- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Zeorziana hafa fiseho ivelany: ‘Asain'ny namako mitafy amin'ny fomba tsy hidarohana ahy aho’

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Zeorzia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Saripika, Tanora, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona

 

Pikantsary avy amin'ny horonantsary Jam News video [1].

Ity lahatsoratra ity dia navoaka voalohany tao amin'ny JAM News [1]. Navoaka eto ny lahatsoratra nasiam-panitsiana araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Ahoana no amaritana anao amin'ny endrikao ety ivelany? Niresaka tamin'i Tsitsi Chkheidze na Indigo, Sandro “Manson,” ary Eka Mdzeluri ny JAM News, ireo olona telo manao izay mahafalifaly ny fony, nizara ny traikefa niainany sy niasany tao amin'ny fiarahamonina nahitan'izy ireo fanakianana sy fitsarana lehibe noho ny fiseho ivelany.

Amin'ny volony marevaka, ny makiazy mirentirenty, ny lamaody adaladala, ny tevika ary ny tombokavatsa, matetika i Indigo no miavaka amin'ny fiarahamonina Zeorziana. “Mihetraketraka amiko ny olona sasany,” hoy i Indigo, mpaka sary matihanina [2] , tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny JAM News. “[Milaza amiko izy ireo] fa tsy miraharaha ny fomban-drazana ao Zeorzia aho.”

Ho an'i Sandro “Manson”, endriky ny fanehoana ara-javakanto ananany ny endriny matroka sy manaitra. Mpihira [3] i Sandro “Manson” no nikarakara ny hetsika ho an'ny Andro Goth Manerantany ao Zeorzia tamin'ny taona 2016 [4]. “Sarotra ny fiainana raha toa ka tsy mitovy ny fijery momba anao ao Zeorzia,” hoy izy tamin'ny JAM News.

Samy nanazava izy telo ireo fa betsaka ny zavatra niova tao amin'ny firenena taorian'ny hetsika fanoherana [5] ny LGBTQ+ izay nanovitrovitra ny renivohitra tamin'ity fahavaratra ity. Nandritra ny fahavaratra, nanatri-maso ny fanafihana noho ny fankahalana pelaka ratsy indrindra hatramin'izay ny renivohitr'i Zeorzia, Tbilisi. Nofoanana [5] noho ny fanafihana mahery vaika nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny LGBTQ ny Diaben'ny Fahamendrehana, nokasaina hatao ny 5 Jolay ho ampahany amin'ny herinandron'ny Fahakevohana.

Farafahakeliny mpanao gazety miisa 50 [6] no voadaroka [7] ary nisy andian'olona mahery setra nanafika sy namaky ny biraon'ny mpikarakara ny diabe — Hetsiky ny Fahakevohana sy Fahamenarana Tbilisi, vondrona mpikatroka liberaly roa. Andro vitsivitsy taorian'izay, fihetsiketsehana faobe [8] iray hafa teo ivelan'ny tranoben'ny parlemanta no niharan'ny herisetra nataon'ireo vondrona farany havanana.