
Mpikatroky ny toetrandro avy any Pasifika nandritra ny hetsika iray tao Glasgow. Saripika avy amin'ny ranty Twitter 350 Pacific
Anisan'ireo nanatevin-daharana ny fihetsiketsehana nandritra ny Kaoferansan'Antoko Firenena Mikambana Fiovan'ny Toetrandro Faha-26 (COP26) tontosaina any Glasgow, Ekaosy ny tanora mpikatroky ny toetrandro avy amin'ireo firenena nosy Pasifika. Manomboka amin'ny fitenenana eo anoloan'ireo mpitondra manerana izao tontolo izao ka hatramin'ny diabe iarahana amin'ny mpandala ny tontolo iainana eny an-dalamben'i Glasgow, vitan'ny tanora monina anosin'i Pasifika ny manasongadina ny fiantraika mandrava ny fiovan'ny toetrandro mitranga any amin'ny vondrom-piarahamonin-dry zareo. Tamin'ity taona ity, mpitondra telo avy ao Pasifika ihany no afaka nandeha ho ao Glasgow, izay vao maika mampisy dikany kokoa ny fandraisan'ireo tanora mpikatroka avy ao Pasifika anjara ao amin'ny COP26.
Notondroin'ny mpitondra ao amin'ireo Nosy Pasifika ho loza mitatao lehibe indrindra ao amin'ny faritra misy azy ny krizin'ny toetrandro satria maro ireo nosy kely atahorana hanjavona noho ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina. Miantso fanoloran-tena feno fahasahiana sy hetsika maneran-tany izy ireo hiatrehana ny fiovaovan'ny toetrandro.
Nanao fanambarana fanokafana ny Fihaonamben'ny Mpitarika Manerantany i Selina N. Leem avy any amin'ny Nosy Marshall. Noresahany ny momba ny tokony hampifandray ny krizin'ny toetr'andro amin'ny olana ara-tsosialy hafa toy ny tsy fananan'asa, ny fahantrana ary ny fiharatsian'ny fahasalamam-bahoaka.
Opening statement for the World Leaders Summit at the COP26. Video as promised. ?
Thank you Karen for cutting this video for me. ??? pic.twitter.com/uFity9yOA2— Selina N. Leem (@_lipuppy12) November 5, 2021
Fanambarana fanokafana ny Fihaonana an-tampon'ny Mpitarika Manerantany amin'ny COP26. Horonantsary araka ny nampanantenaina. ?
Misaotra anao Karen nanapaka ity horonantsary ity ho ahy.
Brianna Fruean avy any Samoa nampahatsiahy ireo mpitarika erantany ny herin'ny teny hanovana an'izao tontolo izao. Nanampy ako ny “hiakan’ny mpiady” an’ireo mpiaro ny rariny momba ny toetrandro any Pasifika ihany koa izy: “Tsy rendrika izahay fa miady.”
Pacific Climate Warrior @Brianna_Fruean of @350Pacific spoke at the #COP26 UN climate conference today.
“We are not drowning, we are fighting. This is my message from earth to COP.” ?✊? pic.twitter.com/8EtgGOfnXO
— 350.org Europe (@350Europe) November 1, 2021
Mpiadin'ny Toetrandro Pasifika @Brianna_Fruean ao @350Pacific nandray fitenenana nandritra ny fihaonamben'ny Firenena Mikambana amin'ny toetrandro #COP26 androany.
“Tsy rendrika izahay fa mbola miady. Ity no hafatro eto an-tany ho an'ny COP.” ?✊?
Nisy teny ierana nosoniavin'ireo tanora mpiaro ny tontolo iainana any Pasifika natolotry ny Sekretera jeneralin'ny Forum Nosy Pasifika sy ny Praiminisitr'i Fiji.
This evening in Glasgow, the Pacific Climate Warriors presented the #Youth4Pacific declaration on Climate Change to the Secretary General of the Pacific Island Forum, H.E Henry Puna and the Prime Minister of Fiji, Hon. Frank Bainimarama at the high level PIFS Oceans event. #COP26 pic.twitter.com/j8GWphWZLS
— Cherelle Fruean (@CherelleLeilani) November 4, 2021
Tamin'ity takariva ity tao Glasgow, nanolotra ny fanambarana #Youth4Pacific momba ny fiovan'ny toetrandro ho an'ny Sekretera Jeneralin'ny Forum Nosy Pasifika, Ny Hajaina Henry Puna sy ny Praiminisitr'i Fiji, Hon. Frank Bainimarama tamin'ny hetsika Riaka PIFS avo lenta. #COP26
Anisan'ireo nanatevin-daharana ny dinika nokarakarain'ny Vondrona Mpanolo-tsain'ny Tanora ao amin'ny Sekretarià Jeneralin'ny Firenena Mikambana momba ny fiovan'ny toetr'andro i Dylan Kava avy any Fiji. Nanoratra momba ny zavatra tsapany izy ary nilaza nandritra ny hetsika::
I have to constantly remind myself that I am here to represent young Pacific voices and I need to push past being uncomfortable and be able to hold space for our people who are here in spirit.
Young people are capable of mobilizing themselves, and it really is the optimism that drives this—Optimism, not as a privilege, but as a necessity for our survival!
If leaders can’t do it, young people will. https://t.co/PVkwFTTjBB
— Dylan Kava (@dylan_kava) November 5, 2021
Tsy maintsy mampahatsiahy ny tenako hatrany aho fa eto aho hisolo tena ny tanora Pasifika ary mila miala amin'ny tsy fahazoazoana aina aho ka afaka mitazona tahala ho an'ny vahoakanay eto ao amin'ny fanahy.
Mahay mifanetsika ny tanora, ary ny fitariham-panantenana no tena mahatonga an’izany — ny optimisma, tsy amin’ny maha tombontsoa azy, fa amin’ny maha-ilaina azy hahavelona antsika!
Raha tsy mahavita izany ny mpitondra dia ho ataon'ny tanora izany.
Nandritra ny andro voalohany amin'ny COP26, nanoratra momba ny maha-zava-dehibe ny fihainoana ny tantaran'ireo vondrom-piarahamonin'ny nosy Pasifika i Dylan Kava::
Pacific voices are so important in spaces like COP. It is our stories that links the science and projections behind the climate crisis to REAL LIFE consequences and experiences.
We are resilient people, but we recognise the need for other countries to build their resilience as well if we are to have a fighting chance!
Tena manan-danja tokoa amin'ny sehatra tahaka ny COP ny feo Pasifika. Ny tantaranay no mampifandray ny siansa sy ny vinavinan-krizin'ny toetr'andro amin'ny vokatra sy ny iainana amin'ny TENA FIAINANA.
Olombelona mahari-pery izahay, saingy ekenay ny filàn'ny firenenkafa manangana ny faharetany tahaka ny hoe mila miady vintana isika!
Nandray anjara tamin'ny diabe tao Glasgow ihany koa ireo tanora mpikatroka avy any Pasifika::
Together, we marched through the streets of Glasgow calling for climate justice & representing the many Pacific Islands & voices that were unable to make it here. Heads were definitely turned when we all showed up TOGETHER.
“We are not drowning, we are fighting” ✊?✊?✊? pic.twitter.com/4yBiIxFZC7
— Dylan Kava (@dylan_kava) November 6, 2021
Niara-dia namakivaky ny araben'i Glasgow izahay nitaky ny rariny ara-toetrandro & nisolo tena ireo Nosy Pasifika & feo maro izay tsy afaka ny ho eto. Tena nitodika ny loha rehefa niseho NIARAKA izahay.
“Tsy rendrika izahay fa miady” ✊?✊?✊?
Nomarihan'ny mpandinika ny herin'ny sariohatra nateraky ny fivondronan'ny tanoran'ny nosy Pasifika ho amin'ny rariny ara-toetrandro:
I was recently asked ‘what is the Pacific’s greatest contribution on the global scale?’ I replied: Our YOUTH!!! And this right here explains why this was my answer ☺️☺️☺️ #Pacific #Youth #YouthCan https://t.co/WImX11s5ah
— Artivist Bano (@artivist_ishh) November 6, 2021
Nanontaniana aho vao haingana hoe ‘inona no fandraisana anjara lehibe indrindra vitan'i Pasifika eo amin’ny sehatra maneran-tany?’ Namaly aho hoe: Ny TANORAnay!!! Ary ity eto ity no manazava ny antony nahatonga izany valinteniko izany ☺️☺️☺️
Lorenzo Raplili no nisolo tena an'i Vanuatu tamin'ny hetsika COP26
I'm the only Ni-Vanuatu citizen made it to Glasgow for #COP26. I joined the Pacific youth warriors calling for Climate Justice and Action Now!
We marched through the streets of Glasgow representing many Islands & voices that were unable to make it here like my country Vanuatu. pic.twitter.com/tegacg5XGh— Lorenzo Raplili (@LRaplili) November 7, 2021
Izaho irery no olom-pirenena Ni-Vanuatu tonga eto Glasgow noho ny #COP26. Nanatevin-daharana ny tanora mpiady Pasifika miantso ny rariny ara-toetrandro sy ny hetsika izao dieny izao aho!
Namakivaky ny araben'i Glasgow izahay nisolo tena ny Nosy & feo maro izay tsy afaka tonga teto toa an'i Vanuatu fireneko.
Nisolo tena ny Firenena Kulkalgal i Tishiko King hiresaka momba ny fijalian'ny vondrom-piarahamonina Aboriginal ao Aostralia noho ny tetikasa fampandrosoana maloto.
I have seen the impacts of our islands being washed away from rising sea levels, exposing the bones of my ancestors. Likewise, many Aboriginal communities on the frontlines of dangerous gas fracking, and are fighting to protect their country, culture and water and our future.
Hitako ny fiantraikan'ny nosinay voafafan'ny fiakaran'ny ranomasina, mampiharihary ny taolan'ny razambeko. Torak'izany ihany koa, miady amin'ny fiarovana ny tanindrazany, ny kolontsainy ary ny rano sy ny hoavintsika ny vondrom-piarahamonina Aboriginal maro eo akaikin'ny amin'ny sisintanin'ny fielezan'etona mampidi-doza