Taratasim-baovao Rising Voices: Manangana fitaovana vonona ho an'ny fikatroham-piteny ankihy
Fanamarihan'ny Rising Voices :Manome famintinana ireo lahatsoratra bilaogy nivoaka farany mikasika ny lafiny rehetra amin'ny fampiatiana ankihy ny taratasim-baovaonay isam-bolana, anatin'izany ny fidirana sy fampiasana ireo fitaovana ankihy, sy ny fomba maro isan-karazany ahafahan'ireo vondrompiaramonina handray anjara feno an-jotra. Vakio ato ireo lahatsoratra teo aloha anatin'ity taratasim-baovaonay ity
Miarahaba ny mpamaky, manao ahoana ianao? Amin'ity volana Avrily ity dia manana filazana izahay.
Miorina amin'ny asa iombonana mandritra ny Taona Iraisam-pirenena ho an'ny teny indizeny 2019 (#IYIL19) ao anatin'ny Folo taona iraisam-pirenena ho an'ny teny indizeny (2022-2032), faly ny Rising Voices manambara ny fiaraha-miasantsika vaovao amin'ny UNESCO amin'ny fananganana fitaovam-panabeazana misokatra hanohanana ny fikatrohana nomerika ho an'ny fiteny indizeny, vitsy an'isa, sy ireo fiteny hafa tsy dia manana loharano (tahirin-kevitra).
Amin'ny alalan'ity fiaraha-miasa ity, miezaka mafy izahay hampivondrona ireo mpikatroka fiteny manerana izao tontolo izao mba hizara ny zava-niainan'izy ireo mivantana, manomboka amin'ny fomba fanao tsara indrindra ka hatramin'ny paikady azo ampiharina, ny fomba nampidiran'izy ireo ny fitaovana ankihy ho amin'ny ezaka famelomana isan'andro ny fiteny. Manantena izahay fa hahazo hery bebe kokoa amin'ny fihoirana ny otriky ny Aterineto sy ny teknolojia mifandraika aminy ho fikojakojana ny fitenin'izy ireo, ny kolontsainy ary ny mari-panondroana azy manokana amin'ity fonosam-pitaovana ity, ireo mpikatroka fiteny sy tompon-daka efa misy na vao misondrotra. Araho hatrany ny fomba ahafahanao mandray anjara.
MISIMISY KOKOA AVY AO AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES
Faly izahay mampahatsiahy ny mpamaky anay fa mandroso tanteraka ny kaonty Twitter ifandimbiasana ao amin'ny @ActLenguas (Fikatrohana Fiteny). Raha mahaliana anao ny momba ny fiteny indizeny, vitsy an'isa, tandindonin-doza, na tsy ampy angon-drakitra manerana izao tontolo izao miampy ny mety ho anjara asan'ny aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana sy/na famelomana azy ireo, araho azafady ny hahafantatra ireo tantara avy amin'ny olona nanatrika mivantana avy amin'ireo mpikatroka ankihy ny fiteny indizeny manerana an'i Amerika Latina. Hatramin'izao, manana vahiny enina izahay, mizara amintsika ny ezaka fameloman'izy ireo ny fiteny avy any Meksika, Però, Goatemalà ary Kolombia.
- Jhonnatan Rangel [es] ao amin'ny Ayapaneco, amin'ny teny Tabasco, Meksika
- Marisol Mena Antezana [es] avy ao Però miara-miasa amin'ny fiteny Quechua.
- Luis Flores [es] ao amin'ny Tének, amin'ny teny San Luis Potosí, Meksika
- Vianna González [es] ao amin'ny K'iche’, fiteny Mayan, amin'ny teny Goatemala
- Isela Xospa [es] ao amin'ny karazany Nahuatl, amin'ny fiteny Milpa Alta, Meksika
- Leonardi Fernández [es] ao amin'ny fiteny Wayuunaiki, fiteny ao amin'ireo faritra eo anelanelan'i Kolombia sy Venezoela
Miaraka amin'ity andalana ity, tianay ihany koa ny mizara tantara iray momba ny “lehilahy tsotra iray” ao Dagestan, izay tsy manana fiofanana amin'ny haifiteny, nanokana ny tenany amin'ny fananganana “tilikambo fiambenana” amin'ny fiteny indizeny ao an-toerana. → “The watchtower on the mountain of Dagestan's indigenous languages”- “Ny tilikambo fiambenana eo amin’ny tendrombohitr’ireo fiteny indizeny ao Dagestan”
HIRIKA | VATSIM-PIANARANA AMBONY
Ho an'ireo mpamaky amerikana teratany (vazimba): Maniry ny hampiasa ny herin'ny fahalalana nentim-paharazana sy ny teknolojia amin'ny famahana ny filàn'ny vondrom-piarahamonina tsy voavaly eo amin'ny sehatry ny fahasalamana, fanabeazana, toekarena ary/na faharetam(-pery)? Manaova fangatahana amin'ny Vatsim-pianarana ambony Vondrom-piarahamonina Indizeny an'ny MIT Solve mba hanohanana ny ezaka ataonao (ato ny andinindininy). Fara-fisoratana anarana: 1 Jona 2021
ANTSO HO AMIN'NY FANDRAISANA ANJARA
Ho an'ireo izay mandray anjara amin'ny asa fanaovan-gazety ankihy, tsindraindray na mbola mianatra: Hanatontosa ny fihaonambeny fanao isan-taona amin'ny volana Jona ny Fikambanam-baovao Anjotra (The Online News Association )! Raha te handray anjara amin'ny famolavolana ny resadresaka amin'ny hetsika ianao, dia asaina handefa ny hevitrao ao amin'ny Boaty Soso-kevitra. Faran'ny fandefasana: 15 aprily 2021
Mikarakara ny hoavin'ireo fiteny tsy ampy solontena sy indizeny? Ny fihaonambe Arctic Knot 2021 dia nokasaina atao amin'ny Jona. Amin'ny fanomanana ity hetsika virtoaly ity, te-handre anao ny mpikarakara momba ny hevitrao vaovao mikasika ny fomba mety hamoronana traikefa “mahaliana, maha-te-handray anjara ary mahazava” ho an'ny rehetra voakasik'izany. Manan-kevitra? Faran'ny fandefasana: 15 aprily 2021
Vonona hiatrika fanamby vitsivitsy? Amin'ity taona ity, ny MIT Solve dia manasa ny rehetra, na aiza na aiza, hitady vahaolana ho an'ny olana dimy maika lehibe amin'izao androntsika izao – manomboka amin'ny fampiatiana ankihy, ny efitrano fianarana araka ny hitsiny, tontolo iainana mahazaka, fiarovana ara-pahasalamana, ary ny teknolojia tsy tia fanavakavahana. Mihevitra fa afaka manampy ianao? Jereo ato ny antsipiriany. Faran'ny fandefasana: 16 Jona 2021
FIKAROHANA
Ahoana no hevitrao momba ny maha-zava-dehibe ny fifandraisana misy dikany? Amin'ny fanosehana ny fandaharam-potoana fototra, ny Alliance for Affordable Internet (A4AI) dia nanohy nanara-maso ny fandrosoana amin'ny fampidinana ny vidin'ny angona (data) finday. Azonao vakiana ato ny fanadihadiana farany nataon'izy ireo (navoaka tamin'ny volana martsa) raha mila fanavaozana haingana
VAKITENY, FIHAINOANA, ary FIJERY FANAMPINY
- How a Library Is Reimagining Public Wi-Fi During COVID-19 via Project for Public Spaces
- Motorola phones will now include endangered languages from Latin America via The Verge
- What's Clubhouse, and how can you use it to report? via IJNet
Misorata anarana hahazo ny taratasim-baovaon'ny Rising Voices
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
