an'i Sargsyan io dia mifandray amin'ny fijoroana vavolombelona nataon'ny mpandraharahavavy iray avy ao Armenia mitondra ny anarana [5] Silvia Hambardzumyan. Tamin'ny taona 2018, nilaza [7] i Hambardzumyan fa nanolikoly manampahefam-panjakana izy, “mba hiantohana ny fahafahany manomboka fihariana eo amin'ny sehatr'asam-pitrandrahana harena ankibon'ny tany.”

Tamin'izany fotoana, ny fijoroana vavolombelona nataony no nahatonga [7] ny vesatra nanenjehana ny filohan'i Armenia faharoa Robert Kocharyan; ny talen'ny kabinetrany; Armen Gevorgyan, mpikambana ao amin'ny fanoherana ao amin'ny parlemanta; ary ny mpandraharaha Samvel Mayrapetyan. Araka [7] ny OC Media, raha nilaza ihany koa i Hambardzumyan fa nanolikoly an'i Sargsyan izy, dia “tsy mbola niatrika fanenjehana heloka bevava amin'ity raharaha ity mandraka androany” ny filoha teo aloha.

Nolavin'ny mpisolovavan'i Sargsyan, Amram Makinyan, ny filazana fa vao nipongatra ity fiampangana ity tamin'ny fanambaràna iray navoaka tamin'ny 22 Novambra. “Mampihomehy ihany fa rehefa navenjivenjy nandritra ny telo taona sy tapany ny fijoroana vavolombelona nataon'i Silva dia ankehitriny vao ‘nanapa-kevitra’ ry zareo fa nanolikoly an'i Serzh Sargsyan koa ravehivavy, nefa efa nanontaniana momba ity raharaha ity amin'ny maha-vavolombelona azy izy [Sargsyan] ary tsy nisy na inona na inona niova na nampiana ara-pitsarana hatramin'izao,” hoy ny filazany [8].

Ity no fiampangana heloka bevava lehibe andiany faharoa nihatra tamin'i Sargsyan. Ny andiany voalohany dia resaka [9] fanodikodinam-bola mitentina iray tapitrisa dolara US avy amin'ny kitapom-bolampanjakana. “Voampanga niaraka tamin'ny mpandraharaha Barsegh Beglaryan sy niaraka tamin'ny manampahefana ao amin'ny minisiteran'ny fambolena, izay ao anatin'izany ny minisitra teo aloha Sergo Karapetyan koa i Sargsyan,” hoy ny tatitry [7] ny OC Media. Notsipahan [2]‘ny filoha teo aloha avokoa ireny fiampangana ireny.

Voatonona vao haingana ihany koa ny anaran'ny filoha teo aloha tamin'ny tatitra fanadihadiana nivoaka tamin'ny septambra 2021 izay namoaka [10] ny fandehanan'ny filoha matetika ao Baden-Baden ao Alemaina izay “nitondran'ny vorombin'ny filoha manampahefana ambony [5] [naotin'ny mpandika: hitsangatsangana fotsiny],” tanelanelan'ny taona 2008 sy 2017, nandritra ny fotoana nahafiloha azy.

Notsipahan'ny filoha teo aloha ny fiampangana ary nanasonia affidavit [filazana ombam-pianianana] tsy handao ny firenena izy.