- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Songadina Global Voices volana Oktobra 2021

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, Fankalazana

Ankizy milalao savily nentim-paharazana eo amin'ny bararata nandritra ny fety Dashain tany Palpa, Nepal. Dashain no fetibe lehibe indrindra ankalazain'ny Haindo ao Nepal. Fety mifindrafindra, ny 7-15 Oktobra no nankalazaina ny Dashain tamin'ny 2021. Sary [1] avy amin'i Mithun Kunwar (CC BY 2.0) [2]

Misaotra ny rehetra tamin'ny asa niavaka nataonareo rehetra tamin'iny volana Oktobra 2021 iny! Ireto ny sasantsasany tamin'ireo songadina tamin'iny volana iny:

Tongasoa ireto mpandray anjara vaovao ireto izay namoaka ny lahatsorany GV na fandikan-teniny voalohany tamin'ny volana Oktobra 2021!

Agnese Zingarello, Alessandra Nuzzo, Alex Esenler, Andrea García, Arianna Mighela, Arthur L. Silva, Catherine Klein, Charlotte Armengaud, Chiara D’Emma, Chiara Paganelli, Cécilia Canal, Eleonora Picierro, Elisa Fasola, Elisa Mancuso, Elvina Solari, Fatma Abdeldaem, Fatma Lassilaa, Guilherme Campos, Hagar Waleed, Israa Abdelfatah, Kelly Chaib De Mares, Lavinia, Marco Puliti, Maria Bitkova, Marine Auguste, Martina Cesarano, Najmun Nahar Milu, Olimpia V, Ophélie Douchet, Pauline, Polina Kourova, Rosalba D.T., Shaimaa El-Afifee, Simone Raganà, Tatyana Pomazan, Valeria I.

Arahabaina i: Ylenia Gostoli [3], maintimilaly ato amin'ny GV, nahazo ny loka ho an'ny Andro Hanoherana ny Fanandevozana 2021 [4] tamin'ny lahatsoratra fanadihadiana tsara indrindra miresaka ny fanandevozana maoderina na ny fanondranana olona an-tsokosoko.

Mpiara-miasa vaovao amin'ny fampitam-baovao: Jam News [5], Unbias The News [6]

Hetsika GV: Notarihin'ny talen'ny Advox Nanjala Nyabola, nikarakara atrikasa tapak'andro mitondra ny lohateny hoe “Demaokrasia nomerika eto Afrika” ny ekipan'i Afrika atsimon'i Sahara, izany dia natrehin'ny vondrona kely mpandrafi-dalàna, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpikatroka ary ny mpanao gazety avy eto amin'ny kaontinanta. Ny CIPESA [7] no nanohana ny hetsika.

Ireo nivahiny  avy ato amin'ny GV: niseho [8] tao amin'ny famelabelaran-kevitra mitondra ny lohateny hoe “Feo, Paikady sy Teknolojia hiatrehana ny Fitantarana Matanjaka” mivantana mihitsy i Filip Noubel, tonian-dahatsoratra mpitantana anay! Tafiditra ao anatin'ny fivoriambe Powers of Truth: China, Tech, Art, Resistance [9] [Herin'ny Marina: Shina, Zavakanto, Fifaharana] notontosain'ny Tambajotran'ny Laboratoaran'ny Fahatapahana miorina ao Berlin ny famelabelaran-kevitra.

Isan'ny tantara navoaka tato amin'ny GV amin'ny teny Anglisy [10]: 100 (niakatra raha 97 tamin'ny volana Aogositra)

Totalin'ny jeripejy rehetra (tranonkala rehetra): 492.932 (niakatra raha 432.987 tamin'ny volana Septambra)

Lahatsoratra 10 voalohany araka ny jeripejy (lahatsoratra vao haingana ihany):

  1. Raharaha Uyghur : Mitsipalotra ao Afghanistan ny tena atahoran'i Shina indrindra [11]nosoratan'i Kok Bayraq (34,712)
  2. Malaysian rapper Namewee breaks the hearts of mainland Chinese ‘little pinks’ [12] nosoratan'i Oiwan Lam (6,658)
  3. Peter Telfer, the Trinidadian percussionist who made African drumming a church staple, goes to his Creator  [13]nosoratan'i Janine Mendes-Franco (6,417)
  4. Facebook’s ‘Dangerous Individuals and Organizations’ list concerns Oromo users in Ethiopia [14] nosoratan'i Robera Hamda (5,680)
  5. Controversial Jamaican pastor dies in car crash on the way to being charged for ‘cult’ deaths [15] nosoratan'i Emma Lewis (5,604)
  6. Chinese movie ‘The Battle of Lake Changjin’ turns the painful history of the Korean War into a glorious victory [16] nosoratan'i Oiwan Lam (3,165)
  7. Tensions are escalating between Azerbaijan and Iran over border issue and Armenia [17] nosoratan'i Arzu Geybullayeva (2,920)
  8. Myanmar actress Mya Hnin Ye Lwin on her decision to join the anti-junta resistance [18] nosoratan'i Radio Free Asia (2,517)
  9. Boji, ilay alika mampiasa fitateram-bahoaka mitety an'i Istanbul [19] nosoratan'i Arzu Geybullayeva (2,314)
  10. Is the shutting down of Chinese LinkedIn the end of foreign big tech’s engagement with China? [20] nosoratan'i Oiwan Lam (1,395)

Ireo firenena 15 voalohany nahitana ireo olona nitsidika ny tranonkala GV:

    1. Etazonia
    2. Alemaina
    3. Brezila
    4. Filipina
    5. Canada
    6. Frantsa
    7. Japana
    8. Fanjakana Mitambatra
    9. Espaina
    10. Meksika
    11. Italy
    12. Kolombia
    13. Trinité sy Tobago
    14. India
    15. Arzantina