- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Georgia, mifamory ny mpanao fihetsiketsehana ho fanohanana ny filoha teo aloha nogadraina

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Zeorzia, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

Nopihana avy amin'ny tatitra an-dahatsary nataon'ny Radio Liberty. [1]

Ao Georgia, akaikin'ny mpanohitra anjatony no nifamory [2] tamin'ny 6 novambra, miantso ny hamotsorana eo noho eo avy any am-ponja ny filoha telo aloha Mikheil Saakashvilli. Notontosaina tao an-tanànan'i Rustavi, manakaiky ny fonja ihazonana an'i Saakashvhilli amin'izao fotoana izao izany famoriam-bahoaka izany.

Voasambotra ny filoha teo aloha tamin'ny voalohany oktobra rehefa niverina tao Georgia, rehefa voatery nanao an-tsesitany ny tenany nandritra ny valo taona. Voadidy higadra enina taona tamin'ny fitsarana tsy natrehiny izy tamin'ny taona 2018 noho ny fihoaram-pahefana maro [3]. Notsipahin'ny filoha teo aloha ny vesatra nampiharina taminy. Nanao fitokonana tsy hihinan-kanina i Saakashvili hatramin'ny voalohany oktobra nisamborana azy.

Tonga maro ireo mpanao fihetsiketsehana nitondra faneva sy ny sainam-pirenen'i Georgia, Okraina, ary ny Vondrona Eoropeana, taorian'ny antso [4] nataon'ny United National Movement, vondrom-panoherana naorin'i Saakashvili. Tonga ny antso taorian'ny fihodinana faharoa [4] tamin'ny fifidianana isa-toerana notontosaina tamin'ny 30 Oktobra.

Nandritra ny kabariny [5] nanoloana ireto mpanara-dia ny mpanohitra ireto, nilaza ny mpitarika ny United National Movement, Nika Melia, hoe, “Mihevitra amin'ny tsy misy dikany ny governemanta fa nandresy izy omaly [30 Oktobra]. Tsy ho ela dia handresy ny vahoaka Zeorziana.” Niantso ny hanaovana fihetsiketseham-bahoaka “hafa noho ny fihetsiketsehana rehetra teo aloha” ihany koa i Melia tamin'ny 7 Novambra.

“Ho hitan'izao tontolo izao ny haben'ny fihetsiketsehana hotontosaina eo amin'ny kianjan'ny fahafahana ao amin'ny Lalambe Rustaveli amin'ny alahady [7 Novambra],” hoy ny fampanantenan'i Melia tamin'ny 31 Oktobra.

Raha nikabary tamin'ny vahoaka nanatrika i Melia tamin'ny sabotsy, dia nilaza fa hanao ny eo ivelan'ny fonjan'i Rustavi ho fitoeram-pihetsiketsehana maharitra mandra-pamindran'ny manampahefana an'i Saakashvilli ho any amin'ny hopitaly sivily. Koa satria an'arivony ireo mpanohitra nivory teo amin'ny kianjan'ny fahafahana tao Tbilisi tamin'ny 8 novambra, nambaran'i Melia ny daty sy ny toerana manaraka hanaovana ny fihetsiketsehana — 9 Novambra, eo ivelan'ny minisiteran'ny fitsarana. Araka ny [6] OC Media, ora vitsivitsy mialoha ny fihetsiketsahana tamin'ny alatsinainy, nafindran'ny manampahefana ho ao amin'ny fonjan'ny renivohitra Tbilisi izay tsaratsara kokoa ny toera-pitsaboana ao aminy ny filoha teo aloha.

Ankoatra ny fihetsiketsehana an-dalambe, nifantoka tamin'ny tetipanorona tsy mahazatra kokoa ny antoko mpanohitra hafa. Tamin'ny 7 sy 8 Novambra, antoko politika roa, Droa sy Girchi — Fahafahana be kokoa, izay niara-dia tamin'ny UNM mialoha ny fihodinana faharoa, no nanatontosa hetsika tsy misy herisetra teo ivelan'ny tranoben'ny Servisy Fiarovam-Panjakana. “Tamin'ny 7 Novambra, mpikambana ao amin'ny Girchi — Fahafahana be kokoa no nandraraka fako teo anoloan'ny Servisy Fiarovam-Pirenena ary nanipy fiaramanidina taratasy ho any anaty fefy. Ny ampitso, nitondra “fanampin-tsakafo manome hery” teo anoloan'ny Minisiteran'ny Fitsarana ny mpikatroky ny Droa, izay nanontany [7] ny amin'ny fitokonana tsy hanendry hanina nataon'i Saakashvili,” hoy ny tatitry ny [6] OC Media. Mandritra izany fotoana izany, nanomboka nanao fitokonana tsy hanendry hanina ny mpitarika ny Droa, Elene Khoshtaria tamin'ny 3 Novambra.

Nanolotra sampan'oliva ireo mpikambana parlemantera hafa avy amin'ny mpanohitra. Tamin'ny 8 Novambra, nanolotra [8] teboka-7 ho an'ny governemanta ny Vondrona Fanitsiana sy ny Lelo. Ao anatin'izany ny antoko mpanohitra mitaky ny hamindrana an'i Saakashvili ho any amin'ny hopitaly sivily; ny hanendrena mpitsara vahiny hisian'ny fitsarana ara-drariny amin'ny raharaha filoha teo aloha; ary ny fiverenana mankany amin'ny amboaram-panitsiana natsangana tao amin'ny Fifanarahana nanaovan'ny Vondrona Eoropeana fanelanelanana [9] ary nanaovan'ireo antoko sy ny governemanta sonia tamin'ny avrily.

Kely monja tamin'ny fanapahan-kevitry ny governemanta ny fiantraikan'ny [10] fiharatsian'ny fahasalaman'ny filoha teo aloha. Nilaza aza moa ny minisiteran'ny fitsarana fa na ho ratsy sahala amin'inona aza ny toe-pahasalamana, dia ho afindra any amin'ny sampana fitsaboana ao am-ponja ihany izy, araka ny tatitry ny Radio Liberty.