- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitaky fepetra tsara kokoa hanatontosany ny asany ireo mpiasan'ny fahasalamana any Torkia

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fahasalamàna, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà, Siansa, COVID-19

 

Pikantsary avy amin'ny lahatsary navoakan'ny Fikambanana Mpiasan'ny Fahasalamana ao Tiorka Fantsona YouTube [1].

Nihovitrovitra hetsi-panoherana maromaro i Torkia tato anatin'ny herinandro vitsivitsy tao anatin’ny fitotongana [2]n’ ny sandam-bolam-pirenena sy ny fitohizan’ny  herisetra mifototra amin'ny fanavakavahana ny lahy sy ny vavy [3]. Tamin'ny herinandro lasa teo, nidina an-dalambe [4] ny vondrona hafa izay anisan’ny Diabe Fotsy nokarakarain'ny Fikambanan’ny Mpitsabo ao Tiorka (TMA). Nanao diabe avy any Istanbul nankany Ankara ireto mpiasan'ny fahasalamana ireto mba hisarihana ny saina amin'ny fepetra henjana atrehan'izy ireo nandritra ny valan’aretina, anisan'izany ny fandrahonana, ny ora lava amin’ny fiasana ary ny fahasahiranana ara-toekarena. Nanomboka tamin'ny 23 Novambra tao Istanbul ny Diabe Fotsy ary tonga tany Ankara renivohitra, tamin'ny 27 Novambra.

Mifampitady amin’ny governemanta

Niorina tamin'ny taona 1953 ny fikambanana mpiasan’ny fahasalamana Tiorka izay fikambanana ara-pitsaboana sy ara-pahasalamana tsy miankina. Iray amin'ireo tanjon’izy ireo ambony indrindra [5] ny hiaro sy hampiroborobo ny fahasalamam-bahoaka ao Torkia ary ny zon'ny mpitsabo ihany koa. Mpikambana ao amin'ity vondrona ity ny 88 isanjaton'ny [6] mpitsabo ao amin'ny firenena. Hatramin’ny nahitana ny tranga COVID-19 [4]voalohany tamin’ny 14 marsa 2020 dia nanakiana mafy ny politikan'ny governemanta ny TMA, indrindra ny antontanisa isan'andro nomen'ny Minisiteran'ny Fahasalamana. Nambaran’ny TMA fa ambony lavitra noho ny antontan’isa notaterin’ny minisitera ny isa tena izy. Rehefa nanangona ny antontanisa avy amin'ny biraom-paritany, ny TMA no voalohany namoaka [7] angondrakitra mifandraika amin'ny COVID tany Torkia, raha tsy nanao izany ny Minisiteran’ny Fahasalamana.

The TMA stressed that there were about 10 times as many active patients in society as those diagnosed with polymerase chain reaction (PCR) tests, and concluded that the government’s pandemic strategy was a failure.

Nohamafisin'ny TMA fa avo 10 heny eo ho eo ny isan'ireo marary ao amin'ny fiarahamonina raha oharina amin'ireo vita fitiliana PCR, ary nilaza izy ireo noho izany fa tsy nahomby ny paikadin'ny governemanta nifehezana ny valan’aretina.

Tamin'ny volana Septambra 2020,  niaiky [6] ihany ny minisitry ny fahasalamana, Fahrettin Koca, fa nanesorana ny [8] isan'ny marary tsy misy soritr’aretina ny angondrakitra navoakan'ny Minisitera nanomboka ny volana Marsa, izay nampidina ny isan'ny voan’ny COVID tany Torkia.

Tsy nahasakana ny fitondrana hanao lasibatra [9] ny fikambanana sy ny mpikambana ao aminy anefa izany. Rehefa nanomboka nanohitra ny isa notaterin'ny governemanta ny TMA tamin'ny volana Marsa dia voampanga ho namitaka [10] izy ireo ary norahonana fa hotsaraina [10]. Tamin'izany fotoana izany,  nilaza [11] i Devlet Bahceli, mpitarika ny Antokon’ny Hetsika Nasionaly, izay ao anatin'ny fiaraha-mitantana miaraka amin'ny antokon’ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana, fa mampidi-doza ny fikambanana ary manaparitaka vaovao mandrahona.

Izao no antso ataoko: Manampy trotraka ny fisalasalana sy ny ahiahy tsy mitombina mikasika ny fahasalamam-bahoaka mandritra izao fotoana mafampana izao ny Fikambanan'ny Mpitsabo eto Torkia. Noho izany antony izany, ny Fikambanan'ny Mpitsabo, izay misy ny anarana fotsiny hoe ‘Tiorka’, dia tokony hakatona avy hatrany ary tsy misy hatak'andro. Tokony handraisana fepetra araka ny lalàna ny mpitantana azy.

Nilaza i Bahceli fa miasa manohitra ny tombontsoan'i Torkia ny fikambanana. Namerina ny tenin’ny Filoha Erdoğan ny zavatra nolazainy, izay nilaza [13] tamin'ny volana Ôktôbra 2020 fa “tokony hanaisotra avy hatrany isika hoy izy ny tombontsoan'ireo izay tsy mendrika ny hanana Tiorka amin'ny anaram-boninahiny,” raha miteny tao amin'ny fivorian’ny antokony tao amin'ny parlemanta izy. Nanao fanamarihana mitovy amin’izany koa ny filoha tamin’ny taona 2018, nilaza [14] fa tokony esorin’izy ireo ny teny hoe “Tiorka” [15] amin'ny anaran'ny fikambanan'ny mpitsabo satria nanohitra ny fidiran'ny miaramila Tiorka tao Syria izany.

Ny zavamisy eny an-kianja

Raha iverenana resahana ny Diabe Fotsy, tapa-kevitra ny ao amin'ny fikambanana hampahafantatra ny fanamby atrehin'ny mpiasan'ny fitsaboana. Nomarihin'izy ireo fa nitarika ny mpitsabo maro ho any amoron-tevana ny valan’aretina raha mbola mitohy ny fandraisan’izy ireo ny karama kely [16] manoloana ny fitontonganan’ny sandam-bola nasionaly [2], ny fitomboan’ny ora sy ny rari-tsaina noho ny valan’aretina, ary ny fitomboan'ny tranga herisetra [17] atao amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana [16] tamin'ny Balkan Insight, nilaza i Vedat Bulut, profesora fitsaboana sady mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan’ny fikambanana fa mitombo hatrany ny isan'ny tranga izay iatrehan'ny mpiasan'ny fitsaboana herisetra. Vokatr'izany, “miala mitady asa tsara  kokoa amin'ny sehatra tsy miankina sy any ivelany ny dokotera mpitsabo. Nilaza tamin'ny Minisiteran'ny Fahasalamana Tiorka izahay fa tokony hampiharina ny fandrisihana sy ny politika tsaratsara kokoa mba hampitsaharana ny fironana, saingy tsy nisy na inona na inona natao,” hoy i Bulut . Mamoaka tatitra momba ny herisetra isam-bolana ny sendikan'ny mpiasan'ny fahasalamana sy ny asa sosialy (Sağlık-Sen). Araka  tatitra [18] tamin’ny volana Oktobra, mpiasan'ny fahasalamana miisa 19 farafahakeliny no niharan'ny herisetra tamin'io volana io. Saingy mihoatra ny 100.000 [19] ny isan'ny mpitsabo niharan'ny herisetra ara-batana sy am-bava tao anatin'ny iraika ambin'ny folo taona farany.

Ny teboka iray hafa nipoitra nandritra ny Diabe Fotsy ny momba ny fanapahan-kevitry ny Minisiteran'ny Fahasalamana vao haingana izay mampihena ny fotoana hanaovana fitiliana ara-pitsaboana ho dimy minitra any amin'ny tobim-pahasalamana ho an'ny ankohonana sy ny hopitalim-panjakana. “Hahatonga ny dokotera maro kokoa hametra-pialana na hifindra any ivelany sy hiteraka olana ara-pahasalamana bebe kokoa, aretina ary herisetra eo amin'ny sehatry ny fahasalamana ihany koa izany,” hoy ireo dokotera nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana nokarakarain'ny Fikambanan'ny Mpitsabo tamin'ny Oktobra 2021, araka ny nolazain’ny  tatitry [20]ny Gazety Duvar.

Tamin'ny 26 Novambra, rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Bursa ny Diabe Fotsy, dia hoy ny filohan'ny Sampan-draharahanan’ny Fitsaboana ao Bursa Alpaslan Turkkan hoe: “Tianay ny handaminana sy hanenana ny ora fiasanay isan-kerinandro; mila tontolon’ny asa azo antoka sy ara-pahasalamana izahay manoloana ny herisetra sy ny aretina; tianay ny hanasokajiana ho aretina mitaky lahasa ny COVID-19; satria tsy vita ao anatin'ny dimy minitra ny fizahana marary, tianay ny hanafoanana ity fanerena ity; mila karama mendrika anay izahay, izay misy fiantraikany amin'ny fisotroan-dronononay ary miantoka ny fiainana maha-olombelona.

Mivantana. Any Ankara ny Diabe Fotsy ataontsika.

Ny 27 Novambra, rehefa tonga tany Ankara,  nanavao [25] ny fitakiany ireo mpandray anjara tamin’ny diabe. Tsy mbola namaly ny Minisiteran’ny Fahasalamana.