- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady Mpitantana Fandikan-teny hitarika ny ekipa Lingua Frantsay ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, lingua

Ny fiarahamonina Lingua Global Voices nandritra ny fihaonambe tany Kolombo, Sri Lanka.

Mitady Mpitantana Fandikan-teny tapakandro ny Global Voices (GV) hitantana ny fandikana votoaty GV amin'ny teny Frantsay [1].

Mitarika ireo ekipa mpandika teny Lingua [2] ny Mpitantana Fandikan-teny, mandika ny votoatin'ny GV indrindra indrindra avy amin'ny teny Anglisy ho amin'ny fiteny hafa, izay ipetrahan'ny fiteny tsirairay ao amin'ny tranonkala voatokana ao amin'ny tambajotra GV.

Ny Mpitantana ny Fandikan-teny Frantsay dia tompon'andraikitra amin'ny:

Tokony manana ireto fahaizana sy fepetra manaraka ireto ny kandidà mahomby

Ny Global Voices dia fikambanana iray manerantany, virtoaly tohanan'ny ezak'ireo mpiasa sy mpirotsaka an-tsitrapo ahitana ireo olona any amin'ny kaontinanta rehetra. Ahitana ekipa tonian-dahatsoratra miasa ampaham-potoana [4] ny milina mamelona ny efitra fanaovan-gazetin'ny Global Voices, ary miara-miasa amin'ireo mpanoratra an-tsitrapo manerana izao tontolo izao ary manasongadina tantara sy fomba fijery izay tsy dia hita any amin'ny media mahazatra iraisampirenena.

Tsy misy fepetra ara-jeografika mifandraika amin'ity toerana ity; Tsy manana birao na foibe hita vatana ny Global Voices. Na izany aza, tsy maintsy mahay mandamina ny fandaharam-potoanany sy mahay miasa tsara amin'ny tontolo virtoaly ny kandidà. Hanao tatitra any amin'ny Mpitantana ny Lingua Global Voices ny olona voafantina.

Mandrisika indrindra ireo kandidà avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana izahay ary mandrisika ny olona mandray anjara ankehitriny amin'ny tetikasa Global Voices mba hifaninana.

Ampaham-potoana ny fiasana ary raisina ho toy ny fifanarahana mahaleotena.

Amporisihana indrindra ireo mpandray anjara ao amin'ny GV Lingua Frantsay

Raha hifaninana:

Alefaso ao amin'ny gohary@globalvoices.org hatramin'ny 11:59 hariva UTC, 30 Novambra 2021 ny CV sy taratasy manasongadina ny asanao sy manazava ny antony fa ianao no sahaza ny asa. Ampidiro azafady ny anaranao sy ny hoe “French Translation Manager” ao amin'ny lohahevitra.