- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ho an'ny Tetikasany Advox, mitady toniandahatsoratra / mpandrindra ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka

Advox [1], ilay hetsika ho an'ny zo nomerika ato amin'ny Global Voices, dia mitady toniandahatsoratra / mpandrindra mba hanohana ny fametrahana ireo tetikasa Advox sy ny fandaharanasa Advox, hikirakira sy hitantana ny tranonkala Advox ary hanohana ny fanentanana ary fitantanana ilay vondrompiarahamonina.

Ilay toniandahatsoratra / mpandrindra dia hiasa ihany koa amina tetikasa iray mikendry ny handalina, handrakitra ary hanao tatitra momba ny fitomboan'ireo trangam-pampiasàna ny teknôlôjiam-pifandraisana nomerika mba hanamafisana sy hampiroboroboana ny fitantanana tsy refesi-mandidy. Ity tetikasa ity dia hamorona lasitra ho an'ny fandalinana, hanorina fomba fiasa sy fomba fanarahamaso, fandraketana, ary fanamafisana ireo tranga mitodika ho amina mpihaino misongadina, ary hamokatra tatitra momba ireo andiana tranga maro. Ilay toniandahatsoratra / mpandrindra ny tetikasa dia hanohana ny talen'ny tetikasa amin'ny fandrindràna ireo asa fanontàna sy ny fitantànana ny ekipa misy ireo mpikaroka miasa tena manerana izao tontolo izao mba hiantohana ny hahavitàna ara-potoana izay vokatra atolotry ny tetikasa. 

Ho isan'ny andraikitry ny toniandahatsoratra / mpandrindra ny tetikasa ireto:

Ireo mpifaninana mendrika ny toerana dia :

Tsy misy teritery ara-jeografika ny amin'io toerana io. Iangaviana hanamarika fa ny Global Voices dia tsy manana birao na foibe hita maso (physical headquarters). Ireo mpifaninana dia tsy maintsy olona mahatsiaro mahazo aina amin'ny fandaminana ny fandaharam-potoanany sy miasa anatina tontolo iray tena virtoaly tanteraka, ary vonona ny hanao fitetezana iraisam-pirenena maromaro.

Tena raisinay an-tànan-droa ireo mpifaninana avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eorôpa ary amporisihanay mba hirotsaka ireo olona efa mandray anjara amin'izao fotoana izao amin'ny tetikasa Global Voices.

Raha hisoratra:

Mandefasa imailaka famintinana sy taratasy filazam-pahavononana any amin'ny jobs@globalvoices.org, ataovy amin'ny fiteny anglisy, manasongadina izay asanao sy manazava ny antony hieritreretana fa ianao tokoa ilay olona tadiavin'ny Global Voices, ka soraty ho antony ny hoe: Advox Project editor/coordinator: [anaranao]. Fetra farany ho an'ny fisoratana ny 3 Desambra 2021 amin'ny 11:59 alina ET (GMT -5).