Famelabelaran-kevitry ny Bread & Net hijerena ny fifampihazonan'ny zo ankihy sy ny fiteny any Afrika Avaratra Afovoany Atsinanana (MENA)

 

Amin'ny 24 Novambra 2021, hampiantrano resadresaka an-tserasera mandritra ny fihaonambe Bread&Net amin'ity taona ity ny Global Voices, amin'ny alàlan'ny hetsika Rising Voices, ahitana ireo mpikatroka anjotra avy amin'ny AAAA (MENA), miasa mba hitazonana ny fitenin-drazan’izy ireo ho velona ao anatin'ny tontolo ankihy manahirana.

Ny famelabelaran-kevitra mitondra ny loha-hevitra hoe “Mijery ny fihaonan’ny zo ankihy sy ny fiteny ao MENA (Afrika Avaratra Afovoany Atsinanana na AAAA) izay tsy dia fahita firy sy vitsy an'isa” dia ahitana ireo fanontaniana momba ny fanamby ho an'ireo vondrom-piarahamonina vitsy an'isa, indizeny ary tsy ampy fitaovana (sy olona) mampiasa ny teny AAAA (MENA) mba hamoronana na hidirana amin'ny votoaty nomerika amin'ny fitenin-drazan’izy ireo.

Handre izao zava-niainan'ireo mpikatroka ankihy telo mampiasa ny fiteny ao AAAA (MENA) vitsy an’isa isika izay miara-miasa amin'ny fiteny Amazigh, Kiorda ary Nubian ary mampiasa ny fomba fiasa “Do-It-Yourself” mba hahazoana antoka fa hita amin'ny aterineto ny fitenin'izy ireo, amin'ny alàlan’ny famoronana votoaty ankihy, fanampiana amin'ny fanorenana fitaovana, ary koa fanofanana sy fanoroana ireo mpiteny ny fiteniny handraisana anjara anjotra.

Ireto ny mpikatroka mandray anjara:

  • Anass Sedrati, mpikambana mpanorina ny Vondrona Mpisera Wikimedia Maraokana, mavitrika amin'ny famoronana sy fanitsiana lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia amin'ny fiteny samihafa, anisan'izany ny fiteny Amazigh. Mpikambana ao amin'ny ekipa manerantany izay nanoratra ny paikady Wikimedia 2030 izy, ary mpikambana ao amin'ny Komity Satan'ny Hetsika Wikimedia, izay komity manoratra lalàm-panorenana manerantany ho an'ny mpisehatra Wikipedia rehetra manerana izao tontolo izao.
  • Aso Wahab, mpikatroka, bilaogera sady mpampiofana eo amin'ny sehatry ny zo nomerika sy ny fiarovana nomerika, mpikambana ao amin'ny Tambajotra Irakiana ho an’ny Tambajotra Sosialy (INSM), ary mpanorina ny sehatra Cyber ​​Kurds.
  • Doaa Farid, mpanao gazety Nobiana Ejipsiana sady mpanorina ny hetsika The Nubian Voices, misahana ny fanentanana momba ny kolontsaina sy ny fiteny Nobiana amin'ny fampitam-baovao ankihy. Amin'ny alalan'ity hetsika ity, miara-miasa amin'ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena sy ny sampandraharaha (fianarana) Nubian rehetra i Doaa mba hamoahana tantara sy bilaogy amin'ny aterineto momba ny fikatrohan'izy ireo.

Ny fotoam-pivoriana dia hotarihin'i Mariam Abuadas, antrôpology sady talen'ny tetikasa eo amin'ny sehatry ny fitantanana ny vondrom-piarahamonina sy ny fitovian'ny lahy sy ny vavy manerana ny Afovoany Atsinanana, eo amin'ny sehatra sy ao anatin'ny habaka nomerika. Mariam dia Mpitantana ny Fandikan-teny Arabo ato amin'ny Global Voices, izy ihany koa no mpanorina ny Tatawor, FTMF (ONG) an'ny vondrom-piarahamonina ao Jordania sy Akhbarek, izay sehatra fampitam-baovao mifantoka amin'ny vehivavy ary mifantoka amin'ny fihaonan'ny fiteny, sy ny fahalalahana maneho hevitra ary ny zo ankihy ho an’ny vehivavy Arabo.

Misoratra anarana eto raha hanatrika ny hetsika an-tserasera. Marihina fa hatao amin'ny teny arabo ny fivoriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.