- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Very ka hita: Fampodiana ny sarivongan'i Laxmi-Narayan tao Patan ao amin'ny Lohasahan'i Kathmandu

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Saripika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
Patan Durbar Square, a World Heritage Site in Kathmandu Valley’s Lalitpur District. Photo by Sunil Sharma. Used with permission.

Kianja Patan Durbar, vakoka Iraisam-pirenena ao amin'ny Distrikan'i Lalitpur ao amin'ny Lohasahan'i Kathmandu. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Tsy an-jatony fa an'arivony ireo sary sokitra sy zava-kanto  [1]nisy nangalatra tao amin'ny Lohasahan'i Kathmandu nanomboka tamin'ny taona 1950. Nesorina tao amin'ny toeram-pivavahana, ary napetraka tany amin'ny fanangonana manokana ataon'ny olo-tsotra sy tranombakoka zavakanto. Taorian'ny namoahan'ilay mpahay tantara momba ny zavakanto Lain Singh Bangdel ny boky tena malaza Stolen Images of Nepal (Sarin'i Nepal nangalarina) [2] tamin'ny taona 1989, natomboka ny fampodiana ireo vakoka ireo. Na izany aza, ampahany amin’ireo entana voaroba ihany no tafaverina an-tanindrazana.

Ny fametrahana indray ny sarivongan'i Laxmi-Narayan [3] antsasany lahy ary antsasany vavy tao amin'ny Patko ao Patan [4] no ohatra farany tamin'ny fiverenan'ireo sarivongana nangalarina. Nalaina tamin'ny taona 1984, nataon'i [5]Sotheby lavanty tamin'ny vidiny sahy ambony indrindra [5] tany New York tamin'ny taona 1989  ny sarivongana varahina tamin'ny taonjato faha-12 ka hatramin'ny faha-15 ary nampindramina [6] ny Mozean'ny Zavakanto Dallas.

Raha nahita ilay sary manjavozavo an'i Laxmi-Narayan tao amin'ny Tranombakoka Dallas i Joy Lynn Davis [7], mpanakanto, mpikaroka ary mpanorina ny Tetikasa Vakoka Ara-javakanto sy Ara-kolontsaina Himlayan, raha nanao fikarohana Google momba ny tetikasany Mahatsiaro ireo sary sokitra very tao Kathmandu [8], dia nahafantatra avy hatrany ilay sarivongana. Nolokoiny [8] tamin'ny volamena 23 karat ireo sary nangalarina ary naveriny an-tanindrazana tamin'ny toerana misy azy avy.

Miramirana i Joy nahita ilay sarivongana tafaverina tany amin'ny toerana niaviany, ny Tempolin'i Narayan, tamin'ny 4 Desambra 2021.

Na dia nandoko an'i Lakshmi-Narayan 2013-14 aza aho ary nahita izany tao amin'ny @DallasMuseumArt [10] tamin'ny taona 2015, androany no fotoana voalohany nihaonako manokana tamin'i #LaxmiNarayan [11]. Misaotra anao nanapika sary ny fotoana, @KanakManiDixit [12] !

Dr. Emiline Smith, mpampianatra momba ny heloka bevava ao amin'ny Oniversiten'i Glasgow, nisioka hoe:

🎉 Tonga ao an-tanindrazana i Laxmi-Narayan! 🎉 Natao tamin'ny alalan'ny fiaraha-miasan'ireo antoko maro samihafa, andro tena nahafaly ny androany ary tena zava-dehibe ho an'i Patan, Lohasahan'i Kathmandu ary Nepal

Naka sary ny fiverenana sy ny fametrahana indray an'i Laxmi-Narayan tamin'ny alalan'ny fakantsariny ilay mpaka sary Sunil Sharma [22] .

The statue of Laxmi-Narayan being taken to Patan Museum after it was handed over to Nepali custody. Photo by Sunil Sharma. Used with permission

Nentina tany amin'ny Mozea Patan ny sarivongan'i Laxmi-Narayan rehefa nafindra tany amin'ny fitazonana Nepaley. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

The half male and half female statue of Laxmi-Narayan. Photo by Sunil Sharma. Used with permission.

Ny sarivongan'i Laxmi-Narayan antsasany lahy sy atsasany vavy. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

The idol of Laxmi-Narayan being taken on a palanquin to Narayan Temple, its home, from Patan Museum. Photo by Sunil Sharma. Used with permission.

Ny sampin'i Laxmi-Narayan nentina tamin'ny filanjana ho any amin'ny Tempolin'i Narayan, fonenany, niainga avy ao amin'ny Mozean'i Patan. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

 

The pedestal cleared for re-installation of Laxmi-Narayan. Photo by Sunil Sharma. Used with permission.

Nodiovina ny fitoeran-tongony hamerenana an'i Laxmi-Narayan. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana ny fampiasàna azy.

The Narayan Temple, abode of Laxmi-Narayan. Photo by Sunil Sharma. Used with permission.

Ny Tempolin'i Narayan, fonenan'i Laxmi-Narayan. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana

The idol of Laxmi-Narayan re-installed at the Narayan Temple. Photo by Sunil Sharma. Used with permission.

Ny sampin'i Laxmi-Narayan napetraka indray tao amin'ny tempolin'i Narayan. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Niverina tao amin'ny fonenany Andriamanitra ary napetraka ny rafitra fiarovana maoderina [23] mba hiarovana ny maha-andriamanitra. Na izany aza, sarivongana maro no mbola miandry [24] ny fampodiana azy ireo, ary mbola zavatra tranainy maro kokoa avy any Nepal no mbola misy mangalatra [25] — toy ny halatra farany an'i Bhairav ​​tao Halchowk ao Kathmandu.

Mampalahelo tokoa ny mahafantatra fa nisy nangalatra tao amin'ny toerany omaly alina i Halchowk Bhairab. 🙁