- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taorian'ny fanafihana ny foibem-piarahamonina LGBTI ao Sofia, miampanga ny herisetran'ireo mahery fihetsika elatra havanana ireo mpikatroka sy politisianina Bolgara

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bolgaria, Mediam-bahoaka, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona
[1]

Nipoitra i Gloria Filipova avy ao amin'ny Rainbow Hub tamin'ny Sabotsy 30 Oktobra 2021. Sary: pikantsary avy amin'ny lahatsary Facebook [2] avy amin'ny Rainbow Hub, nahazoana alalana.

Tamin'ny Asabotsy 30 Oktobra, andiana lehilahy matanjaka folo teo ho eo avy amin'ny antoko politika ultranationaliste Bulgarian National Union – New Democracy [3] (BNU-ND)  no nanafika ny Rainbow Hub, foiben'ny fiarahamonina LGBTI ao Sofia, renivohitr'i Bolgaria. Nanapotika ny toerana ny vondrona mahery fihetsika manana rohy neo-Nazi [4], no sady nanimba fanaka sy fitaovana, raha nanafika ara-batana ilay mpikatroka Gloria Filipova kosa ny kandidà ho filoham-pirenena Boyan Rasate.

Nisy nanafika androany alina nandritra ny fivorian'ny fiarahamonina #trans [6]ny biraonay sy ny foibem-piarahamoninay LGBTI ao #Sofia [5] – Rainbow Hub. Fanta-daza amin'ny fanambarany sy ny fihetsiny mankahala ny LGBTI ny mpitarika ny fanafihana Boyan Rasate – ary mirotsaka ho Filoha ao #Bulgaria izy amin'izao fotoana izao.

Araka ny vaovaon'ny [10] fahitalavitra Nova.bg, nanomboka ny famotorana momba ny “hooliganisma” ny polisy, mifototra amin'ny fijoroana vavolombelona nataon'ilay mpikatroka Gloria Filipova, izay nanao fizahana ara-pitsaboana avy hatrany:

Физически съм добре. Нараняването е минимално. Психически съм доста стресирана. Имахме събитие и към 17.30 ч. се почука на вратата. Едно момиче стана да отвори. Аз също отидох, за да видя кой е. Влезе група, ръководена от Боян Расате. Започнах да викам, че не може да влизат и тогава той ме удари. Започнаха да чупят всичко наоколо. Всичко продължи няколко минути. Звъннах на 112.

Salama ara-batana aho. Kely ny ratra. Reraka ara-tsaina aho. Nanao lanonana izahay ary tokony ho tamin'ny 17:30 ora teo dia nisy nandondòna tao am-baravarana. Ankizivavy no nandeha nanokatra ny varavarana. Nandeha nijery koa aho hoe iza izany. Niditra ny vondrona notarihin’i Boyan Rasate. Nanomboka nikiakiaka aho, nilaza tamin'izy ireo fa tsy mahazo miditra ao izy ireo, ary nodarohany aho. Nanomboka namaky ny zava-drehetra manodidina ny toerana izy ireo. Naharitra minitra maromaro izany rehetra izany. Niantso polisy tamin'ny finday aho.

Nanamafy ireo nanatri-maso hafa fa namely totohondry an’i Filipova teo amin’ny tarehiny ilay voarohirohy ho mpitarika ny fanafihana Boyan Rasate. Araka ny filazan'ny Sofia Globe, nanampy i Filipova hoe:

In the end, Boyan Rasate and another man remained. I had said that they had done their job and could leave, but he replied that he had not finished yet and took out a knife and cut the tires of a scooter that was here. The knife was not used against us, but there was a weapon.

Nijanona nony farany i Boyan Rasate sy ny lehilahy iray hafa. Nilaza aho fa vita ny asan'izy ireo ary afaka miala izy ireo, saingy namaly izy fa mbola tsy vita ka naka antsy ary nanapaka ny kodiaran'ny moto scooter iray teo. Tsy nampiasaina taminay ny antsy, saingy nisy ny fitaovam-piadiana.

Nilaza tao amin’ny Nova.bg i Rasate tamin'ny alahady maraina fa tsy mbola nitady azy ny polisy tamin’io fotoana io.

Araka ny filazan'ny [11]Radio Free Europe amin'ny teny Bolgara, antoko politika efatra ary koa mpanao politika tsotra no nanameloka ny fanafihana.

Nilaza [12] tamin'ny lahatsoratra Facebook ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta Eoropeana afovoany havanana, Radan Kanev fa tsy nampoizina ilay hetsika, na dia “mahatezitra sy manelingelina”, satria “tsy olana vaovao ao Bolgaria ny herisetra mifototra amin'ny fankahalana ara-nofo samihafa, indrindra fa ny olona pelaka. Mifanohitra amin'izany, olana mihalalina izay efa nihatra tamin'ny olona tsy manan-tsiny izany. “

Nohamafisiny ihany koa fa fotoana tokony hanasokajiana ireo heloka bevava ateraky ny fankahalana ara-nofo isan-karazany ho toy ny heloka bevava ao anatin'ny Fehezan-dalàna Famaizana izao.

Mampahatezitra sy manaitra araka ny efa nampoizina ny fanafihan'ny #Neonazi [13] tao amin'ny #RainbowHub [14] #Sofia [5]. Araka ny efa nampoizina, tsy olana vaovao ao #Bulgaria [7] ny herisetra satria mifototra amin'ny fankahalana ara-nofo isan-karazany, indrindra fa amin'ny olona pelaka. Mifanohitra amin'izany, olana mihalalina izy ity

Nitatitra [20] ny Monitor.bg fa namoaka fampilazana tamin'ny alàlan'ny Facebook ny antoko politika afovoany ankavia We Continue the Change [21], milaza fa nitam-piadiana ireo mpanafika avy amin'ny “fikambanana iray karazana milisy”, ary nitaky ny fanafoanana ny tsimatimanota parlemantera ho an'ny lehiben'izy ireo sy hetsika haingana avy amin'ny mpampanoa lalànan'ny fanjakana.

Nilaza [22] tao amin'ny Twitter ny Bilitis Foundation, mpanorina ny Rainbow Hub fa nitranga ny fanafihana 10 andro monja taorian'ny fanangonan-tsonia nahazo sonia 8.000 mahery niaraka tamin'ny All Out [23]izay napetraka tao amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana, ary mitaky ny fampidirana ho heloka bevava ny fankahalana LGBTI ao anatin'ny Fehezan-dalàna Famaizana. Tsy ekena ankehitriny ho toy ny sokajy manokana ao Bolgaria ny heloka bevava fankahalàna [24] mifototra amin'ny fironana ara-pananahana sy ny maha-lahy sy maha-vavy ny niharam-boina.

Namoaka didy ny Fitsarana momba ny Lalàm-panorenana Bolgara tamin'ny 26 Oktobra fa tsy mifanaraka amin'ny lalàm-panorenana ny fankatoavana ny Fifanarahana Istanbul [25], fifanarahana iraisampirenena momba ny zon'olombelona manohitra ny herisetra atao amin'ny vehivavy sy ny herisetra an-tokantrano. Nitatitra [26] ny Balkan Insight fa nitsikera ny didim-pitsarana ireo mpikatroka ao Bolgaria, izay nilaza fa tsy afaka manondro ny firaisana ara-nofo biolojika ihany ny teny hoe “genre_lahy sy vavy (miralenta)”.

Any Bolgaria, ampiasaina ho fitenenan-dratsy [27], hanambaniana ireo vitsy an'isa ara-pananahana sy ireo olona sady tsy lahy no vavy ny teny anglisy hoe gender, amin'ny fandikana azy (джендър) mivantana. Matetika ampiasaina hanambaniana ireo mpiaro vehivavy sy ireo mpiaro ny zon'olombelona io teny io.

Maro amin'ireo olona ao amin'ny Twitter miantso firaisankina amin'ny Rainbow Hub no nanamarika ihany koa fa afaka maneho izany amin'ny alalan'ny fanomezana izay hampiasaina hanavaozana sy hamenoanafanaka indray ny trano ny olona.

Notafihan'ny Firaisambe Nasionaly Bolgara omaly hariva ny Foibem-piarahamonina LGBTI ao Sofia, ka olona iray no naratra. Raha te hanohana ny Foibe amin'ny fanavaozana sy hanohizana ny asa lehibe ataony ianao, dia izao ny fomba fanomezana