- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sarotra ny manakana ny vaovao faikany ao amin'ny WhatsApp. Zava-dratsy ve izany?

Sokajy: Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Etazonia, India, Fahalalahàna miteny, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

(Lahatsoratra tamin'ny volana Aogositra 2017)

[1]

Sary tao amin'ny Pixabay. Avy amin'ny Sehatra ho an'ny Daholobe.

Noho ny fitomboan'isan'ny mpisera an-tambajotra sosialy ao India [2] haingana, nanjary tranga niparitaka be tato anatin'ny taona vitsivitsy ny fanaparitahana vaovao tsy marina.

Ilay antsoina hoe “fampahalalam-baovao tafahoatra” no nanasarotra ny fanasarahana ny vary amin'ny tsiparifary, ary amin'ny tranga sasany, ny vaovao diso niely tamin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy dia toa nanafaingana ny fisian’ny herisetra tamin’ny fiainana andavanandro, ka indraindray miteraka vokany mampidi-doza [3].

Tamin'ny tranga iray vao haingana, naneho ny hatezerany ireo mpisera Twitter ao India rehefa nizara sary tsy mifanaraka amin'ny odidina (tokotanin-tsehatra misy ny zava-nitranga) ny mpikambana iray ao amin'ny antokon'ny fitondrana, amin'ny toa ezaka handranitana fihenjanana eo amin’ny fiarahamonina nandritra ny korontana tao amin'ny fanjakana Indiana any Bengal Andrefana. Maro ireo sary toy izany [4] no nivezivezy tamin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy mba hanodinana ny saim-bahoaka tamin'ity vanim-potoana ity. Tamin'ny taona 2015, nisy sary inoana fa sandoka niparitaka tamin'ny alàlan'ny WhatsApp ary nampifandraisina tamin'ny famonoana [5] lehilahy Miozolomana iray tany India taty aoriana, noho ny fiahiahiana azy ho namono omby.

Any India, mety ho dingana voalohany hanenjehana ny mpandefa azy ny fitateram-baovao diso amin'ny polisy araka ny lalàna Indiana [6] araka ny Andininy faha-67 amin'ny lalàna mifehy ny teknolojian-tserasera, raha heverina fa “manimba ny sain'ny tanora” ny vaovao, na ny andininy faha-468 amin'ny IPC raha heverina ho “manimba” ny lazan'ny olona iray ny vaovao. Saingy sarotra ny mampihatra amim-pahombiazana ny politika tahaka ireny, mahatonga hatrany ny fanenjehana amin’ny fahalalahana maneho hevitra.

Miha-mihetsika hatrany ihany koa ny fiarahamonim-pirenena anjotra tahaka ireo mpanao asa soa avy amin'ny sehatra samihafa, manao hetsika maro mitoroka ny vaovao diso [7] sy mampiseho fa tsy marina ilay vaovao. Saingy nampiseho ny fikarohana fa matetika tsy haingana na feno ny tatitra ataon’ny sivily momba [6] ny vaovao sandoka mba hanakanana ilay olana.

Amin'izao fotoana izao, ny orinasan’ny tambajotra sosialy ihany no tena afaka mampiato ny vaovao sandoka an-tserasera. Saingy mbola tsy tapa-kevitra ny manam-pahaizana momba ny mety hanovan'ny orinasa ny politikany – amin'ny safidy na amin'ny fitsipika – mba hampihenana ny olana.

Ny fanitsiana “fironana” ao amin'ny Facebook

Amin’ny toeram-piparitahan'ny vaovao sandoka azy dia lasa ivon'ity adihevitra ity ny Facebook. Taorian'ny fifidianana Amerikana tamin’ny taona 2016, niampanga ireo mpitsikera [8] fa mety namolavola ny vokatry ny fifidianana Amerikana ny fiparitahan'ny tantara tsy marina manoso-potaka an'i Hillary Clinton, miparitaka tao amin'ny Facebook tamin'ny ankapobeny. Niteraka adihevitra amin'ny fomba ahafahan'ny Facebook mandanjalanja ny vaovao diso ao amin'ny tambajotran'izy ireo ny fiampangana, amin'ny fanovana ara-teknika [9] maro ataon'ny Facebook, mba hahatonga ny tambajotrany ho hentitra amin'ireo mpizara vaovao sandoka.

Vao haingana, nanavao [9] ny fomba fiasany amin’ny “Trending” (Fironana) ny Facebook. Tsy toy ny teo aloha, ka miseho ao amin'ny zoro “ironana” ireo lahatsoratra betsaka miditra indrindra, fa ireo lahatsoratra zarain'ny “loharanom-baovao malaza” hafa ihany no hiseho ao amin'ny zoro ironana. Asaina koa ny mpisera handray anjara amin'ilay rafitra amin'ny alàlan’ny fitoriana mivantana any amin'ny orinasa ireo tati-baovao diso.

Saingy nilaza i Mark Zuckerberg tale jeneralin’ny Facebook [10]fa sarotra ny miantehitra amin'ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpisera, izay mety hanamarika ny votoaty marina ho diso, noho ny tombontsoany. Raha ny marina, toa manondro ny fikarohana vao haingana [11]fa tsy mahay manavaka ny votoaty an-tserasera marina sy hosoka ny ankamaroan'ny olona. Ny ankamaroan'ny vaovao azontsika ao amin'ny tranokalan'ny media sosialy dia avy amin'ireo manodidina antsika (ary atokisan'ny ankamaroantsika noho izany), ka mahatonga ny media sosialy ho sehatra mety indrindra amin'ny fampielezana vaovao sandoka.

Ny hany azo antoka dia ny fisian'ny fandrika lehibe ho an'ny sampan-draharaha rehetra — na orinasa, na governemanta, na olon-tsotra – izay mikendry ny hanavaka ny vaovao marina amin’ny sandoka.

Noho ny fanafenantsoratra, tsy afaka manova hafatra ny WhatsApp

Voalaza fa malaza be amin'ny WhatsApp [12] ireo ohatra rehetra any India voalaza etsy ambony ireo raha mbola miely patrana amin'ny sehatry ny media sosialy mahazatra ihany koa ny vaovao diso. Satria lasa sehatra manan-danja ho an'ny vondrona mpinamana sy ny sehatra fampahalalam-baovao amin'ny fanaparitahana vaovao sy torohay ny fampiasa fandefasan-kafatra amin'ny aterineto, dia lasa fitaovana ihany koa izy io hanaparitahana vaovao sandoka.

Saingy lasa sarotra kokoa ny zava-miseho rehefa miparitaka amin'ny WhatsApp ny fampahalalam-baovao sy ny vaovao.

Ny WhatsApp (izay an'ny Facebook) no fampiasa fandefasana hafatra [13] malaza ho an'ny mpampiasa finday any ivelan'i Etazonia. Matetika mora kokoa ny miditra amin'ny alàlan'ny finday noho ny miditra amin’ny Facebook na sehatra hafa mitondra hadirim-botoaty sy kaody mavesatra kokoa.

Saingy mifanohitra amin'ny teknôlôjia mitaty ny Facebook, izay ahafahan'ny orinasa mahita sy mamakafaka izay zavatra alefan’ny mpisera dia tsy afaka mijery ny votoatin-kafatry ny mpisera ny mpandraharahan’ny WhatsApp.

Mampiasa fanafenam-botoaty manko ny WhatsApp, ka ny mpandefa (amin'ny andaniny) sy ny mpandray (amin'ny ankilany) ihany no afaka mamaky ny hafatra. Tombony ho an'ny mpisera — ao anatin'izany ny mpanao gazety sy ny mpiaro ny zon'olombelona — izay maniry ny hitazona ny fifandraisan'izy ireo manokana tsy ho takatry ny fanaraha-maso ataon'ny governemanta ity endri-drafitra ity.

Saingy miteraka sakana lehibe izany raha ny fiparitahan'ny vaovao diso no resahina. Tamin’ny  resadresaka nifanaovana tamin'ny Economic Times [14] vao haingana, nanazava ny injenieran’ny rindrambaiko WhatsApp Alan Kao fa manasarotra ny fiatrehana ny fanamby amin'ny vaovao sandoka ny antony fototra fanafenam-botoaty ao amin'ny WhatsApp, satria tsy misy fomba hahitan'ireo mpandraharaha WhatsApp izay karazam-baovao miparitaka amin'ny tambajotrany, raha tsy hoe angaha ireo mpisera no mitatitra izany amin'izy ireo mivantana.

Tahaka ny vokatra hafa izay an'ny Facebook, manana  politika [15]m-pampiasana azo ekena ny WhatsApp izay mandrara ny fampiasana ny fampiasa, ankoatra ny zavatra hafa, hamoahana ny “vaovao diso, fandisoan-kevitra, na fanambarana lainga.” Saingy toa soso-kevitra fotsiny izany fa tsy fitsipika henjana sy haingana. Tsy manolotra fomba mora ampiasaina hitaterana votoaty manitsakitsaka fitsipika ny fampiasa, ankoatra ny safidy “Report Spam” ao amin'ny Fanontaniana miverimberina momba ny fitoriana ireo “olana” [16] amin'ny WhatsApp. Hoy ny nosoratan'ny orinasa:

We encourage you to report problematic content to us. Please keep in mind that to help ensure the safety, confidentiality and security of your messages, we generally do not have the contents of messages available to us, which limits our ability to verify the report and take action.

When needed, you can take a screenshot of the content and share it, along with any available contact info, with appropriate law enforcement authorities.

Mamporisika anareo izahay hitatitra aminay ny votoaty ahitana olana. Tsarovy fa tsy mahita ny votoatin-kafatra azonay izahay amin'ny ankapobeny mba hiantohana ny tsiambaratelo sy ny fiarovana ny hafatrao, izay mametra ny fahafahanay hanamarina ny tatitra sy handraisana fepetra.

Raha ilaina dia azonao atao ny maka pikantsarin’ilay votoaty ary mizara izany, miaraka amin'izay fomba azo ifandraisana aminao rehetra, sy ny manampahefan’ny mpitandro ny filaminana voakasik’izany.

Na dia takatra mora foana aza ny antony handrisihan’ny orinasa ireo mpisera hitatitra ny fandikan-dalàna any amin’ny mpitandro ny filaminana, dia mety tsy hitondra vokatra tsara indrindra izany any amin'ny firenena tahaka an'i India (sy ny maro hafa). Indrindra raha nisy trangam-pisamborana [17] ireo olona nanakiana mpanao politika tao amin'ny WhatsApp. Ary tamin'ny volana Aprily 2017, namoaka didy ny fitsarana Indiana [18] fa mety ho voaheloka higadra noho ny lahatsoratra “manafintohina” ny mpitantana vondrona WhatsApp iray.

Na ahoana na ahoana, toa misy hatrany ny loza mety ateraky ny fanararaotam-pahefana tsy ara-drariny ataon’ireo manana herim-panintonana ao amin'ny aterineto.