- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Any Azerbaijan, mbola olana ny fitandrohana any an-tsekoly

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)

 

“Fitetezam-paritra hanajana ny fiadiana amin'ny fitandrohana 2009″ avy amin'ny Working Word, nampiasana lisansa CC BY-ND 2.0 [1]

Ao amin'ny kilasy famaranana amin'ny lisea any Baku i Ali Malikov. Sady tia lahy no tia vavy ihany koa izy. Efa an-taonany maro izy izay no niharan’ny fampijaliana tany an-tsekoly. Amin'izao izy amin’ny kilasy famaranana izao, manao ankivy ny sekoliny i Malikov ary nandà tsy hiditra an-dakilasy rehefa tsy nisy ny fandraisan’ny mpitantana ny sekoly sy ny minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena andraikitra, araka ny kaonty manokana nozarainy [2] tao amin'ny Facebook.

Ny fijoroana vavolombelona nataon'i Malikov nosoratany tao amin'ny pejiny tao amin'ny Facebook milaza amin’ny antsipiriany ny fomba niatrehany ny fanorisorenana sy ny fanararaotana nataon’ny mpiara-mianatra aminy sy ny mpampianatra azy, nanomboka hatramin'ny kilasy faha-8, sy ny fanakianana natao azy na dia teo aza ny fitarainany maro tamin'ny talen'ny sekoly.

It was in 8th grade when somehow students in my school learned about my sexual orientation. They would call me names in the hallways of the school. Later, someone shared pictures of me wearing make up on social media, revealing my home address and the school I was studying at. I was receiving threats. I spent my time at school in constant fear. My physics teacher would tear down my notebooks, and my necklace. In 10th grade, because of the pandemic, we switched to e-learning. The same time, a trans fried was stoned a street and was told that together with me, we were a disgrace.

Tany amin'ny kilasy faha-8 no nahalalan'ny mpianatra tao amin'ny sekoliko ny fironako ara-nofo. Notsiratsirain’izy ireo rehefa eny an-dalantsaran'ny sekoly. Taty aoriana, nisy olona nizara ny sariko nanao makiazy tao amin'ny tambajotra sosialy, nambarany tao ny adiresiko sy ny sekoly nianarako. Nahazo fandrahonana aho. Tao anatin’ny tahotra tsy tapaka no nandaniako ny fotoanako tany am-pianarana. Notriarin’ny mpampianatra fizika ny kahieko sy ny rojoko. Tamin'ny kilasy faha-10, niova tamin'ny fampianarana amin’ny aterineto izahay noho ny valan’aretina. Tamin'izay fotoana izay, nisy namana iray niova sarimbavy ihany koa notoraham-bato teny amin'ny arabe ary nolazaina izy fa mahamenatra izahay.

Araka [3] ny filazan'ny Mikroskop Media, nitaraina tany amin'ny minisiteran'ny Atitany ihany koa i Malikov. Ny 26 Novambra, nasaina nankany amin’ny amin’ny biraon’ny polisy izy mba hiresaka momba ny zava-misy. Nandritra izany fotoana izany, Hüseynağa Hüseynov, solontenan'ny Məktəblinin Dostu (Sakaizan'ny Mpianatra), tetikasan'ny [4] Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena izay miezaka ny hamorona tontolo milamina ao amin'ny sekoly eo amin'ny mpampianatra sy ny mpianatra ary hanome fanampiana ara-pitsaboana sy ara-tsaina raha sendra misy voina, nilaza [3] tamin’ny Mikroskop Media tamin'ny antsafa fa nanoro hevitra an'i Malikov izy mba hanivana ny tenany rehefa any am-pianarana:

We can't just approach every single student at the school to stop harassing Ali. We have talked to every student Ali has complained to us about. But what Ali demands is that we remove students who harass him. There is no such law in the legislation. I have told Ali personally, that he should self-censor himself when at school. Instead, Ali took off his rainbow colored mask, and told me that if he is not wearing this mask, then he is already self censoring himself enough. I think, Ali is still a child, and is simply under the influence of certain groups.

Tsy afaka manatona fotsiny ny mpianatra tsirairay ao amin'ny sekoly izahay mba hampitsahatra ny fanorisorenana an'i Ali. Niresaka tamin'ny mpianatra rehetra nitarainan'i Ali taminay izahay. Fa ny takian'i Ali dia ny hanesoranay ireo mpianatra manenjika azy. Tsy misy fitsipika toy izany ao amin'ny lalàna. Efa nilaza tamin'i Ali manokana aho fa tokony hanivana ny tenany izy rehefa aty am-pianarana. Kanefa, nesorin’i Ali ny arovavaorony miloko avana, ary nilaza tamiko izy fa raha tsy manao an'io arovavaorona io izy dia efa ampy izay ny fanivantenany. Heveriko fa mbola zaza i Ali, ary eo ambany fitarihan'ny vondrona sasany fotsiny.

Tsy manaiky izany ilay tovolahy 17 taona. Tao amin'ny valinteniny, nanoratra [5] tao amin'ny Facebook i Malikov fa i Hüseynov tenany ihany no iray amin'ireo olona mamporisika ny fanafihana. “Nampahafantarina ahy fa ity sakaizan'ny mpianatra ity no iray amin'ireo olona nanery ny mpiara-mianatra amiko hanoratra lahatsoratra mamely ahy.” Miresaka momba ny filazana fa manao izay rehetra azony atao ny sekoly mba hiarovana an'i Malikov kanefa nolazaina fa manala baraka ny anaran'ny sekoly i Malikov ny iray amin'ireo lahatsoratra resahin'i [6] Malikov. “Manala baraka ny tenanao ianao amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona ho fitaovana amin'ny lalao ataonao. Raha ny mifanohitra amin’izany no ataon’ireo tsy maintsy miady amin’ny fampijaliana amin’izao fotoana izao, dia ho izany tokoa anie. Hotohizako,” hoy i Malikov nanoratra tao amin'ny lahatsorany farany [7] ho setrin'ny toe-javatra misy amin'ireo mpianatra hafa ao amin'ny sekoly.

“Fantatro androany fa nasehon'ilay mpampianatra teny rosiana tamin'ny mpianatra tao amin'ny sekoliko ny sariko  izay nilaza tamin'izy ireo fa pelaka aho ary manimba ny endriky ny sekolinay sy ny fianaranay. Nasian’ny mpianatra hoe tiako ireo lahatsoratra izay manala baraka sy mandrahona ahy. Misy aza ny miampanga ahy ho mpanolana sy mpampijaly”, hoy i Malikov nanoratra [8] tao amin'ny kaontiny ao amin’ny tambajotra sosialy.

“Menatra amin'ny mpitantan-draharahan'ny sekoly aho.”

Tamin'ny taona 2019, nanohina [9] an'i Azerbaijan iray manontolo ny tantaran'i [10] Elina Hajiyeva, zatovo iray maty [11] noho ny famonoan-tena tamin’ny fitsambikinana avy teny amin'ny rihana fahatelon'ny trano fianarany. Niteraka fanentanana [12] tao amin'ny media sosialy hanoherana ny fitanrohana (fampijaliana) ao amin'ny firenena izay mahalana iresahana ilay lohahevitra ihany koa izany. Momba ny raharahan’i Elina koa, na dia teo aza ny fitarainany [13] maro tamin'ny talen'ny sekoly, dia tsy nisy fepetra noraisina.

Any Azerbaijan, izay tsy misy antontan-taratasy ofisialy momba ireo trangam-pitandrohana, dia tsy mahagaga ny tsy fahampian'ny fandraisana andraikitra ataon'ny mpitantana ny sekoly, hoy i Lala Mahmudova, mpikaroka, raha nanoratra [13] tao amin'ny lahatsorany momba ny fampijaliana any amin'ny sekoly Azerbaijani tamin'ny taona 2019.

In Azerbaijan, one of the countries where homophobia is most prevalent, it is very common among students to insult each other with homophobic epithets and obscenities.

Due to the scarcity of statistical data on Azerbaijan, it is not possible to study the extent to which conditions which contradict the principles of social justice, such as bullying, homophobia, sexism, and hate speech, are prevalent in schools today.

Any Azerbaijan, iray amin'ireo firenena anjakan’ny fankahalana pelaka, tena fahita eo amin'ny mpianatra ny mifanaratsy amin'ny endrika fanompana pelaka sy ny teny tsy fampiseho masoandro.

Noho ny tsy fahampian'ny antontanisa mikasika an'i Azerbaijan, dia sarotra ny mandalina hoe inona no manjaka any an-tsekoly ankehitriny ka mifanohitra amin'ny fotokevitry ny rariny ara-tsosialy, toy ny fampijaliana, ny fankahalana pelaka, ny fanavakavahana ara-pananahana, ary ny resaka fankahalana.

Araka ny tatitra [14] avy amin’ny Programam-Panombanana Mpianatra Iraisampirenena (PISA) tamin'ny taona 2019 navoakan'ny Fikambanam-Piaraha-miasa Ara-Toekarena sy Fampandrosoana (OCDE), ” any Baku (Azerbaijan), ny 36% -n'ny mpianatra no voalaza fa niharan’ny fitandrohana farafahakeliny fotoana vitsy isam-bolana, raha oharina amin'ny 23% amin'ny salan'isa manerana ny firenena OECD.”

Tsy manana lalàna manohitra ny fampijaliana i Azerbaijan. Tsy tanteraka ny tolokevitra [10] hamolavola lalàna tamin'ny fotoana namonoan'i Elina Hajiyeva tena. Nanomboka [10] nanala ny hidim-baravarankeliny ny sekoly sasany ary nametraka bara vy mba hisakanana ny mpianatra tsy hanao fikasana mitovy amin'izany. Nandritra izany fotoana izany, namoaka horonantsary fampahafantarana momba ny fampijaliana ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena, mandrisika ireo mpianatra, ray aman-dreny ary mpampianatra mba hanao fitarainana.

Nampisaran-kevitra ilay lahatsary. Araka [15] ny tatitry ny Jam-News, nidera ny ministera noho ny fandraisana andraikitra ny mpisera sasany, ny hafa kosa niampanga ny ministera noho ny fialana andraikitra.

Miantso ireo andrim-panjakana voakasik’izany i Malikov mba handray andraikitra amin'ny zava-mitranga ao amin'ny sekoliny, anisan'izany ny fitantanana ny sekoly. Tamin'ny antsafa [16] nifanaovana tamin'ny OC Media, nilaza i Malikov fa manao ankivy ny sekoly izy, mandra-pandraisan'ny sekoly fepetra mifanaraka amin'izany sy hisorohana ny fitandrohana sy ny fanararaotana, tsy amin'ny tenany ihany fa amin'ny mpianatra hafa ihany koa.