- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nampiantrano e-fihaonambe momba ny asa fikarakarana tsy andraisa-karama i Oganda

Sokajy: Afrika Mainty, Kenyà, Oganda, Mediam-bahoaka, Sendikà, Vehivavy sy Miralenta

 

Ireo mpanentana David Lambert Tumwesigye, ny namany Atim Sheilla Gloria ary ny mpandrindra Elizabeth Atori nandritra ny fotoam-pivoriana faharoa tamin'ny e-conference. (Sary avy amin'ny Femme Forte. Nahazoana alalana).

Nisy ny e-conference (fihaonambe antserasera) [1] momba ny asa fikarakarana tsy misy karama natao tany Kampala, Ogandà, tamin'ny 25 Novambra. Nokarakarain'ny Femme Forte, GROOTS Kenya, ary ny Fikambanana Fampandrosoana ny Vehivavy Masai, miaraka amin'ny famatsiam-bola avy amin'ny Tahirim-bola Maika (Urgent Action Fund) ny fihaonambem-paritry ny vehivavy: mpanao gazety, mpampianatra ambaratonga ambony, mpitarika ny zon'ny vehivavy ary ireo tsy voatampim-peo amin'ny asa fikarakarana tsy misy karama avy amin'ny faritra Afrika Atsinanana. Nomen'ny lanonana sehatra ireo vehivavy tratran'ny COVID-19 ny hetsika mba hizara ny zava-niainan'izy ireo amin'ny tsy rariny misy vokatry ny asa fikarakarana tsy misy karama ary mandrisika ny resadresaka ampahibemaso momba ny lohahevitra.

Mamaritra [2]ny asa fikarakarana toy izao ny Fikambanana Iraisampirenena Momba ny Asa (ILO-ang):

Direct, personal and relational care activities, such as feeding a baby or nursing an ill partner; and indirect care activities, such as cooking and cleaning. Unpaid care work is care work provided without a monetary reward by unpaid carers.

Asa fikarakarana mivantana, manokana ary ifandraisana, toy ny famahanana zaza na fitsaboana mpiaradia amin'ny fiainana marary; sy ny asa fikarakarana ankolaka, toy ny fahandroan-tsakafo sy fanadiovana. Ny asa fikarakarana tsy misy karama dia asa fikarakarana omena tsy misy tambiny ara-bola ataon'ny mpikarakara tsy andoavan-karama .

Ny tovovavy sy ny vehivavy no mandrafitra ny roatokon'ny [3] mpiasan'ny fikarakarana tsy mandray karama maneran-tany, izay mampamaka lalina ny tsy fitoviana eo amin'ny fanabeazana sy ny tsenan'asa. Manakana azy ireo amin'ny fidirana feno amin'ny fanabeazana, ny asa ary ny fitsaboana ity enta-mavesatra ity ary mitazona azy ireo hihemotra ara-toekarena amin'ny farany raha oharina amin'ny lehilahy. Ampifandraisin'ny [4] Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT-ILO) ny asa fikarakarana tsy misy karama amin'ny fitomboan'ny tsy fitovian'ny lahy sy ny vavy eo amin'ny sehatry ny asa.

Niresaka mikasika “Ny krizy momba ny fikarakarana sy ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ny  Rariny ara-toekarena sy ny Asa fikarakarana tsy mandray vola” ny fivoriana voalohany tamin'ny fihaonambe. Iray amin'ireo mpandray fitenenana i Rtoa Allana Kembabazi, Mpitantana ny Fandaharanasa ao amin'ny Initiative for Social and Economics, ary namaritra ny asa fikarakarana tsy misy karama ho “asa atao ao anatin'ny tokantrano izay tsy misy karama nefa rehefa jerena dia sokajiana ho tokony andraisan-karama.”

Tsy andraisan-karama, tsy fantatra ary sarotra isaina eo amin'ny resaka sanda ara-toekarena amin'ny ankapobeny ny asa fikarakarana ao an-trano. Saika amin'ny fiarahamonina rehetra, mitàna anjara toerana lehibe amin'ny famenoana ny banga eo amin'ny tolotra ara-tsosialy sy mizàka ny toekarena matanjaka ny asa fikarakarana tsy misy karama.

Ny fiantraikan'ny COVID-19 amin'ny asa fikarakarana tsy misy karama

Nanamafy ny tsy hitsiny ho an'ny vehivavy amin'ny asa fikarakarana tsy misy karama ny fahaverezan'ny asa sy ny fanakatonana sekoly taorian'ny valan'aretina COVID-19 . Esupat Ngulupa Laizer ao amin'ny Fikambanana Fampandrosoana ny Vehivavy Masai — mpandray fitenenana tamin'ny e-conference — nilaza hoe:

Unpaid Care Work has denied women economic participation and resources, increasing their vulnerability during the COVID-19 pandemic. Before COVID-19, women were doing three times more unpaid care work than men. With the pandemic, things have become worse.Women are burdened with unpaid care work [5] and have to drop out of the labour force. Opportunities for women to participate in leadership roles is also limited because of all this work.

Nanilika ny fandraisan'ny vehivavy anjara ara-toekarena sy loharanon-karena ny asa fikarakarana tsy andraisan-karama, mampitombo ny faharefoan'izy ireo mandritra ny areti-mifindra COVID-19. Talohan'ny COVID-19, nanao asa fikarakarana tsy andraisan-karama avo telo heny noho ny lehilahy ny vehivavy. Manoloana ny areti-mifindra, niharatsy ny toe-javatra. Vesaran'ny asa fikarakarana tsy misy karama  [5]ny vehivavy ka tafavoaka amin'ny sokajin'ny mpiasa. Voafetra ihany koa ny fahafahan’ny vehivavy handray anjara amin’ny andraikitra fitarihana noho ireo asa rehetra ireo.

Milaza ny tatitra taona 2018 [6]nataon'ny Oxfam momba ny asa fikarakarana any Ogandà fa eo amin'ny 32,1 isanjaton'ny vehivavy mpikarakara tokantrano ao Ogandà no nitatitra fa mangirifiry amin'ny aretina, ratra, fahaketrahana, fahavoazana ara-batana sy/na ara-tsaina noho ny anjara asany amin'ny fikarakarana.

Firosoana mankany amin'ny fanavaozana

Nanao fangatahana hanekena ny asa fikarakarana an-tokatrano sy ny tombontsoa mety ho azo avy amin'ny karama avy amin'izany ireo mpandray fitenenana, ary nanamarika fa mitaky fanavaozana lalàna sy fanovana toe-tsaina ireo. Manombatombana ny UN Women fa manampy eo ho eo amin'ny 10-39 isan-jaton'ny [7] harinkarena faobe ao amin'ny firenena ny asa fikarakarana tsy misy karama .

Nandritra ny fihaonambe, David Lambert Tumwesigye, mpandray fitenenana, Mpitantana ny Fiarovana Maneran-tany amin'ny Fahantran'ny Ankizy ao amin'ny Vonjeo ny Ankizy (Save the Children) nanasongadina ny fomba fijery ara-tsaina izay tsy maintsy hiadiana mba hametraka ny asa fikarakarana andraisan-karama ho asa ara-dalàna.

Regulation and legislation is often demand-driven. Given our cultural context, many people haven’t mentally prepared for a time when men pay for the care provided by women.

Matetika fehezin'ny tinady ny fitsipika sy ny lalàna. Raha jerena ny tontolon'ny kolontsaina misy antsika, maro ny olona no tsy niomana ara-tsaina amin'ny fotoana handoavan'ny lehilahy karama ho an'ny fikarakarana omen'ny vehivavy.

Nanaiky ny namany Atim Sheila Gloria, mifantoka amin'ny lalana ara-pitsarana sy ara-dalàna mankany amin'ny tsenan'ny asa ara-drariny kokoa.

Most times a policy may not be enough. What we need are the laws. When the laws are in place, it becomes easier. Parliament is there to represent people hence they’d know all these problems. The executive and Parliament should recognise and translate unpaid care work into the law through forming policies that can be used as a basis of evaluating the country's capacity to quantify and include carework in the labour market.

Matetika mety tsy ho ampy ny politika. Ny lalàna no ilaintsika. Rehefa mipetraka ny lalàna dia lasa mora kokoa izany. Eo ny parlemanta hisolo tena ny vahoaka ka ho fantatr'izy ireo ny olana rehetra. Tokony hanaiky sy handika ny asa fikarakarana tsy misy karama ho lalàna ny mpanatanteraka sy ny Parlemanta amin'ny alàlan'ny fananganana politika izay azo ampiasaina ho fototry ny fanombanana ny fahafahan'ny firenena manisa sy mampiditra ny asa fikarakarana eo amin'ny tsenan'ny asa.

Lesona avy any Kenya

Raha niresaka nandritra ny dinidinika, nizara i Jael Esther Amati, Mpitarika Lefitra ao amin'ny GROOTS Kenya, fa vao haingana i Kenya no namoaka didy avy amin'ny fitsarana fa tokony onerana ny mpiasa mikarakara trano.

Fandresena lehibe ho an'ny fanavaozana ny asa fikarakarana tsy misy karama ny didim-pitsarana [8] navoakan'ny Fitsarana Avo Kenyana vao haingana momba ny raharaha MW v AN (Raharaham-panambadiana Laharana 20 – 2016). Nilaza ny fitsarana fa ny  raharaha an-tokantrano sy ny asa fikarakarana ataon'ny vehivavy vady (tamin'ity tranga ity, ny Mpitory) dia manome azy zo fizarana mitovy amin'ny fananan'ny mpivady rehefa tapaka ny fanambadiana (misaraka ny mpivady).

Hitan'i Justice Matheka tamin'ity tranga farany ity fa:

How do we put a monetary value to that process where a woman bears the pregnancy, gives birth, and takes care of the babies and where after divorce or separation she takes care of the children single-handedly without any help from the father of the children.

Ahoana no ametrahantsika ny sanda ara-bola amin'izany dingana izany izay mitondra vohoka, miteraka ary mikarakara ny zaza ny vehivavy ary aorian'ny fisaraham-panambadiana na fisarahana dia mikarakara irery ny zaza tsy misy fanampiana avy amin'ny rain'ny zaza izy.

Ny faneken'ny fitsarana ny fandraisan'anjara asa fikarakarana tsy misy karama ataon'ny vehivavy ho an'ny fananganana ny fananana ara-panambadiana dia zava-dehibe amin'ny fanombohana resaka momba ny karama amin'ny asa fikarakarana. Afaka mamporisika ny fitsarana any amin'ny faritra Afrika Atsinanana sy any amin'ny faritra hafa ihany koa ny didim-pitsarana mba handraisana fepetra liam-pivoarana amin'ny resaka asa fikarakarana.