- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ho lasa ‘Lova Iraisampirenena’ ao amin'ny UNESCO ve ilay “tanàna naditra indrindra” tao Jamaika?

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Mediam-bahoaka, Tantara, Tsidika, Voina, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

Port Royal nopihana avy eny amin'ny Kingston Harbour, Jamaika, ca.1875-ca.1940. Sary [1] nopihana mpanoratra tsy fantatra anarana,tao amin'ny Wikimedia Commons, sehatra ho an'ny daholobe [1].

Eo am-pitolomana i [2] Jamaika mba hahazoana izay hampidirana ho anaty lisitry [3]  ny Toerana Lova Iraisampirenena UNESCO [4] an'ilay “tanàna naditra indrindra teto an-tany” [5]—ilay tanàna difotra ao Port Royal [6]— hetsika iray heverin'ny maro fa efa nandrasana hatry ny elabe [7].

Hita amin'ny tendron'ny Palisadoes [8], dongom-pasika miaro an'i Kingston Harbour amin'ny fiakaran'ny ranomasina, amin'ny maha-ivon-toerana fandraharahàna ara-barotra sy fanondranana azy tamin'ny taonjato faha-17 dia i Port Royal no tanàna lehibe indrindra tao Karaiba fahiny—mandrapahatongan'ny faharavàny taorian'ny horohorontany iray nanana tanjaka 7,5 [9] tamin'ny 7 Jona 1692. Ny tsunami [10] taorian'izay dia niteraka faharavàna hafa nisinisy kokoa, nahatonga ny maro hilaza ireny tranga ireny ho kapoky ny lanitra [11] noho ireo làlam-pahotàna nizoran'ilay tanàna.

Sary avy eny an'habakabaka ahitàna an'i #PortRoyal [12] ao #Kingston [13] #Jamaica [14]. ?? ? pic.twitter.com/iJmzHvffXb [15]

— Club Kingston (@ClubKingstonVIP) 21 Novambra 2017 [16]

Tamin'izany fotoana izany, iray tamin'ireo tena faleha i Port Royal ary tena nanan-karena tany amin'ireo teo Amerika, ary ireo tranga niseho naterak'izany no nahatonga ny fanomezana anaram-bosotra azy ho tanàna ratsy, rakotra privateers [17] sy mpijirika (isan'ireny ilay malaza ratsy Henry Morgan [18]),  booze ary  bacchanalia. Noho ny toerana saropady misy azy ao amin'ny morontsiraka atsimo-atsinanan'i Jamaika, anefa, ireo taona marobe nanaraka dia nitondra ihany koa faharavàna, vokatr'ireo tafiotra mahery sy horohorontany henjana iray hafa tany am-piandfohan'ny andian-taona 1900s [19].

Raha ankatoavina ny fangatahan'i Jamaika hanoratrana an'i Port Royal ho isan'ireo Toerana Lova Iraisampirenena, dia izy no ho tanàna fanintelo amin'ireo difotra nahazo ny sata tahaka izany, manaraka an'i Alexandria ao Gresy [20] ary Baia ao Italy [21], na mety ho izy irery aza no avy any amin'ny ilabolantany andrefana. Ny Fifanarahan'ny UNESCO momba ny Fiarovana ireo Lova Ara-Kolontsaina Ambanin'ny Rano [22] dia manome toky hiaro ny lova tahaka izany; porofon'ireo sivilizasiônan'ny zanak'olombelona difotra ambanin'ny rano efa mihoatra ny taonjato iray [23].

Nohazavain'ny [3] UNESCO ny lanjan'ny fanamarihana ny “maha-tafiditra an'i Port Royal ao anaty sokajin'ireo ‘toerana nahatsiravina,’ toerana noravan'ny loza voajanahary nahatsiravina sy asa fandravàna, voatahiry amin'ny “endriny nisy azy”:

Port Royal […] dia somary miavaka amin'ny ankamaroan'ireo toerana arkeôlôjika. Amin'ny ankapobeny, mila fotoana maharitra be ny fandavahana arkeôlôjika, mandritra izany dia misy ny tranobe aorina, navaozina, nampiana, niha-antitra, nilaozana, nirodana ary angamba naverina naorina indray. Etsy andaniny, taorian'ny 37 taona monja nisiana, ilay tanàna naresaka be tao Port Royal dia difotra ara-bakiteny tao amin'ny seranana, tanatin'ny ministra vitsy monja, ary voatahiry tanteraka toy ny endriny tamin'ny andro nitrangan'ilay horohorontany.

Ny tomban'ny UNESCO momba ny “lanja tsy manampaharoa ho an'ny tontolo” ananan'i Port Royal dia nanasongadina [3] ihany koa fa:

Ny fanambatambàrana anaty ranomasina an'ireo trano noloarana avy amin'ilay tanàna difotra dia ohatra iray tonga lafatra amin'ny andiana taotrano izay maneho ny andavanandrom-piainan'ny tanàna iray amorontsiraka nipetrahan'ireo ‘voanjo’ (fanamarihan'ny mpandika: voanjo no niantsoana ireo colons fahiny). Ny fitambaran'ny tahirin'antontan-kevitra ara-tantara sy ny fandoarana ny ambanin'ny rano dia nahafahana nampipoitra amin'ny antsipirihany ity dingana lehibe teo amin'ny tantaran'ny zanak'olombelona ity.

Olivia “Babsy” Grange, minisitra misahana ny kolontsaina ao Jamaika, mino [24] fa ny fanondroana ilay toerana ho Lova Erantany “dia hisy fiantraikany goavana amin'ny vokatry ny fizahantany mifototra amin'ny vakoka eto amintsika.” Tao amin'ny pejiny Facebook, nandefa saripika marobe i Grange, ahitàna ireo iraka mpanao antsitrika notarihan'ireo arkeôlôjista avy ao Meksika sy Japàna, izay nanampy ny Jamaica National Heritage Trust [25] (JNHT) tamin'ny fanadihadiana hanombanana ny fiantraikan'ilay lova (Heritage Impact Assessment Study) izay ilaina ho ampahany amin'ny dingana fisoratana anarana.

Amin'ny alàlan'ny “photogrammetry”, ezahan'ilay tarika ny hanao sarintany nomerika [23] an'ilay tanàna difotra, ary azo lazaina ho nampitolagaga ny sasantsasany tamin'ireo zavatra hita: Silvanus Walters, lefitry ny tale teknikan'ny arkeôlôjia ao amin'ny JNHT, izay mitarika ilay hetsika [26], nilaza [23]tao amin'ny Public Broadcasting Corporation of Jamaica [27] (PBCJ) (haino aman-jerim-panjakana) fa tena tsy niova mihitsy i Fort James—izay noheverina ho rava tanteraka tamin'ilay horohorontany tamin'ny 1695.

Nomarihan'ilay [28] tatitry ny PBCJ ihany koa fa ankoatra an'i Fort James, vitan'ny sarintany nomerika ny nanavaka ireo rindrina, làlana, ary ireo rakitry ny ela nipetraka tao amin'ny fanambanin'ny ranomasimbe. Raha mahazo ny sata maha-Lova Erantany azy i Port Royal, dia hahasarika bebe kokoa ny saina ilay tanàna kely fonenan'ny mpanjono, satria ho ampifandraisina amin'ireo endrika hafa [29]n'ny fizahantany mifototra amin'ny vakoka any amin'ny faritra ilay tanàna difotra.