- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihamaro ireo mitaky hamotsorana an'i Zhang Zhan, olon-tsotra mpampita vaovao mety ho faty any amin'ny fonjan'i Shina tanibe

Sokajy: Azia Atsinanana, Etazonia, Shina, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtuben'i Zhang [1].

Nandrisika an'i Shina nandritra ny volana maro ireo vondrona iraisam-pirenena mpiaro ny zon'olombelona mba hamotsotra ilay olon-tsotra mpanao gazety Zhang Zhan. Nanatevin-daharana ny antso [2] ny governemanta Amerikana tamin'ny 9 Novambra satria miharatsy ny fahasalaman'i Zhang, ary mety tsy ho tafavoaka velona any am-ponja amin'ny ririnina ho avy izy.

Tamin'ny Febroary 2020, nampiditra horonan-tsary zato mahery [3]nalaina tany Wuhan, Shina nandritra ireo herinandro voalohan'ny fihanaky ny COVID-19 ity mpanao gazety olon-tsotra 38 taona ity. Nosamborina izy tamin'ny volana May 2020 [4].

Tamin'ny fiandohan'ny valan'aretina, nihiboka nandritra ny telo volana mahery i Wuhan. Ny haino aman-jerim-panjakana ihany no afaka mitatitra momba ny politikan'ny governemanta mahakasika ny valan'aretina, ka niteraka fandrakofam-baovao tokana tanteraka nidera manokana hatrany ny manampahefana. Noho izany, fomba iray tena lehibe ho an'ny besinimaro mba hahatakatra ny tena zava-mitranga ao an-tanàna ny tatitra avy amin'ny olon-tsotra mpanao gazety. Olon-tsotra mpanao gazety telo farafahakeliny, anisan'izany i Chen Qiushi [5] sy Fang Bin, no nosamborina [6] noho ny asan'izy ireo, saingy notsaraina sy voasazy i Zhang .

Nanao fitokonana tsy nihinan-kanina tsindraindray i Zhang ho fanoherana ny fisamborana azy nandritra ny 18 volana teo ho eo. Tamin'ny volana Desambra 2020, nomelohin'ny fitsarana ao Shanghai higadra efa-taona izy noho ny “fifamaliana sy fihantsiana korontana” — fiampangana mahazatra mahazo ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpanohitra ara-politika ao Shina. Araka ny antontan-taratasin’ny fampanoavana, tafiditra [7] ao anatin’ny « korontana » ny fanaparitahana vaovao tsy marina sy ny fanekena rhanao antsafa amin’ny haino vaky jery vahiny.

Araka ny filazan'ny Amnesty International, nampijaliana [8]nandritra ny telo volana mahery izy ho fanasaziana azy noho ny fitokonana tsy hihinan-kanina ary novokisana an-keriny tamin'ny fantsona fisakafoanana talohan'ny fitsarana. Nentina teny amin'ny fitsarana niaraka tamin'ny seza misy kodiarana izy ny 28 Desambra 2020 [9].

Araka ny filazan'ny mpisolovava azy, nandà ny hampiakatra ambony [10] ny fanapahan-kevitry ny fitsarana i Zhang satria tsy matoky ny rafi-pitsarana Shinoa izy. Fa kosa, nisafidy ny hitokona tsy hihinan-kanina tsindraindray izy mba hanehoana ny maha tsy manan-tsiny azy. Niditra hopitaly nandritra ny 11 andro izy [11] tamin'ny volana Aogositra 2021 noho ny tsy fahampian-tsakafo mafy. Tamin'ny 30 Oktobra, niala tamin'ny fahanginany ny anadahin'i Zhang Ju ary nanoratra tao amin'ny Twitter fa tsy ho tafavoaka velona amin'ny ririnina ny anabaviny raha mbola migadra:

1m77cm ny halavan’i Zhan, latsaky ny 40kg ny lanjany ankehitriny. Mety tsy ho tafavoaka velona amin’ny ririnina mangatsiaka ho avy izy. Manantena aho fa ho tsaroan'izao tontolo izao ny toetrany taloha.

Na dia nampitandrina [11] ny fianakaviana tsy hiresaka amin'ny mpanao gazety aza ny manam-pahefana Shinoa, dia mbola nanome vaovao hatrany ho an'ny haino vaky jery mahakasika ny toe-pahasalaman'i Zhan izy ireo. Nilaza [14] tamin'ny mpanao gazety iray tao amin'ny Radio Free Asia ny renin'i Zhang hoe:

She can't walk unassisted now, and her head keeps drooping as she speaks. She will be in huge danger if they don't release her on medical parole. I cried for several hours straight after I got out [of a call with her].

Tsy afaka mandeha izy raha tsy misy mpitantana, ary miondrika foana ny lohany rehefa miteny. Ho tandindomin-doza lehibe izy raha tsy avoakan'izy ireo amin'ny alàlan'ny fahafahana vonjimaika noho ny antony ara-pahasalamana. Nitomany nandritra ny ora maromaro avy hatrany aho rehefa vita ny resakay [tamin'ny finday].

Amin'izao fotoana izao, mitady fahafahana vonjimaika noho ny antony ara-pahasalamana [15] ny fianakavian'i Zhang. Na izany aza, rehefa nanandrana nitsidika [16] an'i Shanghai tamin'ny 6 Novambra ny mpisolovava Xie Yang mba hanolotra ny fanampiany ara-pitsarana ho an'ny fianakaviana, dia voaràra tampoka ny fepetra ara-pahasalamany, ary voaràra tsy handeha amin'ny sidina anatiny izy. Ny rafitra fepetra ara-pahasalamana miloko telo dia ampahany amin'ny fepetra iray hifehezana ny fiparitahan'ny COVID-19 amin'ny alalan'ny famerana ny fivezivezen'ny olona tsirairay araka ny toe-pahasalaman'ny olona sy ny fifandraisany. Nilaza [17] ny sasany tamin’ireo tsy mitovy hevitra fa nanararaotra ny rafitra ho famehezana ara-politika ny manampahefana.

Nanomboka tamin'ny volana Desambra lasa, nitaky ny famotsorana an'i Zhang ireo fikambanana iraisam-pirenena maro. Vao haingana no nanomboka fanangonan-tsonia an-jotra [18] ny Amnesty International, ary tamin'ny fanambarana an-gazety nataon'ny vondrona tamin'ny volana Novambra, nanamarika [8]ilay mpanentana Gwen Lee fa mifanohitra amin'ny antoka iraisam-pirenena momba ny zon'olombelona ny fanagadrana an'i Zhang.

Zhang Zhan is a victim of the Chinese government’s zero-tolerance approach to criticism and opposing views. She has been imprisoned solely for peacefully exercising her right to freedom of expression, and she must be immediately and unconditionally released

Lasibatry ny fepetra fandeferana aotra ataon'ny governemanta Shinoa amin'ny fanakianana sy ny fomba fijery mifanohitra i Zhang Zhan. Nogadraina fotsiny noho ny fampiharana am-pilaminana ny zony amin'ny fahalalahana maneho hevitra izy, ary tsy maintsy avoaka avy hatrany tsy misy fepetra izy.

Nanaraka akaiky ny raharaha Zhang ihany koa ny Human Rights Watch (HRW). Taorian'ny nilazan'ny anadahin'i Zhang ny ahiahiny momba ny fahasalaman'ny anabaviny, nanasongadina [11] ny toe-draharaha feno habibiana sy ny taha-pahafatesana any amin'ny fonja maro Shinoa ny HRW:

Conditions in China’s detention facilities and prisons are poor, usually with minimal nutrition and rudimentary health care. In recent years, a number of prominent dissidents in China have become seriously ill in detention, been denied adequate care, and died either in detention or shortly after being released.

Ratsy ny fepetra any amin'ny trano fitazonana sy ny fonja ao Shina, matetika tsy manjary ny sakafo ary tsy ampy ny fikarakarana ara-pahasalamana. Tao anatin'ny taona vitsivitsy izay, maro ireo mpanohitra malaza ao Shina lasa narary mafy tany am-ponja, tsy nomena fikarakarana sahaza ary maty nandritra ny fanagadrana na fotoana fohy taorian'ny namotsorana azy.

Ireo mpikatroka maty voatanisa ao amin'ny fanambaran'ny Human Rights Watch dia ahitana ilay Tibetana mpikatroka Kunchok Jinpa [19], ilay mpikatroka monina any Fujian Ji Sizun [20], ny manam-pahaizana Islamika Muhammed Salih Hajim [21], ilay Loka Nobel momba ny Fandriampahalemana Liu Xiaobo [22], ilay Tibetana lama hajaina Tenzin Delek Rinpoche [23],  ary ilay mpikatroka ny zon'olombelona Cao Shunli [24].

Nitaky  [25]ny ezaka manerantany nifandinihana mba hanery ny famotsorana an'i Zhang ny fanambaràn'ny Reporters Sans Frontières tamin'ny fiandohan'ny volana Novambra :

We call on the international community to apply pressure to the Chinese regime and secure Zhang Zhan’s immediate release before it is too late. She was only performing her duty as a reporter and should never have been detained, not to mention receive a four-year prison sentence.

Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena izahay mba hampihatra tsindry amin'ny fitondrana Shinoa ary hiantoka ny famotsorana an'i Zhang Zhan tsy misy hatak'andro dieny mbola tsy tara. Nanao ny asany amin’ny maha-mpitati-baovao fotsiny izy ka tsy tokony ho notanana am-ponja mihitsy, raha tsy hilaza afa-tsy ny fahazoany sazy an-tranomaizina efa-taona.