- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sakafo, marimba ary “voninkazo ho an'ny maty” hahatsiarovana ny razana ao Goatemalà

Sokajy: Amerika Latina, Goatemalà, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Teratany, Zavakanto & Kolontsaina

 

Sary avy amin'i Estuardo Tunche ho an'ny Prensa Comunitaria

Ity tantara ity dia fitambarana sy famoahana lahatsoratra roa, nosoratan'i Elías Oxom [1] sy Joel Pérez [2], tao amin'ny Prensa Comunitaria.

Nankalaza ny Fetin'ny Maty tanaty fanehoana ara-pivavahana sy ara-kolontsaina samihafa mba hahatsiarovana ny razambeny, ireo olon-tiany nodimandry ny Goatemalteka manerana ny firenena tamin'ny 1 sy 2 Novambra. Napetraka teny amin’ny fasana na tany an-trano ho an’ireo olomasina nodimandry ny sary, voninkazo, sakafo, ary rano.

Voaravaka ravina pacaya [3]sy Oq'ob’ (antsoina koa hoe ravin'ny hazo liquidambar) [4] ny alitara ary voaravaka tutz’ (marigold, ilay “voninkazo-paty [5]”). Navoaka ihany koa ny voankazo, karazan-tsakafo samihafa, labozia, ravin-kazo kesika manitra, ary ny copal [6].

Tamin'ny fomba manetriketrika no nanatanterahana izany ho an’ireo izay mbola manaraka izany fomba fanao izany satria efa an-taonany maro no tsy nahitana azy ity intsony. Na izany aza, nanohy nankalaza ny fiainana ihany ny olona na dia teo aza ny zava-misy fandraràna ho an'ny mpitsidika ny fasana sasany. Namela alahelo lehibe ny valan'aretina noho ny fahafatesana maro vokatry ny Covid-19.

Sary avy amin'ny Guadalupe Figueroa ho an'ny Prensa Comunitaria

Ohatra, talohan'ny valan'aretina COVID-19, isaky ny 2 Novambra, fianakaviana an-jatony no nitsidika ny fasana ao amin'ny monisipalin'i Ixcán, Quiché any avaratrandrefan'i Goatemala, izay hankalazan'ny Eglizy Katolika izany amin'ny lamesa ihany koa.

Sary avy amin'ny Prensa Comunitaria, Ixcán, Quiché

Na dia nanambara aza ny tompon'andraikitry ny fahasalamana fa hoferana ny fidirana ao amin'ny fasan'ny kaominina mandritra ny 1 sy 2 novambra, dia hita fa tsy dia nisy ny fanaraha-maso goavana. Noho izany, nisy fianakaviana sasany tonga nitsidika ny fasan’ireo olon-tiany teny amin’ny fasana ny 2 novambra teo.

Sary avy amin'ny Prensa Comunitaria, Ixcán, Quiché

Tany Alta Verapaz, nampiray ny fianakaviana io fomba fanehoana ara-kolontsaina io ary lasa fivoriam-pianakaviana ny hetsika. Miara-misotro ranom-boankazo avy amin'ny fary (b’oj) ny olona ankoatra ny fifampizarana ny sakafo masina, ary mivavaka ho an’ireo efa nodimandry. Nankalaza ny Fetin'ny Maty tao amin'ny zaridaina afovoany izay nanaovana alitara ho fanomezam-boninahitra ny nodimandry ny vahoaka Maya Kaqchikel ao San Pedro Sacatepéquez. Nisy koa ny fihirana mivantana marimba sy lokanga ary ny fampirantiana zavakanto.

Sary avy amin'i Feliciana Herrera ho an'ny Prensa Comunitaria

Toy izany koa, tany amin'ny faritanin'i Maya Ixil, ao an-drenivohitry ny tanànan'i Nebaj, nitsidika ny havany maty ny fianakaviana ny 28 ka hatramin'ny 30 Oktobra, satria mikatona ny fasana ny Alahady. Nahatsiaro ny razambeny tamin'ny marimba sy sakafo ny vondrom-piarahamonina maromaro. Nisy ny hetsika ara-pianakaviana sy teo amin'ny fiarahamonina.

Toy izany koa, tao amin’ny kaoperativa Nuevo Horizonte, any amin’ny faritra avaratr’i Petén, nanomboka vao maraina, no nandravahan'ny fianakaviana tamin’ny voninkazo maroloko ny fasana ary nametrahan'izy ireo zava-mamy sy sakafo nankafizin'ny maty ihany koa. Tao San Juan Comalapa, Chimaltenango ao afovoan'i Goatemalà, nanomana “fiambre [7]”, sakafo nentim-paharazana Goatemalteka misy hena sy legioma, ny fianakavian'i Doña Zoila Girón. Nohamafisin’izy ireo fa fomba fahandroan-tsakafon'ny fianakaviana amin’ny fetin'ny maty rehetra izy io. Nisy ny hazakaza-tsoavaly nentin-drazana tao amin'ny tanànan'i Todos Santos Cuchumatán akaikin'ny sisintanin'i Meksika.

Na dia nisy fiantraikany tamin'ny fitsidihan'ny fianakaviana ny fasana aza ny roa taona nisian'ny valan'aretina, dia mbola maro ireo vondrom-piarahamonina nanohy ny fahatsiarovana ny razambeny sy nankalaza ny fiainana.