Ho an'ny Tetikasany Advox, mitady toniandahatsoratra / mpandrindra ny Global Voices

Advox, ilay hetsika ho an'ny zo nomerika ato amin'ny Global Voices, dia mitady toniandahatsoratra / mpandrindra mba hanohana ny fametrahana ireo tetikasa Advox sy ny fandaharanasa Advox, hikirakira sy hitantana ny tranonkala Advox ary hanohana ny fanentanana ary fitantanana ilay vondrompiarahamonina.

Ilay toniandahatsoratra / mpandrindra dia hiasa ihany koa amina tetikasa iray mikendry ny handalina, handrakitra ary hanao tatitra momba ny fitomboan'ireo trangam-pampiasàna ny teknôlôjiam-pifandraisana nomerika mba hanamafisana sy hampiroboroboana ny fitantanana tsy refesi-mandidy. Ity tetikasa ity dia hamorona lasitra ho an'ny fandalinana, hanorina fomba fiasa sy fomba fanarahamaso, fandraketana, ary fanamafisana ireo tranga mitodika ho amina mpihaino misongadina, ary hamokatra tatitra momba ireo andiana tranga maro. Ilay toniandahatsoratra / mpandrindra ny tetikasa dia hanohana ny talen'ny tetikasa amin'ny fandrindràna ireo asa fanontàna sy ny fitantànana ny ekipa misy ireo mpikaroka miasa tena manerana izao tontolo izao mba hiantohana ny hahavitàna ara-potoana izay vokatra atolotry ny tetikasa. 

Ho isan'ny andraikitry ny toniandahatsoratra / mpandrindra ny tetikasa ireto:

  • Fitantanana ny tranonkala Advox
  • Mikira sy mankatoa ireo tantara Advox ho avoaka
  • Miasa miaraka amin'ny Talen'ny tetikasa amin'ny fanohanana ny fandrafetana ny fandaharam-potoanam-pikarohana
  • Miasa miaraka amin'ny Talen'ny tetikasa mba hanorina sy hitantana ny angondrakitry ny tetikasa
  • Mandrindra ireo fampitaovana sy ny hetsika miaraka amin'ny talen'ny tetikasa ary ny tarika mpitantana ny Globa Voices
  • Manohana ny talen'ny tetikasa amin'ny fanaovana vakiraoka sy fanamarinana ireo antontankevitra hitarihana ny tetikasa
  • Mitily ireo filàna otrikarena sy mitantana ny tsy hahatapaka ireny otrikarena ireny ho an'ireo mpikaroka
  • Miantoka ny hamerenan'ireo mpikaroka ara-potoana ny fitaovana notakiana taminy ary mifanaraka amin'ny tetibola
  • Manangona sy mamintina ireo filàn'ny fikarohana ho an'ireo mpikaroka samihafa miasa ho an'ilay tetikasa
  • Manaramaso ny satan'ny tetikasa ary manome fanavaozana tsy tapaka ho an'ny ekipa sy ireo mpandray anjara fototra
  • Mandrindra ny fifandraisana sy ny fivoriana miaraka amin'ny tarika mpikaroka

Ireo mpifaninana mendrika ny toerana dia :

  • Afaka manaporofo ny fananany traikefa matianina amin'ny fanoratana sy famoahan-dahatsoratra, ary mahazo aina tsara mampiasa ireo fitaovana fampiasa amin'ny asa fanaovana gazety sy fampianarana
  • Afaka manaporofo ny fananany traikefa amin'ny asa fikarohana sy fampitambarana tarika mpikaroka
  • Manana traikefa amin'ny fitantanana tetikasa
  • Manana fahafahana miditra amin'ny aterineto haingam-pandeha
  • Manana traikefa amin'ny fitantanana sy fanetsiketsehana tarika, mandray an-tànana sy mampifandanja ireo fepotoana samihafa ary famahàna olana amin'ny fomba misy fahaizamamorona
  • Manana fahafehezana avo ny resaka solosaina, ary traikefa, indrindra indrindra, amin'ny asa ampiasàna angondrakitra sy fehezana rakitra ary rafitra fitantanana votoaty
  • Manana traikefa sy mahafehy tsara ny fitantanana media sôsialy, indrindra fa ny Twitter sy Instagram
  • Afaka miasa anaty tontolo samihafa sy marolafy ara-kolontsaina, ary miaraka aman'olona samy manana ny traikefany manokana
  • Afaka miasa amin'ny fomba tsy miankina sy miaraka amina ekipa miparitaka amina hasinora samihafa
  • Mahafehy ny fiteny anglisy (tombony be ny fahaizana fiteny hafa fanampiny) 
  • Mpampita hafatra mahomby
  • Manana fahaizana mitantana / mandamina fotoana

Tsy misy teritery ara-jeografika ny amin'io toerana io. Iangaviana hanamarika fa ny Global Voices dia tsy manana birao na foibe hita maso (physical headquarters). Ireo mpifaninana dia tsy maintsy olona mahatsiaro mahazo aina amin'ny fandaminana ny fandaharam-potoanany sy miasa anatina tontolo iray tena virtoaly tanteraka, ary vonona ny hanao fitetezana iraisam-pirenena maromaro.

Tena raisinay an-tànan-droa ireo mpifaninana avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eorôpa ary amporisihanay mba hirotsaka ireo olona efa mandray anjara amin'izao fotoana izao amin'ny tetikasa Global Voices.

Raha hisoratra:

Mandefasa imailaka famintinana sy taratasy filazam-pahavononana any amin'ny jobs@globalvoices.org, ataovy amin'ny fiteny anglisy, manasongadina izay asanao sy manazava ny antony hieritreretana fa ianao tokoa ilay olona tadiavin'ny Global Voices, ka soraty ho antony ny hoe: Advox Project editor/coordinator: [anaranao]. Fetra farany ho an'ny fisoratana ny 3 Desambra 2021 amin'ny 11:59 alina ET (GMT -5).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.