- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Torkia: tatitra vaovao manasongadina ny fihitaran'ny sivana anjotra

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Pikantsary avy amin'ny fonon'ny pejy misy ny tatitra nataon'ny Freedom of Expression Association [1]. Nahazoana alalana.

Nosoratana tamin'ny taona 1953, momba ny hoavy nandoroana ireo boky tao amin'ny fiarahamonina mampahory ny tantara dystopiana Fahrenheit 451 [2] nosoratan'i Ray Bradbury. Mampiasa ilay boky fanta-daza ny tatitra [1] vaovao mitondra ny lohateny hoe Fahrenheit 5651: Ny Vokatra Mangidin'ny Sivana mba hanazavana fa manimba ny fahalalaham-pitenenana Tiorka ireo andiana fanitsiana natao tamin'ny lalàna Tiorka Laharana. 5651. Natao “handraketana ny halehiben'ny sivana ny tatitra sy hahazoana antoka fa tsy ho voafafa tanteraka amin'ny fitadidiana iombonana ny voka-dratsin'ny sivana sy ny fahasimbana ateraky ny sivana.” Manome antsipiriany [3] momba ireo tranga fanakanana tranonkala, kaonty media sosialy, sy votoaty media sosialy, ary koa lahatsora-baovao voasivana ao Torkia  ny antontan-taratasy misy 120 pejy navoaka tamin'ny Oktobra 2021.

Mandrakitra ireo hetsika tamin'ny taona 2020 ny tatitra ary fahatelo amin'ireo andiana tatitra [4] navoakan'ny Freedom of Expression Association [5]. Niorina tamin’ny taona 2017, natsangana ny fikambanana “hanana tanjona hanome fanampiana momba ny lalàna ho an’ireo izay voahitsakitsaka, na atahorana ho voahitsakitsaka ny zony amin'ny fahalalahana maneho hevitra”. Manome fikarohana, mikarakara fiofanana ary mitantana hetsika iraisana nasionaly sy iraisampirenena ny fikambanana. Anisan'ireo mpanorina azy ireo mpisolovava malaza eo an-toerana, akademisiana ary mpiaro ny zon'olombelona.

Sivana amin'ny isa

Milaza ireo mpanoratra ny tatitra fa tranonkala 467.011 no voasakana tamin'ny faran'ny taona 2020, arahin'ireo rohy URL voasakana miisa 150.000, kaonty Twitter miisa 7.500, sioka 50.000, lahatsary YouTube 12.000, lahatsoratra Facebook 8.000 ary lahatsoratra Instagram 6.800. Niharan'ny Lalàna Laharana. 5651 (fantatra ihany koa amin'ny hoe Lalàna mifehy ny Aterineto [6]) sy ireo fepetra ara-dalàna hafa navoakan'ny fitsarana heloka bevava 764 momba ny fandriampahalemana sy ireo andrim-panjakana hafa nahazo alalana ireo votoaty voasakana rehetra ireo.

Nampidirina [7] tamin'ny volana Mey 2007 ny Lalàna laharana 5651. Mitondra ny lohateny hoe “Fifehezana ny Famoahan-dranty ao amin'ny Aterineto sy Fanafoanana ny Heloka Bevava Atao Amin'ny alalan'ny Famoahana Ranty Toy izany”, ny Lalàna mifehy ny Aterineto, raha fintinina, dia fepetra ara-dalàna mamela ny fanakanana faobe ny tranonkala sy ny votoaty anjotra.

Nizara ny laharana gisigisitra an'i Torkia amin'ny tatitra mangarahara momba ny sehatra media sosialy ihany koa ny tatitra.

Tao anatin'ny tatitry ny Freedom on the Net [8] maneran-tany vao haingana indrindra, nametraka an'i Tiorkia ho “tsy misy fahalalahana” ny Freedom House:

Internet freedom continued to decline for a third year in a row in Turkey. During the coverage period, hundreds of websites were blocked, in some instances under a new social media law. Online content deemed critical of the ruling Justice and Development Party (AKP) or President Recep Tayyip Erdoğan was removed from websites and social media platforms, and online activists, journalists, and social media users were harassed both physically and online for their social media posts.

Nihena hatrany ny fahalalahan'ny Aterineto tany Torkia nandritra ny telo taona nisesy. Nandritra ny vanim-potoanan'ny fandrakofana, tranonkala an-jatony no voasakana araka ny lalàna vaovao momba ny media sosialy amin'ny tranga sasany. Nofafàna tao amin'ny tranonkala sy ny sehatra media sosialy  ny votoaty an-tserasera heverina ho mitsikera ny fitondran'ny Antokon'ny Rariny sy ny Fampandrosoana ( Justice and Development – AKP) na ny Filoha Recep Tayyip Erdoğan, ary niharan'ny herisetra ara-batana na anjotra ireo mpikatroka an-jotra, mpanao gazety sy mpisera media sosialy noho ny lahatsoratra navoakan'izy ireo tao amin'ny media sosialy.

Nanatsonga ny nolazain'i Gürkan Özturan ao amin'ny Ivotoerana Eoropeana ho an'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny media ny tranokalam-baovao an-tserasera Bianet [9]: “Hetra vaovao na nitombo, famerana ny fidirana, votoatim-baovao voafafa, fahafahana manakatona ny fidirana amin'ny sehatra iray manontolo, ary indrindra indrindra, ny fanagadrana na fisamborana ireo olona mampiasa ny fahalalahany maneho hevitra noho ny fanakianana nataony tao amin'ny aterineto, ary mampiseho ny faharesen-dahatry ny sasany amin'izy ireo fa mbola lavitra ny lalana haleha amin'ny resaka fahalalahan'ny aterineto ao Torkia.”

Araka ny filazan'ny Reporters Sans Frontières, laharana [10] faha-153 amin'ny firenena 180 i Torkia tamin'ny Tondro Manerantany momba ny Fahalalahan-gazety (Index World Press Freedom) 2021.

Tamin'ny volana Jolay 2020, nanitsy ny Lalàna laharana faha- 5651 i Tiorkia mba hampiditra famerana vaovao amin'ny media sosialy [11], mampiditra andianà fepetra [12] manakantsakana ny zo ankihy sy ny fahalalaham-pitenenana ao Torkia [13]. Anisan'ny fepetra takiana ny fanerena ireo orinasa media sosialy mba hanokatra birao ao Torkia, ny fitehirizana ny angon-drakitry ny mpiserasera ao Torkia, ary ny fitakiana amin'izy ireo hanaja ny lalàna henjana momba ny sivana ao Tiorkia, anisan'izany ny fandraràna ireo mpiserasera tsy “hanevateva” ny filoha.

Ny fihenan'ny fahalalahan'ny media

Tamin'ny taona 2021, nanamarika fihenana bebe kokoa amin'ny fahalalahan'ny media ny fanambaràna maro nataon'ny governemanta [14]. Tamin'ny 21 Jolay, nilaza ny filoha Tiorka Recep Tayyip Erdoğan tamin'ny tafatafa [15] iray fa mikasa hampiditra fitsipika vaovao hiadiana amin'ny “horohoron'ny lainga”, manondro ireo vaovao diso miparitaka amin'ny sehatra media sosialy ny governemantan'ny fitondrana. Ny androtr'io ihany, nanambara [16]ny fikasana hifehy ireo sehatra fampitam-baovao eto an-toerana vatsian'ny vahiny vola “mba hiantohana ny fahafahan'ny vahoaka mahazo vaovao marina” ny talen'ny Fitantanana ny Fifandraisana ao amin'ny Fiadidin'ny Filoha.

Azo inoana fa mikendry ireo sehatra fampahalalam-baovao anjotra tsy miankina vitsivitsy ao Tiorkia ireo fitsipika vaovao, andrasana amin'ny faramparan'ny taona 2021. Nomelohin [17]‘ny Media Freedom Rapid Response [18] — tetikasa manaraka, manara-maso, ary manentana amin'ny fanoherana  ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahan'ny haino aman-jery any amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana (EU) sy ireo firenena kandidà — ary ireo fikambanana mpiara-miasa tahaka ny Article 19, ny Fikambanan'ireo mpanao gazety Eoropeana ity fanapahan-kevitra ity. Namoaka fanambaràna [17] ireo fikambanana ireo tamin'ny 23 Jolay 2021, izay milaza fa “hetsika mazava hanakanana bebe kokoa ny fampahalalam-baovao malalaka ao Tiorkia amin'ny alalan'ny fifehezana ny votoaty” ireo fepetra vaovao ireo.

Namintina ireo mpanoratra ny tatitra vaovao hoe: “Hitohy amin'ny taona hoavy ny voka-dratsy mangidy sy manimba amin'ny fihamafisan'ny sivana sy ny fanaraha-maso.”