- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices hizara tononkalo amin'ny fiteny indizeny

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, Rising Voices

 

Amin'ny 25-26 Novambra 2021, mpikambana efatra ao amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices no hizara ny tononkalony ôrizinaly amin'ny fiteny indizeny mandritra ny Tsenankevitra Akademika Iraisampirenena Faharoa “Fampandrosoana lovain-jafy amin'ny fitenny vazimba” izay hatao amin’ny fomba virtoaly sy atrehi-mivantana any Korea Atsimo. Tafiditra ao anatin'ny hetsika mitarika mankany amin'ny taompolon'ny fiteny vazimba iraisampirenena 2022-2032 ho avy io hetsika io.

Ireto avy ny poeta mandray anjara:

Azonao atao ny manatrika ny hetsika an-tserasera eto [3] ary ho hita ao amin'ny YouTube aorian'ny fiafaran'ny fandaharana ny famelabelarana.

Ireto avy no hiara-hampiantrano ny hetsika: ny Birao Iraisan'ny Korea Atsimo sy Avaratra ho an'ny fanangonana ny Gyeoremal-Keunsajeon, Vaomieram-pirenena Koreana ho an'ny UNESCO, Delegasiona Maharitry ny Repoblikan’i Korea ho an'ny UNESCO, tohanan'ny Minisiteran'ny Fampiraisana sy ny Minisiteran'ny Raharaham-bahinin’ny Repoblikan'i Korea, ary iaraha-miasa amin’ny UNESCO.