Tantara tamin'ny Oktobra, 2021
Nasaina aho hankalaza ny ‘Andron'i Colomb’. Toy izao no navaliko
"Fanesoana sy fanafintohinana ho an'ireo vahoakanay indizeny sy taranaka Afrikana ny Fetim-pirenen'i Espaina."
Niala tamin'ny fifanarahana niarahana tamin'ny mpanohitra sy ny Vondrona Eoropeana ny antoko Georgian Dream
Nisintaka tamin'ny fifanarahana teo amin'ny governemanta sy ny mpanohitra ny antoko eo amin'ny fitondrana Georgian Dream.
Tsikaritr'i Etiopia fa ambany kalitao ny tetikasa sy ny vokatra Shinoa
Mifanohitra amin'ny fankasitrahana ofisialy, matetika manakiana ny kalitaon'ireo tetikasa ireo sy ny vokatra sinoa amidy any Etiopia ny vahoaka Etiopiana.
An'arivony mivory ao Tbilisi mitaky ny hanafahana ilay filoha teo aloha nogadraina
Ao an-drenivohitra Tbilisi, Georgia, mponina an'arivony no mivory eo amin'ny kianja afovoany tamin'ny 14 Oktobra, ho fanohanana ny filoha teo aloha Mikheil Saakashvili, izay tao anatin'ny faha-14 andro nanaovany fitokonana tsy hanendry hanina ao am-ponja.
Milaza ny solombavambahoaka iray avy ao Kazakhstan fa taratry ny fiainana andavanandron'ny firenena ny ‘Squid Game’
Nilaza ny mpikambana iray ao amin'ny parlemanta fa azo ampitahaina amin'ny fahantrana lalina sy ny tolona fiavotan-tena iainana andavanandro ao amin'ny firenena ny Squid Game an'ny Netfilx.
Mandrakitra tantaram-pampandrosoana lovainjafy any Afrika ny fetiben'ny sarimihetsika
Hanamora ny fifampiresahana sy ny hetsika eo amin'ny fifangaroan'ny famoronana, mpamorona, mpikatroka ary mpanentana samihafa izay miasa amin'ny Tanjon'ny Fampandrosoana Lovainjafy manerana an'i Afrika ny fetibe.
Nampahafantarin'ilay tanora mpikatroka Azerbaijaney ampahibemaso ny heloka bevava nihatra taminy ary mbola mandehandeha ny nahavanon-doza
Na dia naseho aza ny porofon'ny heloka, mbola mandehandeha ny nahavanon-doza, araka ny kaonty manokana navoakan'ilay mpikatroka Sanay Yaghmur ao amin'ny Facebook.
Taratasim-baovaon'ny RV: Tanora zanatany miady amin'ny fanilikilihana virtoaly ny fitenin-dry zareo
Ny taratasim-baovaon'ny Rising Voices dia manome ireo rohy mankany amin'ireo zavatra azo araraotina mifandraika amin'ny fampiatiana nomerika, isan'izany ny fahafahana miditra sy ny fandraisana ireo fitaovana dizitaly, ary hatramin'ireo fomba maro isan-karazany ahafahan'ireo vondompiaramonina handray anjara feno anaty aterineto.
Nanatontosa fifidianana i Zeorzia, nahazo ny maro an'isa ny antoko Georgia Dream
Tao anatin'ny fihenjanana ara-politika sy ny fisaraham-bazana no nanatontosan'i Zeorzia fifidianana ny 2 Oktobra lasa teo, izay hita fa fitsapana lehibe ho an'ny antoko Georgian Dream.
Global Voices, mitady mpikaroka handray anjara amin'ny tetikasany Civic Media Observatory (Fanarahamaso ny Fampahalalam-baovaon'olontsotra)
ireo mpikaroka dia mandalina ireo singam-baovao, ireo zoro fitantaràna, lohahevitra, loharanom-baovao, ireo mpamorona, araka izany dia mamorona zavon-kintam-baovao ho an'ny fanjifàn'ireo mpiara-miombona antoka sy ny daholobe