RV Newsletter: Mankalaza ny tononkalo amin'ny fiteny indizeny

Fanamarihan'ny Rising Voices: Manome famintinana ireo lahatsoratra bilaogy vao haingana miresaka momba ny lafiny rehetra mahakasika ny fampiatiana ankihy toy ny fidirana sy ny fampiasana fitaovana ankihy, ary ny fomba sy hirika samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina handray anjara feno amin'ny aterineto ny taratasim-baovaontsika isam-bolana. Vakio eto ny fanontana teo aloha amin'ity gazety ity.

Mirary fety sambatra ry mpamaky malala!

Ao anatin'ny fotoana fohy dia hiditra ny taona 2022 isika, hanomboka ny Folo taona Iraisam-pirenena momba ny Fiteny Indizeny. Mientanentana toa anay ve ianao?

Ao anatin'ny toe-tsaina tia mizara, te-hanolotra tononkalo voafantina avy amin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonintsika midadasika Global Voices izahay, tononkalo izay voatonina tao amin'ny Tsenan-kevitra akademika Iraisam-pirenena faharoa: Fampandrosoana Lovainjafy ny Teny Indizeny notontosaina tany Korea Atsimo tamin'ny faran'ny volana Novambra.

Ireo poeta sy ny fiteny iasàny avy:

Ankafizo!

BEBE KOKOA AVY AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES

Ao anatin'ity laharana ity, tianay ny hampahafantatra anao vondrona tanora Champani, monina ao Kambodza, izay nanolo-tena hiaro ny fomban-drazanan'izy ireo manokana ara-kolontsaina. Vakio ary fantaro ny zavatra nataon'izy ireo sy izay kasain'izy ireo hatao, na an'aterineto na ivelan'ny aterineto, mba hanomezna indray ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo. → “ “Mahita fomba vaovao hampiroboroboana ny kolontsain'izy ireo ao anatin'ny valan'aretina ny tanora Champani any Kambodza (mg na amin'ny teny malagasy)”

Miasa amin'ny tetikasa hamelomana indray ny tenin-drazanao manokana mba hamonjena azy tsy ho lany tamingana ve ianao? Mikasa ny hanohana tetikasa 15 amin'ny taona ho avy ny Wikitongues amin'ny alàlan'ny Fanamafisana ny Fanavaozana ny Fiteny. Jereo eto raha mila ny antsipiriany momba ny fangatahana. Faran'ny fangatahana: 23 Janoary 2022

FITAOVANA & LOHARANO

Manomana programa fanofanana fahaizana mamaky teny ankihy anao manokana nefa tsy fantatrao hoe aiza no hanombohana? Mino izahay fa natao ho anao ity boky torolalana Fampidirana Startup nomerika feno (Digital Inclusion Startup Manual) ity. Afaka mahita tsy ny lisitra fanamarinana amin'ny antsipiriany momba ny fampitaovana ihany ianao fa hahita loharano maimaim-poana koa ho an'ny hevitra sy fitaovana momba ny fandaharam-pianarana ao amin'izany boky torolalana izany. Misaotra ny National Digital Inclusion Alliance!

FIKAROHANA

Ankehitriny, ahoana ny ataon'i Aostralia amin'ny resaka fampiatiana ankihy amin'ity taona ity? Ao amin'ity tatitra famintinana navoaka vao haingana ity, milaza amintsika ny fomba fandrefesana ny fampidirana nomerika ao amin'ny firenena sy ny anjara asan'ireo sehatra samihafa (na mety ho nananany) ny ekipan'ny mpikaroka. Te hiaraka aminay amin'ny fijerena ny fikarohan'izy ireo sy hijery izay azontsika ianarana avy amin'ny zava-niainan'izy ireo ve ianao?

RAHA HAMAKY, HIJERY SY HIHAINO BEBE KOKOA

 

Misorata anarana amin'ny Gazety Rising Voices

Subscribe to the Rising Voices Newsletter

 

 

Misaotra an'i Eddie Avila sy Ameya Nagarajan nandray anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.