Fampitam-baovao tsy miankina maro kokoa nampidirin'ny manampahefana Belarosiana tao anaty lisitry ny mahery fihetsika sy nosakanana

access denied blocked websites belarus

Sary: fandavana fidirana nataon'i Creative Stall avy amin'ny Noun Project. CC-BY 3.0.

Niatrika tsindry lehibeny fampahalalam-baovao tsy miankina eo an-toerana tao Belarosia nandritra ny taona lasa, taorian'ny fikomiana naharitra ela nateraky ny fifidianana filoham-pirenena nampiady hevitra. Fampahalalam-baovao marobe no nahita fa nogadraina sy nosamborina ny mpanao gazetin'izy ireo, voasakana ireo fantsona media sosialy sy ny tranokalan'izy ireo, ary nogiazana ny fananan'izy ireo, rehefa avy nambara fa “mahery fihetsika (extremista)” izy ireo. Ankehitriny, mikendry ireo fampahalalam-baovao vahiny tsy miankina mitantara momba an'i Belarosia, sy ireo mpihaino ihany koa ny manampahefana Belarosiana.

Tamin'ny 28 Oktobra, nosakanan'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao Belarosiana ny fidirana amin'ny tranonkalan'ny Deutsche Welle, fampielezam-peo iraisampirenena tohanan'ny fanjakana Alemana, sy ny Current Time, tambajotra amin'ny teny Rosiana tantanan'ny RFE / RL vatsian'ny governemanta Amerikana ara-bola miaraka amin'ny Voice of America. Miaraka amin'ny tranonkalan'ny gazety Belarosiana Novy Chas, nosakanan'ny fitsarana Belarosiana ireo tranonkala ireo noho ny filazana fa manaparitaka fitaovana misy rohy heverina ho “mahery fihetsika”. Nilaza tamin'ny masoivohom-baovaom-panjakana BelTa ny minisitra lefitry ny fampahalalam-baovao voalohany Andrey Kuncevic fa “mikasa hanohy handray fanapahan-kevitra mikendry ny fiarovana ny sehatra fampahalalam-baovao ao amin'ny firenena”ny governemanta.

Niantso ny fanakanana ho “mampihomehy tanteraka” ny Tale jeneralin'ny Deutsche Welle, Peter Limbourg, raha nanameloka ny hetsika fanakanana ny Current Time koa ny filohan'ny RFE/RL, Jamie Fly.

Tamin'ny 29 Oktobra, nanambaran'ny governemanta Belarosiana ho mahery fihetsika ihany koa ny telo tamin'ireo fantsona media sosialy mpanohitra malaza indrindra ao amin'ny Telegram, tantanin'ny NEXTA. Namaly izany tamin'ny sioka mampihomehy ny NEXTA, hetsika eny ifotony notontosaina avy any Polonina, niarahaba ireo mpamaky azy tamin'ny hafatra hoe “Miarahaba ry mahery fihetsika”.

Mahery fihetsika 1,4 tapitrisa mahery no niseho tao Belarosia androany
Nankasitrahan'ny Minisiteran'ny Raharaha Anatiny ho “vondrona mahery fihetsika” ny fantsona telegrama NEXTA, NEXTA Live ary LUXTA. Midika izany fa azo sokafana ny raharaha heloka bevava hanoherana ireo mpamorona, mpitantana ary mpanjifa ao #Belarus.

Tamin'ny 3 Novambra, nanambara ny Minisiteran'ny Atitany any Belarosia fa notondroina ho mahery fihetsika ihany koa ny fantsona tsy miankina any Polonina, BelsatTV sy ny mpiasa rehetra ao aminy, ary ireo mpiserasera “miray hina amin'ny fanampiana ny loharano an-jotra Belsat” ka “voaràra tsy hitantana ny asan'izy ireo ao amin'ny Repoblikan'i Belarosia “. Toa manondro ireo mpanjifan'ny fantsona media sosialy Belsat na ireo mpamaky na ireo mpijery ny tranokalany ity fanendrena midadasika ity, izay milaza fa azo enjehina noho ny fizarana na fitsinjaràna ny votoatin'izy ireo ny iray amin'ireo olona ireo. Voatondro ho mahery fihetsika ny tranonkalan'ny Belsat tamin'ny fiandohan'ity taona ity, tamin'ny faran'ny Jolay 2021.

Franak Viačorka, mpanolotsaina zokiolona ao amin'ny mpitarika ny mpanohitra Sviatlana Tsikhanouskaya nilaza fa porofon'ny laza sy ny fahombiazan'ny fampahalalam-baovao ao Belarosia ny famoretana.

Sambany teo amin'ny tantara, nanonona ny fantsom-pahitalavitra iray manontolo – @Belsat_TV ho vondrona mahery fihetsika ny fitondrana. Voakasiky ny fanononana na ireo mpijery na ireo mpanao gazety. 940k ny fitambaran'ny olona. Etsy ankilany – fitaovana fandrahonana izany, etsy andaniny – porofon'ny fahombiazan'ny fantsona izany

Efa voasazy ireo mpanao gazety Belarosiana noho ny firotsahan'izy ireo amin'ireo fampahalalam-baovao voatondro ho mahery fihetsika. Tamin'ny 1 Novambra, nanameloka mpanao gazety roa, Iryna Slaunikava sy Syarhei Niarouny ny fitsarana Belarosiana noho ny fiampangana azy ireo ho nanaparitaka fihetsika mahery tamin'ny voalaza fa fifaneraseran'izy ireo tamin'ny pejy Facebook-n'ny Belsat sy ny fampahalalam-baovaon'ny Tut.by. izay samy voaràra ao Belarosia. Araka ny filazan'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Belarosiana (BAJ), ny tenany ihany no voaràra ao amin'ny firenena, voasazy higadra 15 andro i Slaunikava, raha nahazo sazy handoa onitra 580 robla Belarosiana (235$) kosa i Niarouny.

Gulnoza Said, mpandrindra ny fandaharan'asan'ny Komitin'ny Fiarovana ny Mpanao Gazety ao Eoropa sy Azia Afovoany nilaza fa “fahoriana vaovao” ny fepetra famoretana vaovao, eny fa na dia eo aza ny fampielezan-kevitry ny manampahefana Belarosiana hanoherana ny gazety tsy miankina”. Niantso ny manampahefana Belarosiana ny CPJ mba “hampitsahatra ny fanaon'izy ireo amin'ny fandraràna ny fampahalalam-baovao” ary hampitsahatra ny fanasaziana mpanao gazety sy olom-pirenena amin'ny fandraisana anjara amin'ny votoatin'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.