- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miaraha aminay MIVANTANA amin'ny 2 Desambra hitapatapak'ahitra momba ny “Fampiroboroboana an-tambajotra sosialy”

Sokajy: Mediam-bahoaka

 

Adventures in social media promotion [1]

Miaraha aminay amin'ny “Fampiroboroboana ny tambajotra sosialy” ny Alakamisy 2 Desambra 2021.

Ampiantranoan'ny TargetingS [2] sy ny Global Voices ary natao ho an'ny tonian-dahatsoratry ny tambajotra sosialy any amin'ny efitrano famoaham-baovao, ity tapatapak'ahitra maharitra 60 minitra amin'ny Alakamisy 2 Desambra amin'ny 4 ora hariva GMT / 5 ora hariva CET / 11 ora maraina EST / 8 ora maraina PST [3] ity dia hifantoka amin'ny fomba iarahan'ny ekipan'ny tambajotra sosialin'ny Global Voices mizara tantara amin'ny mpanara-baovao manerana ny tambajotra sosialy.

Maimaim-poana sy misokatra ho an'ny daholobe ny fivoriana ary halefa mivantana amin'ny YouTube [1].

<<Misoratra anarana eto >> [4]

Atolotr'i Nevin Thompson [5], mpitarika ny tambajotra sosialy ato amin'ny Global Voices, hanasongadina ny ekipan'ny media sosialy ato amin'ny Global Voices ny fifanakalozan-kevitra, ao anatin'izany i J. Carolina Brantiecq, Eli Rivera, ary Asteris Masouras. Chris Deco no hisolo tena ny TargetingS, mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices ao amin'ny tambajotra sosialy.

Toy izao no ho hita ao anatin'ny lohahevitry ny dinika:

Momba ny TargetingS

Ny TargetingS dia sehatra fitantanana tambajotra sosialy mifototra amin'ny haranita-tsaina voatrolombelona (AI) izay manamaivana ny fotoana lany amin'ny asa mahazatra atao ao amin'ny tambajotra sosialy, mampitombo ny isan'ny mpanjohy ary manome hirika mitondra fampidiram-bola. Natomboky ny manam-pahaizana momba ny teknolojia sy ny media tamin'ny taona 2014, hita any amin'ny firenena miisa 40 ankehitriny, amin'ny fiteny miisa 30 ary mamoaka lahatsoratra mihoatra ny 19 tapitrisa isam-bolana ny Targetings.

Antsimpiriany:

Rahoviana: Alakamisy 2 Desambra amin'ny 4 ora hariva GMT / 5 ora hariva CET / 11 ora maraina EST / 8 ora maraina PST (tsindrio eto [6] raha hijery ny ora any amin'ny toerana misy anao)

Aiza: Mivantana amin'ny YouTube  [1]

Misoratra anarana amin'ny: https://www.eventbrite.com/e/adventures-in-social-media-promotion-tickets-184259584377 [4]

Raha mila fanazavana fanampiny dia mifandraisa amin'ny:

Nevin Thompson, Mpitantana ny Tambajotra Sosialy, Global Voices [5]