- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Famelabelaran-kevitry ny Bread & Net hijerena ny fifampihazonan'ny zo ankihy sy ny fiteny any Afrika Avaratra Afovoany Atsinanana (MENA)

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

 

Amin'ny 24 Novambra 2021, hampiantrano resadresaka an-tserasera mandritra ny fihaonambe Bread&Net [1] amin'ity taona ity ny Global Voices [2], amin'ny alàlan'ny hetsika Rising Voices [3], ahitana ireo mpikatroka anjotra avy amin'ny AAAA (MENA), miasa mba hitazonana ny fitenin-drazan’izy ireo ho velona ao anatin'ny tontolo ankihy manahirana.

Ny famelabelaran-kevitra mitondra ny loha-hevitra hoe “Mijery ny fihaonan’ny zo ankihy sy ny fiteny ao MENA (Afrika Avaratra Afovoany Atsinanana na AAAA) izay tsy dia fahita firy sy vitsy an'isa [4]” dia ahitana ireo fanontaniana momba ny fanamby ho an'ireo vondrom-piarahamonina vitsy an'isa, indizeny ary tsy ampy fitaovana (sy olona) mampiasa ny teny AAAA (MENA) mba hamoronana na hidirana amin'ny votoaty nomerika amin'ny fitenin-drazan’izy ireo.

Handre izao zava-niainan'ireo mpikatroka ankihy telo mampiasa ny fiteny ao AAAA (MENA) vitsy an’isa isika izay miara-miasa amin'ny fiteny Amazigh, Kiorda ary Nubian ary mampiasa ny fomba fiasa “Do-It-Yourself” mba hahazoana antoka fa hita amin'ny aterineto ny fitenin'izy ireo, amin'ny alàlan’ny famoronana votoaty ankihy, fanampiana amin'ny fanorenana fitaovana, ary koa fanofanana sy fanoroana ireo mpiteny ny fiteniny handraisana anjara anjotra.

Ireto ny mpikatroka mandray anjara:

Ny fotoam-pivoriana dia hotarihin'i Mariam Abuadas [8], antrôpology sady talen'ny tetikasa eo amin'ny sehatry ny fitantanana ny vondrom-piarahamonina sy ny fitovian'ny lahy sy ny vavy manerana ny Afovoany Atsinanana, eo amin'ny sehatra sy ao anatin'ny habaka nomerika. Mariam dia Mpitantana ny Fandikan-teny Arabo ato amin'ny Global Voices [9], izy ihany koa no mpanorina ny Tatawor, FTMF (ONG) an'ny vondrom-piarahamonina ao Jordania sy Akhbarek, izay sehatra fampitam-baovao mifantoka amin'ny vehivavy ary mifantoka amin'ny fihaonan'ny fiteny, sy ny fahalalahana maneho hevitra ary ny zo ankihy ho an’ny vehivavy Arabo.

Misoratra anarana eto raha hanatrika ny hetsika an-tserasera. Marihina fa hatao amin'ny teny arabo ny fivoriana.