- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Pandora Papers: Nepaley 16 nampiasa vola tsy ara-dalàna tamin'ny orinasa offshore any amin'ny paradisan'ny hetra

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna
The Pandora Papers, a global investigation by the International Consortium of Investigative Journalists (ICIJ), in collaboration with more than 140 media outlets around the world. Image via Record Nepal and Pandora Papers. Used with Permission. [1]

Ny Pandora Papers [2]dia fanadihadiana manerantany tanterahan'ny International Consortium of Investigative Journalists (ICIJ), iarahany miasa amin'ny seha-baovao mihoatra ny 140 manerana izao tontolo izao. Sary tao amin'ny Record Nepal [1] sy ny Pandora Papers. Nahazoana alalana.

Ny lahatsoratra etoana avy amin'ny mpanao gazety mpanadihady Krishna Acharya [3] sy Ramu Sapkota [4] dia nivoaka voalohany [5] tao amin'ny The Record (Nepal) ary navoaka teto amin'ny Global Voices indray ny endrika nohafohezina sy nahitsy araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Mpampiasa vola sy orinasa nepaley malaza no tafiditra amin'ny fampiasam-bola sy fifamezivezena sy fifanakalozam-bola miafina izay ahitana fivarotana sy fividianana petrabola amin'ny fananganana orinasa any amin'ny paradisan'ny hetra—firenena izay malaza ho mora ny fanafenana harena azo avy amin'ny fomba mamohehatra. Ny navoakan’ [6]ny Pandora Papers [2], fanadihadiana manerantany notontosain'ny International Consortium of Investigative Journalists (ICIJ na ny vondron'orinasa iraisampirenen'ny mpanao gazety fanadihadiana), niarahany niasa tamin'ny seha-mpampitam-baovao mihoatra ny 140 manerantany, no nahamarika ny Chaudhary Group [7] sy ny Golchha Organisation [8], ankoatra ireo hafa, ho voarohirohy amin'ny fanaovan-draharaha tahaka izany.

Araka ny dosie nomen'ny ICIJ, tambajotran'ny mpanao gazety fanadihadiana iraisampirenena manana ny foiben-toerany ao Washington, D.C. ho an'ny Center for Investigative Journalism Nepal (CIJ na Foiben'ny Fanaovan-Gazety fanadihadiana ao Nepal), nanangana orinasa ao amin'ny Nosy Virijiny Britanika (BVI), fantatra ho firenena paradisan'ny hetra, ho amin'ny anarany sy ho amin'ny anaran'ireo ao amin'ny fianakaviany—ny vadiny Sarika Devi, sy ireo zananilahy telo Nirvana, Varun, ary Rahul—i Binod Kumar Chaudhary, mpikambana ao amin'ny perlemanta federaly sady miliaridera tokana amin'ny vola dolara ao Nepal [9].

Misy ihany koa ireo orinasa Offshore ao amin'ny Vondronosy Virijiny Britanika no misoratra amin'ny anaran'ireo olona miara-miasa amin'ny Golchha Organisation [10], tranom-pihariana iray hafa goavana. Tafiditra amin'izany olona izany ny filohan'ny Golchha Organisation antsoina hoe Lokmanya Golchha, sy ny rahalahiny roa iray tampo Mahendra Kumar Golchha sy Diwakar Golchha, ireo rahalahy-lavitra Chandra Kumar Golchha ary ny zanak'i Diwakar antsoina hoe Hitesh Golchha.

The Ajeya Raj Sumargi owns Muktishree group of companies. (Photo: Bijay Gajmer / CIJ via Record Nepal) [1]

Ny Muktishree Tower ao Kathmandu no birao foiben'ny Muktishree Pvt. Ltd. Ajeya Raj Sumargi no tompon'ny vondron'orinasa Muktishree. (Saripika: Bijay Gajmer / CIJ via Record Nepal [1])

Misy ihany koa ireo orinasa any amin'ny firenena paradisan'ny hetra no misoratra amin'ny anaran'i Ajeya Sumargi Parajuli, Arjun Prasad Sharma, ary Kishor Rana, Nepaley efa voatondro tamin'ny fanadihadian'ny CIJ teo aloha ho ao amin'ny fandraketana ara-bola, NepaLeaks [11].

Misy ireo hafa voamarika ho miasa amin'ny orinasa offshore avy amin'ny firenena paradisan'ny hetra ahitana an'i Rajendra Shakya avy amin'i Pulchowk, Lalitpur; Sudhir Mittal avy amin'i Gyaneshwor, Kathmandu; mpandraharaha Suhrid Raj Ghimire sy Purushottam Poudyal; Janak Daniel Basnet, mizaka zom-pirenena britanika; ary Radhe Shyam Saraf mizaka zom-pirenena Indiana.

Sudhir Mittal is the owner of Shree Airlines. (Photo: Bijay Gajmer / CIJ via Record Nepal) [1]

Biraon'ny Shree Airlines, an'i Sudhir Mittal. (Saripika: Bijay Gajmer / CIJ via Record Nepal [1])

Ireo Paradisan'ny hetra [12] dia ireo firenena izay manome firenena izay manome andraikitra ara-bola kely indrindra, mampihatra tahan-ketra ambany, ary mitazona tsiambaratelo fatratra. Ny fampiasam-bola any amin'ny firenena toy izany dia heverina ho toy ny fikasana hanafim-bola nifampiraharahana tsy ara-dalàna na hisorohana hetra.

Ny lalànan'ny famerana fampiasam-bola any ivelany nivoaka tamin'ny taona 1964 [13] dia mandrara ny olom-pirenena Nepaley tsy hampiasa volany amin'ny orinasa any ivelany eny fa na dia ny manokatra kaonty any amin'ny banky vahiny aza. Izay olona rehetra manitsakitsaka ny lalàna dia “dia azo saziana handoa onitra mitovy amin’ny sandan'ilay vola na gadraina mandritra ny fe-potoana tsy mihoatra ny enim-bolana na ampiharana azy roa.”

Tsy mahazo alalana hampiasa vola any ivelany amin'ny fanesorana ny vola hiala amin'i Nepal na amin'ny fomba manao ahoana na noho ny antony inona ireo Nepaly tsy monina an-tanindrazana. Izay olona “monina ao Nepal ao anatin'ny 183 andro na mihoatra mandritra ny 365 andro mitohy” dia heverina ho “mponina,” araka ny Lalànan'ny fampidiran-ketra [14].

“Araka ny lalàna mipetraka izany, raha misy olom-pirenena Nepaley monina any ivelany ao anatin'ny 183 andro ary manana fidiram-bola, dia afaka mampiasa vola ao ry zareo,” hoy ny sekreteran'ny vola teo aloha Rameshore Khanal. “Ankilan'izany, dia tsy ara-dalàna izay fampiasam-bola rehetra ataon'ny Nepaley any ivelany.”

Araka an'i Gerard Ryle, talen'ny ICIJ, mahzo tombondahiny amin'ireo fifanakalozam-bola ireny ny mpandraharaha, mpitarika, politisiana, jiolahy, ary ireo orinasan'ny lalàna mpanelanelana manokatra orinasa offshore. Tamin'ny antsafa iray nifanaovana tamin'ny ABC Aostralia nialoha kely ny namoahana ho hitam-bahoaka ny Pandora Papers, nilaza i Ryle fa ny fampiasam-bola offshore dia nahatonga fihenan'ny hetra sy fitomboan'ny elanelana sy ny fahantrana.

“Mampirongaronga ny fahantrana ny tontolon'ny offshore. Mitarika ho amin'ny tsy rariny (hantsana-elanelana). Raha robain'ny mpanankarena ao aminy ny firenena, dia mitarika ho amin'ny karazan-javatra maro samihafa izany tahaka ny krizin'ny fifindramonina. Asain'io rafitra io (ho ao aminy) ny karazan-dratsy rehetra eto amin'izao tontolo izao, ary toa tsy misy zava-tsoa avy amin'ity rafitra ity ankoatra ny mampanankarena karazan'olona sasany,” hoy izy nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'i Elise Worthington ao amin'ny ABC.

Tamin'ny Janoary 2019, nahatsikaritra fisian'ny Nepaley sy Nepaley tsy monina an-tanindrazana miisa 55 tafiditra amin'ny fifanakalozam-bola offshore ny Centre for Investigative Journalism (CIJ) ao Nepal, tamin'ny alalan'ny fanadihadiana NepaLeaks [15]. Na dia misy aza ny famakiana bantsilana toy izany dia tsy vitan'ireo mampihodina ny asam-panjakana ny manenjika ireo mampandositra hetra sy manadio vola. Heverina ho mandrisika ireo Nepaley hametraka ny volany any amin'ireo firenena paradisan'ny hetra sy manondro ny mety ho fiaraha-miasa misy eo amin'ireo sy ny politisiana nepaley izany tsi-fihetsehana [16] izany. Tsy nahitana politisiana nepaley voarohirohy mivantana kosa amin'ny fifanakalozam-bola offshore.

Vokatr'izany fahanginana mampitolagaga izany ny Pandora Papers.

Vakio ity lahatsoratra ity [1] raha hamaky tatitra antsipiriany momba ireo olona sy fikambanana Nepaley.