- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maty teo amin'ny faha-77 taonany ilay Rosiàna mpamokatra sarimihetsika, Sergei Solovyov dies at 77

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Mediam-bahoaka, Mozika, Sarimihetsika, Tantara, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina, Akon'ny RuNet
Sergei Solovyov in 2017. Image by Svklimkin, CC BY-SA 4.0, via Wikimedia Commons. [1]

Sergei Solovyov tamin'ny 2017. Sary an'i Svklimkin, CC BY-SA 4.0 [2], tao amin'ny Wikimedia Commons [3].

Maty noho ny fitsaharan'ny fitepon'ny fony i Sergei Solovyov, Rosiàna talen'ny famokarana sarimihetsika fanta-daza tamin'ny fahombiazany tany amin'ny andian-taona 1980s tany. 77 taona izy tamin'ny fotoana nodiany mandry, ny 13 Desambra.

Fantatra bebe kokoa i Solovyov tamin'ireo sarimihetsika novokariny manoritsoritra ny fiovàna nahamay teo amin'ny fiarahamonina rosiàna sy sôvietika, nitranga tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 1980, vanimpotoanan'ny perestroika [4] (vanimpotoana nanavaozana ny rafitra politika sy toekarena) sy ny glasnost, [5] fanavaozana pôlitika naroson'ny filoha Sôvietika Mikhail Gorbachev.

Ny sarimihetsika tena be mpiresaka indrindra vitan'i Solovyov, Assa [6], dia nivoaka tamin'ny 1987, nambabo tanteraka sy niraikitra tam-pon'ny vahoaka sôvietika, nitondra ireo hevitra fanovàna ara-pôlitika sy ara-piarahamonina ho any amin'ny daholobe. Noho ny fomba fijery andrana narosony momba ny fitantaràna, nanasongadinany ireo ampahany misy nofinofy sy ireo fanamarihana eny ambanin'ny pejy manazava ireo tenin-jatovo fampiasa any an-katakonana, ireny no nahamarihana ilay sarimihetsika. Ny feonkira famantarana azy [7] dia nandrenesana ireo hira an'ilay mozisiàna malaza mpiangaly gadona rock sôvietika Viktor Tsoi [8] sy ny tarika nisy azy Kino [9] ary feon-javamaneno nataon'ilay iray nalaza, Boris Grebenshchikov [10] (malazan'ny Aquarium [11] ). Noraràn'ireo Sôvietika manampahefana ny mozikan-dry zareo talohan'ny nivoahan'ny sarimihetsika novokariny, ary lasa endrika manandanja amantarana ny fahafahan'ny tontolon'ny rock sôvietika i Assa.

Androany ilay sarimihetsika dia afaka jerena [12] ao amin'ny tranonkala ôfisialin'ny  “Mosfilm film studio“, sy ao amin'ny YouTube [13] (miaraka amin'ny fandikanteny anglisy).

Nanana asa niezinezina tokoa i Solovyov tamin'ny naha-tale, mpanoratra tantara an-tsehatra sy mpamokatra azy, nefa koa nanatontosa seho an-tsehatra maro. Nandritra ny fotoana elabe niasàny, 30 mahery [14] ireo sarimihetsika vitany, ary ilay tamin'ny 2020 no tena akaiky indrindra. Tao Berlin tamin'ny 1975, ny sarimihetsika novokariny “One Hundred Days After Childhood” – Zato Andro Taorian'ny Fahazazàna – dia nahazo ny loka Silver Bear ( Orsa volafotsy) natao ho an'ireo tale mendrika indrindra, raha ny “The Stray White And The Speckled” -Ilay Fotsy Very sy ilay Sada –  kosa nahazo ny loka manokana nandritra ny Fetiben'ny Sarimihetsika tao Venise tamin'ny 1986. Tamin'ny 1993, natolotra ho an'i Solovyov ny anaram-boninahitra Mpanakanton'ny Vahoaka ao Rosia [15].