- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ahoana ny mety hampiatoan'ny fanonganam-panjakana nataon'i Burhan an'i Sodàna tsy hiditra ao amin'ny fianakaviambe iraisampirenena

Sokajy: Afrika Mainty, Sodàna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
Sudan Millitary Coup: Photo creditAgence France-Presse, CC0, via Wikimedia Commons

Fanonganam-panjakana Miaramila [1] Sodana: Sary nahazoan-dalana Agence France-Presse, (CC0 1.0) Sudan Military Coup [1]: Photo credit Agence France-Presse, (CC0 1.0) [2]

Nitarika fanonganam-panjakana tao Sodàna tamin'ny 25 Oktobra 2021 ny Jeneraly Burhan — filohan'ny Filankevitry ny Fiandrianam-pirenena Sodaney. Nohamarinin'ny Jeneraly Burhan ny fanonganam-panjakana tamin'ny Alatsinainy, tamin'ny filazana [3]fa nilaina izany mba “hisorohana ny ady an-trano” ary nanome tsiny ny ady politika anatiny izy. Nosamborin'ny polisy tao ambadiky ny fanonganam-panjakana ny praiminisitra Abdalla Hamdok, niaraka tamin'ireo minisitra sy mpanao politika maro [4].

Namaly ny fanonganam-panjakana tamin’ny fomba maro ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Niampanga [5] ny fanonganam-panjakana i Etazonia ary nampiato ny fanampiana 700 tapitrisa dolara Amerikana ho an'i Sodana. Samy nanameloka ny fanonganam-panjakana ara-miaramila ny UK sy ny Vondrona Eoropeana [6] ary nampiato [7] ny maha-mpikambana an'i Sodàna ny Vondrona Afrikana ary nilaza ny fanonganam-panjakana ho “tsy mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana”.

Antso handravana ny governemanta

Tamin'ny 16 Oktobra 2021, nosoniavin [8]‘ny vondrona iray nilaza ny tenany ho Vondron'ny Fifanaraham-Pirenena (NAG) rehefa nisintaka tao amin'ny Tafiky ny Fahalalahana sy ny Fanovàna na Forces of Freedom and Change [9] (FFC) — izay fiaraha-mitantana nitondra ny firenena amin'ny vanim-potoana tetezamita — ny Satan'ny Fifanarahana Nasionaly handravana ny kabinetran'ny tetezamitan'i Sodàna [10]. Nitranga ny fiantsoana ny fandravana noho ny disadisa teo amin'ny governemanta Sodaney, ny FFC, sy ny vondrona mitam-piadiana sasany ary vondrona politika madinika. Anisan'ireo nanao sonia ny Hetsika/Tafika Fanafahana an'i Sodàna notarihin'i Minni Minawi, izay governoran'ny faritr'i Darfur ihany koa; ny Hetsika Rariny sy Hitsiny [11] (JEM); Altom Hajo, mpikambana ao amin'ny Filankevitry ny mpiara-miombon'antoka ary mpitarika ny lalana afovoany amin'ny fifanarahana Juba ho an'ny fandriampahalemana ao Sodàna; sy Mubarak Ardol, mpitarika ny Fiaraha-mientana Demaokratika ho an'ny Rariny ara-tsosialy [12], ary ny tale jeneralin'ny orinasa Sodaney misahana ny harena an-kibon'ny tany.

Nangataka ny fanitarana ny fototry ny tetezamita ny NAG tamin'ny alalan'ny fampidirana ireo antoko politika sy fironana hafa- voambolana ampiasaina hanondroana ireo antoko politika madinidinika ao Sodàna ho fironana [13] ho avy, amin'ny fiaraha-mientan'ny FFC sy ny governemanta satria nahatsiaro ho voahilikiliky ny antokon'ny fitondrana izy ireo. Nikarakara sit-in teo anilan'ny lapan'ny repoblika tao Khartoum izy ireo, hetsika izay voalaza [14] fa nahitana fiantsoana ny fahefana ara-miaramila [15] sy antso handravana ny governemanta [16].

Nanamarika ireo mpikatroka Sodaney dia fa maro amin'ireo mpitarika sit-in no manampahefana ao amin'ny governemanta amin'izao fotoana izao. Nokarakarain'ny Minisitry ny Fitantanam-bola Gibril Ibrahim, mpitarika ny JEM, Minni Minawi, Altom Hago, ary Mubarak Ardol. Mpikatroka maro no niditra tao amin'ny media sosialy mba hiresaka momba ity hetsika ity, manontany tena hoe ahoana no ahafahan'ny manampahefana ao amin'ny governemanta mitaky fanavaozana nefa tsy misy mandrahona ny sezany eo amin'ny fitondrana.

Hoy i Hoshi, mpikatroka Sodaney iray:

Lasa minisitra sy governoran’ny faritra i (Gibril) sy (Minawi) ary nahazo ministera mihoatra ny 7 sy departemanta ampolony sy filankevitra am-polony tao amin’ny fitondrana tetezamita tamin’ny alalan’ny Fifanarahana momba ny fandriampahalemana Juba niarahana nosoniavina tamin’ny (Fahafahana sy Fanovana), fa tsy tamin’ny alalan’ny (Fahafahana sy Fiovana). Ny fanontaniana dia aiza ny fanilihana eto??

Nanoratra tao amin'ny Twitter [20] momba ny fahavononan'i Sodàna [21] hanaisotra ireo olom-pireneny mpikarama an'ady hiala an'i Libya i Hatim Elmadani [22], mpanorina ny Fikambanan'ny Haino Vaky Jery Fanadihadiana ao Sodàna. Manana fifandraisana amin'ny Hetsik'i Jibril sy Minawi ireo mpikarama an'ady Sodaney ireo, noho izany dia manohana ny fanonganam-panjakana izy ireo mba hamatsiana ny fiverenan'ny milisiny avy any Libia satria mety tsy hamatsy vola izany ny governemanta sivily. Hoy i Hatim:

Betrayal of the mercenary government: What does the taxpayer or the citizen have to do with helping cheap mercenaries?? Why are they allowed to return or even enter Sudan in the future? Now, do you know why they staged a military coup at this time?

Famadihan'ny fitondrana mpikarama an'ady: inona no idiran'ny mpandoa hetra na ny olom-pirenena amin'ny fanampiana ireo mpikarama an'ady mora?? Nahoana izy ireo no avela hiverina na hiditra an'i Sodàna rahatrizay? Ankehitriny, fantatrao ve ny antony nanaovan'izy ireo fanonganam-panjakana ara-miaramila tamin'izany fotoana izany?

Nilaza ny mpikatroka sasany fa mandray anjara amin'ity hetsika ity i Ardol mba hiarovana ny tenany amin'ny fiampangana ny kolikoly. Nandefa farangoteny #أردول_فاسد [23] — #Ardoliscorrupted ny vahoaka Sodaney. 

Naloan'ny olompirenena ao Sodàna amin'izao fotoana izao ny kolikoly sy ny fahadisoam-panantenana tamin'ny fitondrana teo aloha momba ny lalàna. Na ny zavatra nataon'i Mubarak Ardol aza dia kolikoly ihany, ary tena malemy sy tsy miakatra amin'ny ambaratonga hoe misy tanora sy antitra nikomy tamin'ny tsy rariny sy ny kolikoly ny fanapahan-kevitra noraisina. Raha mangina dia midika izany fa ratsy kokoa ny manaraka.

 

Ny mety ho antony ara-bola nahatonga ny fanonganam-panjakana

Tamin'ny sioka nalefa tamin'ny 31 Oktobra 2021 [28], nilaza i Kenneth Roth, tale mpanatanteraka ny Human Rights Watch fa mety ho misy antony ara-bola ny nahatonga ny fanonganam-panjakana.

Antony lehibe iray ao ambadiky ny fanonganam-panjakana ao Myanmar sy Sodàna ny tombotsoa ara-barotra goavana ho an'ny miaramila roa tonta, izay tsy tian'izy ireo hafoy na omena hofehezin'ny sivily. Ny tombonsoa no tadiavin'ny jeneraly alohan'ny demaokrasia.

Mitondra mankany amin'ny finoana izany ny fandroahan'i Buhran an'i Farouq Kambareesi [32], tale jeneraly lefitry ny Banky Foiben'i Khartoum, satria tsy nety nanaiky ny fampindramam-bola ho an'ny departemantan'ny indostrian'ny miaramila [33] izy.

Fifaharam-bahoaka sy fahanginam-pifandraisana

Rehefa nahare ny fanonganam-panjakana tamin'ny 25 Oktobra ny vahoaka Sodaney, dia nidina an-dalambe izy ireo [34], nitsipaka ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila. Nakaton'ny manam-pahefana ny fomba fifandraisana rehetra, anisan'izany ny aterineto, ny finday ary ny SMS. Nanameloka ny fahatapahan'ny fifandraisana ny Access Now sy ny fikambanana iraisam-pirenena hafa.

MAFANA: Taorian'ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila, dia nanomboka nanakatona ny fidirana amin'ny aterineto & tolotra fifandraisandavitra ny manampahefana Sodaney androany.

Miampanga ny fanakatonana izahay ary manentana ny manampahefana hamerina izany amin'ny laoniny.

Fanakatonana aterineto ao Sodàna: Ny tantara ambadiky ny isa sy ny antontanisa [39]

Tao anatin'ny roa taona farany [39], niaina fanakatonana aterineto roa lehibe ny vahoaka Sodaney izay nanelingelina fatratra ny fifandraisana fototra sy ny fifanakalozam-bola nandritra ny vanim-potoana mavesatra ara-politika. Tao anatin'ny revolisiona izay nitarika ny fandroahana an'i Omar al-Bashir, mpanao didy jadona hatry ny ela, nosakanan'ny governemanta Sodaney ny fidirana amin'ny media sosialy [40] amin'ny Facebook, Twitter, WhatsApp ary Instagram tamin'ny 19 Desambra 2018.

Torak'izany ihany koa, indray andro taorian'ny fanonganam-panjakana amin'izao fotoana, navelan'ny manampahefana ho an'ny servisy banky an-tserasera ihany ny antso an-telefônina sy ny aterineto [41]. Nanohy ny fihetsiketsehana teny an-dalambe ny vahoaka Sodaney ary niantso diabe an-tapitrisa tamin'ny 30 Oktobra. Ny marainan'ny 30 Oktobra, notapahin'ny manampahefana mpanongam-panjakana indray ny antso an-telefônina sy SMS hisorohana ny fifandrindrana eo amin'ny komitim-pifaharana [42]. Tsy nahasakana ny vahoaka Sodaney ity fahatapahana ity, satria olom-pirenena maherin'ny efatra tapitrisa no nidina an-dalambe mba hanameloka ny fanonganam-panjakana ara-miaramila ary nitaky ny hamerenana ny governemanta sivily amin'ny laoniny, araka ny tombatomban'ny Sky News Arabia [43].

Naneho hevitra momba ny diabe i Osman Ay Farah, mpanolotra fandaharana ao amin'ny Al Jazeera, nanao hoe:

 Any Sodàna ankehitriny, tsy mila mijery tele ianao vao hahalala ny zava-mitranga. Mila manokatra ny varavarankely fotsiny ianao.

Nandeha nanohana ny rahalahiny sy anabaviny tany Sodana ny vahoaka Sodaney ampielezana. Tany Washington D.C., an'arivony no nanao diabe hanohana ny fitondrana sivily tany Sodàna.

Mpanao fihetsiketsehana avy any Sodàna tao Washington D.C nanohitra ny fanonganam-panjakana nataon'ny miaramila tany Sodàna 30/10/2021#KeepEyesOnSudan #مليونية30اكتوبر p

Natrehin'ny Vondrona Fifanaraham-pirenena (NAG) tamin'ny herisetra tafahoatra ny fihetsiketsehana am-pilaminana. Araka ny tatitra avy amin'ny Komity Foiben'ny Dokotera Sodaney (CCSD), olona 11 no maty nanomboka ny 25 Oktobra, andron'ny fanonganam-panjakana.

Komity Foiben'ny Dokoteran'i Sodàna (CCSD)
(Tatitra vaovao momba ny ratra sy ny fahafatesana nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 30 Oktobra):
– Maritiora roa tao amin'ny Hopitaly Omdurman, ary ny fahatelo tao amin'ny Hopitaly Al-Arbaeen ao Omdurman, ka 11 ny fitambaran'ny isan'ny maty voarakitra an-tsoratra

Ny ampitson'ny diabe an-tapitrisa noafahan'i Burhan ny sasany tamin'ireo mpikambana ao amin'ny fitondrana Islamista al-Bashir voaongana [50] anisan'izany i Ibrahim Ghandour — filohan'ny antoko NCP [51] efa rava izay noafahana [52] avy eo nosamborina indray. Navotsotra ihany koa i Mohamed Tabidi sy Al-Shazali, izay tompon'andraikitra tamin'ny fampihorohoroana, fanagadrana, ary fanenjehana mpanao gazety, ary i Mohamed Ali Algozouli [53], Islamista hiringiriny mifandray amin'ny ISIS, izay nogadraina indray 24 ora taoriana [54].

Olona maro no lasa saina amin'ny fomba fisainan'i Burhan, satria vao haingana i Sodàna dia no niasa hanatsara fifandraisana amin'ny fianakaviambe iraisam-pirenena taorian'ny sazy am-polony taona maro niaretany. Vokatry ny fanonganam-panjakana, nohidin'ny Banky Iraisam-pirenena ny fanampiana ho an'i Sodàna [55] ary ny nanafoana ny fitsapana PLAB 1 tao Khartoum ny Vaomieram-Pitsaboana Ankapobeny [56] izay midika fa voafetra ny fisoratana anarana ho an'ireo dokotera mahafeno fepetra ivelan'ny UK ary maniry ny hanao fitsaboana any UK.

Ny fanontaniana dia hoe, hiala an'io toerana vaovao io ve i Burhan sy i Hemeti sa hoesorin'ny vahoaka tahaka ny nataon'izy ireo an'i Al-Bashir [57]