- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fomba entin'ny tanora Champani ao Kambodza hampiroboroboana ny kolontsain-dry zareo tanaty valan'aretina

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fiteny, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tanora, Teratany, Zavakanto & Kolontsaina, Rising Voices
[1]

Mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Champani nandritra ny fotoana fianarana iray. Loharano: Facebook [1]

Vondron-tanora iray ao Kambodza no nahita fomba famoronana hampiroboroboana ny fiteny sy kolontsaina Champani amin'ny alalan'ny hetsika an-jotra.

Ny vondrona Champani dia avy amin'ny faritanin'i Champa fahiny (Vietnam afovoany sy atsimo ankehitriny). Misy 30.000 mahery ny Champani any Kambodza, izay fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Cham Kan Imam San. Ny ankamaroan'izy ireo amin'izao fotoana izao dia any amin'ny faritany Kambodziana ao Kampong Chhnang, Pursat ary Battambang.

Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, niezaka mafy tao amin'ny sehatra an-jotra toy ny Instagram [2] sy Facebook [3] ny vondrona mba hanairana ny saina momba ny fiteniny, ny soratra tsy manampaharoa ary ny tantarany.

Niresaka tamin'i Teyaorm Mas, mpikambana ao amin'ny Kan Imam San Youth for Development (KIYD), vondrona iray natokana hanamafisana ny asa an-tsitrapo ho an'ny fiaraha-monina mba hitazomana ny fomban-drazana Champani, ny Global Voices. Niorina tamin'ny taona 2011 ny vondrona ary manana mpikambana mavitrika eo amin'ny 30 izy ireo amin'izao fotoana izao izay manao hetsika isan-karazany amin'ny fikarakarana fiaraha-monina ao anatin'izany ny fanampiana ireo zokiolona mpikambana Champani sy ny fikarakarana kilasy amin'ny teny Cham amin'ny aterineto.

Mamokatra horonantsary fohy [4] sy fampianarana anjotra ny KIYD izay aranty [5] ao amin'ny media sosialy. Mizara karazany amin'izany vokariny izany i Teyaorm Mas:

Our content usually shares about our traditional ceremony, KIYD activities in the community such as environmental protection, Online Cham class (peer teaching happens twice a week), supporting older people and others.

Matetika ny votoatinay miresaka momba ny lanonana nentin-drazana, ireo hetsika ataon'ny KIYD ao amin'ny vondrom-piarahamonina toy ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fianarana Cham (indroa isan-kerinandro) anjotra, ny fanohanana ireo zokiolona sy ny hafa.

View this post on Instagram

A post shared by KIYD Cambodia (@kiyd.cambodia) [6]

Nanoratra [7] ny zava-niainany nandritra ny valan'aretina i SosTey, iray amin'ireo nandray anjara fianarana fiteny Cham anjotra Cham:

During COVID pandemic and lockdown, I am able to keep myself going sane with online language classes and Cham is one of them. Cham is my origin and one of the most enjoyable and proudest languages for me.

Together we can improve and learn. Let's go forward together to keep our language alive!

Nandritra ny valan'aretina COVID sy ny firindrinana, afa-nitaiza ny tenako ho salama ihany aho tamin'ireo fianarana anjotra ary iray amin'ireny ny Cham. Cham fiaviana aho ary iray amin'ireo fiteny ankafizina sy mahakevoka indrindra ho ahy.
Afa-manatsara sy mianatra miaraka isika. Andao handroso miaraka hamelona ny fitenintsika!

[8]

Kilasy fianarana Cham an-jotra tanterahana amin'ny alalan'ny Zoom. Loharano: Facebook [8]

Nozarain'i Teyaorm Mas ny sasany amin'ireo fanamby atrehin-dry zareo amin'ny asany toy ny “fahatakarana voafetra amin'ny media sosialy, tsy fahampian'ny olona hanao ny hetsika sy hitondrana ny sanganasa (Champani) ho an'izao tontolo izao, ny fanintonan'ny kolontsaina vahiny, ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola hanabeazam-boho ny fampiarana Cham eo amin'ny fiaraha-monina, ary tsy fisian'ny fandaharam-pianarana fianarana/amboaram-pianarana ho an'ny zandriny/taranaka manaraka hanombohana mianatra ny fiteny.”

Nanampy izy fa misalasala mizara fahalalana amin'ny taranaka tanora ny zokiolona sasany “satria mino izy ireo fa mety hanimba ny fizarana torohay sasany”, izay mifandray amin'ny “holatry ny ady” niainan'ireo zokiolona indray nihira.

Na dia teo aza ireo fahasarotana ireo, dia nijoro tamin'ny fisoloana vavany izy ireo ary niara-niasa [9] tamin'ny vondrona manerantany mihitsy aza mba hanatontosany ny irak'izy ireo. Ohatra, nanasongadina ny kolontsaina Champani ry zareo rehefa nitantana ny pejy Instagram an'ny Global Voices nandritra ny herinandro tamin'ny volana Aogositra.

View this post on Instagram

A post shared by Global Voices (@globalvoicesonline) [10]

Nofintinin'i Teyaorm Mas ny lesona vitsivitsy avy amin'ny fanentanana anjotran-dry zareo:

We have learned that more people are keen to know about us on a deeper level and they enjoy watching what we produce, which is the motivation for our group to keep on our mission. Secondly, we have taken from the community for so many years, so why not spare a couple hours each week to give back what we could contribute by preserving our culture and getting more people around the world to know us. We believe that it is worth investing some time for the community by starting small, but making many impacts.

Renay fa mihabetsaka ny olona te hahalala momba anay amin'ny sehatra lalindalina kokoa ary mahafinaritra azy ireo ny mijery izay vokarinay, izay antony manosika ny vondrona hanohy ny iraka ataonay. Faharoa, nahazo be tamin'ny vondrom-piarahamonina izahaynandritra ny taona maro, koa maninona raha mitsitsy adiny roa isan-kerinandro mba hamerenana izay azonay atolotra amin'ny fitehirizana ny kolontsainay sy hahatonga ny olona maro manerana izao tontolo izao hahafantatra anay. Mino izahay fa mendrika ny hanokanana fotoana kely ny vondrom-piarahamonina amin'ny alàlan'ny fanombohana avy amin'ny kely, saingy misy fiantraikany maro.

Mikasa ny hanatsara sy hanitatra ny hetsika an-tserasera sy ivelan'ny aterineto ny KIYD:

We are committed to enhance our online Cham class to be more engaging and entertaining so that more youth will enroll in the class. More importantly, we just kick started our own documentation project in which we are trying to record the sound of the reading/singing of the elder people from the ancient books we have. We wish to preserve those treasures and we extremely need support to make it possible.

Nanolo-tena hanatsara ny kilasy fianarana Cham an-tserasera izahay mba hirotsahana bebe kokoa sy hampiala voly kokoa mba hahafahan'ny mampiditra tanora maro kokoa hisoratra anarana ao amin'ny kilasy. Zava-dehibe ambonin'izany, vao nanomboka ny tetikasa fandraketana manokana izahay izay ezahinay handraketana ny feo famakiana/fihirana an'ireo zokiolona avy amin'ireo boky tranainy anananay. Maniry ny hitahiry ireo harena ireo izahay ary tena mila fanohanana mba hanatanterahana izany.