- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Takela-by manesoeso mamely ny fijoro marefon'ny governemanta Aostraliana amin'ny fiovan'ny toetr'andro amin'ny COP26 any Glasgow

Sokajy: Angletera, Aostralia, Etazonia, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana
Coal-o-Phile Dundee [1]

Coal-o-Phile Dundee. Pikantsarin'ny lahatsarin'ny Guardian tamin'ny 15 Oktobra 2021 Coal-o-Phile Dundee. A Screenshot [2] of the Guardian's video October 15, 2021

Mampiasa takelaka elektronika goavam-be ilay Aostraliana mpanao hatsikana sady mpanesoeso mba hanaitra amin'ny planinan'ny governemantany hiatrehana ny krizin'ny toetr'andro. Mitondra ny hafatra eny an-dalambe i Dan Ilic mialoha sy mandritra ny fihaonambe COP26 any Glasgow, [3] izay hanomboka ny 31 Oktobra –12 Novambra 2021. Itony no fivoriana iraisampirenena lehibe indrindra isan-taona momba ny resaka tontolo iainana.

Nanazava ny fikasany tao amin'ity lahatsary ity i Dan:

Nanomboka tao amin'ny Kianja Times Square New York tamin'ny 15 Oktobra ny fanentanana novatsiam-bahoaka vola. Nitatitra [4] ny Renew Energy, tranonkalam-baovao sy mpanadihady momba ny angovo madio hoe:

The Morrison government’s lacklustre climate policies have been advertised to the world, in perhaps the most prominent location in the world, with billboards labelling Scott Morrison “Coal-o-phile Dundee” playing in New York City’s Times Square.

Nambara tamin'izao tontolo izao ny politikan'ny toetr'andro tsy misy dikany an'ny governemanta Morrison, angamba any amin'ny toerana malaza indrindra eran'izao tontolo izao, amin'ny takelaka misy marika Scott Morrison “Coal-o-phile Dundee” milalao ao amin'ny Times Square ao New York City.

Nahazo tsikera [5] nandritra ny volana maro ny praiminisitra Scott Morrison, na tany Aostralia na tany ivelany, noho ny tsy fahombiazany namokatra drafitra mahomby ho amin'ny fampihenana famoahana etona karbônina. Vao haingana koa izy nisalasala [6] hanolo-tena hanatrika ny Glasgow. Nanatontosa fifampiraharahana [7] tamin'ireo mpiaradia kelikely kokoa, ny Nationals izy, momba ny tanjona famoahana etona aotra afa-karatsaka amin'ny taona 2050. Nanamafy ny fanatrehany izy nanomboka teo ary nahavita fifanarahana tanaty efitra momba ny tanjona. Nampahafantarina [8] andro vitsivitsy mialoha ny fihaonambe ny drafitra.

Miankina [9] betsaka amin'ny teknolojia vaovao sy misandratra toy ny hidrôzenina maitso, (herin'ny) masoandro mora vidy, ny fitehirizana angovo, ary ny indostria tsy dia mamoaka vits(ì)y sy viraty ny planina [9]. Tsy nampitomboina ny tanjona efa misy amin'ny fampihenana 26-28 isanjato nanomboka ny taona 2005 ka hatramin'ny taona 2030. Tokony ho 30-35 isanjato anefa ny tetikasan'ny governemanta amin'ny fampihenana fandefasana karibonina. Hisy ihany koa ny fandrisihana sy fanonerana hanampy hanatrarana ny famoahana aotra afa-karatsaka amin'ny taona 2050.

Na izany aza, mety tsy dia tian'ny olona loatra any Glasgow na ao an-tanàna ny planin'ny LNP (antoko nasionaly liberaly):

Tompokolahy sy Tompokovavy. Omeko anao ny #ScottyFromMarketing [10] sy ny valintenin'ny LNP manoloana ny loza mitatao lehibe indrindra amin'ny planeta amin'izao androntsika izao. Bokikely iray.
Azafady mijoroa

Mpankanto adala tanteraka ny PM anay. ?

Manolo-tena hahatratra drafitra famoahana aotra afa-karatsaka amin'ny taona 2050 i Aostralia saingy tsy manana antsipiriany sy tsy manana famolavolana

Takelaka COP26 an'i Dan

Maherin'ny 200.000 dolara Aostraliana (150.000 dolara amerikana) no voaangona ho an'ny tahirim-bola #JokeKeeper [16] an'i Dan mba hanampiana amin'ny fanohanana ireo takela-by. Kilalaon-teny manesoeso ny fandoavam-bola JobKeeper [17] COVID-19 ataon'ny governemanta Aostraliana amin'ireo orinasa ny famatsiam-bola.

Nick Bryant, mpanao gazetin'ny BBC teo aloha ary mponina ao Aostralia ankehitriny nisioka fomba fijery iray avy amin'ny media iraisam-pirenena. Maneho ny fihetseham-pony ny randram-panehoan-kevitra:

“I Aostralia no ho rohy marefo ndrindra ao amin'ny tontolo manankarena ao amin'ny COP26

Nalaza be teo amin'ireo mpanaraka an-tserasera ny dokambarotra Times Square:

Ihomehezan'izy ireo isika ao amin'ny Times Square, araka ny tokony ho izy: vazivazy lehibe indrindra eto an-tany ny valintenintsika momba ny fiovaovan'ny toetrandro.

Gaga tamin'ilay takela-by i Russell Crowe :

Mivezivezy etsy sy eroa mitady azy ry zareo mamely indray i  @danilic [23] @ARationalFear [24]!

Times Square NY

* Tsy fantatro ilay lehilahy tao amin'ny horonan-tsary fa misaotra azy tamin'ny fakana ny lahatsary.

Ho fanampin'ity fanohanana ity, nifandray [27]tamin'i Jake Tapper ao amin'ny CNN i Crowe mba hanampy amin'ny fandaminana ity tafatafa ity:

Mendrika jerena. @danilic [23] namoaka azy ireo tao amin'ny fijanonan'ny fiara tao amin'ny CNN.

Nanandrana [30] ny mety hisian'ny fanaterana takela-by izay hapetrany eo amin'ny lalana mankany sy miala ny seranam-piaramanidin'i Glasgow i Dan:

Australia Net Zero [31]

Aostralia Aotra afa-karatsakao – sary nahazoana alalana avy amin'i @DanIlic

Raha ny fahitana azy dia efa nisy sivana kely tamin'ireo takela-by:

Oh, voaràra ny iray tamin'ireo Takela-by Glasgow anay—  noforonin'ilay mpamatsy vola lehibe#JokeKeepr [32] ity iray ity

A Rational Fear [35] ny podcast malaza an'i Dan , izay ahafahanao manaraka ny tetikasa takela-by sy ny fitantarany mitohy ny adihevitra momba ny krizin'ny toetrandro.