- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Filma raràn'i Hong Kong noho ny filaminam-pirenena ary voasazy izay mandefa izany tsy nahazoana alalana

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fanampenam-bava, Lalàna, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika
[1]

Pikantsarin'ny sombiny [1] amin'ny “Revolution of our Times” ao amin'ny Youtube.

Ny ranty manarana etoana dia nosoratan'i Kelly Ho sy navoakan'i [2] Hong Kong Free Press tamin'ny 27 Oktobra 2021. Navoaka ato amin'ny Global Voices indray izany araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Nandany volavolan-dalàna [3] ny mpanao lalàna ao Hong Kong izay ahafahan'ny governemanta misoroka ireo filma heverina ho mifanohitra amin'ny filaminam-pirenena tsy ho azo jerena na avoaka ao an-tanàna. Izay olona rehetra mandranty filma tsy nahazo alalana dia mety hiatrika famonjana telo taona sy handoa onitra 1 tapitrisa HK dollar (manodidina ny 130.000 dollars US).

Nankatoavina tamin'ny 28 oktobra ny tolo-dalàna fanitsiana ny Hitsivolana Fanivanana Filma, izay nahazoana fanohanana mavesatra dia mavesatra avy amin'ireo mpanao lalàna mpanohana ny fahefana tafaorina nandritra ny fivorian-dry zareo farany amin'ny fehim-potoana fahenin'ny Vaomieran'ny Fanaovan-dalàna (LegCo).

Hotakian'ny lalàna vaovao ny mpanao sivana filma ao Hong Kong hanombana raha “mifanohitra” amin'ny tombontsoan'ny filaminam-pirenena ny fampirantiana filma iray mialoha ny hamelana azy ho azo jerena ao an-toerana.

Ao ambanin'ity lalàna vaovao ity ny sekretera lehiben'ny tanàna (John Lee [4] izy amin'izao fotoana izao izay manamboninahitra polisy teo aloha), mpikambana ao amin'ny komitin'ny Filaminam-Pirenena, hahazo fahefana goavana hanaisotra fankatoavana amin'ny fotoana manao ahoana na amin'ny fotoana manao ahoana rehefa heverin-dry zareo fa hanimba ny filaminam-pirenena ny filma iray.

Mety ho afa-miditra amin'ny toerana iray tsy manana taratasy fandidiana avy amin'ny fitsarana ihany koa ny inspektera iray nomen'ny sampan-draharahan'ny fanaovana sivana alalana raha miezaka ry zareo hampiato ny fijerena filma iray na ny famoahana raha toa “ka tsy azo tanterahana ara-pratika” ny fahazoana didy an-taratasy.

Sazy mavesatra kokoa no atsindry amin'ireo mampiseho filma tsy nahazoana fankatoavana avy amin'ny manampahefana, satria azo isaziana telo taona am-ponja sy onitra iray tapitrisa dollar HK izany fandikan-dalàna izany.

Mety hangataka hatramin'ny 28 andro ireo mpanao sivana filma ao an-toerana handinihana ireo filma izay mety hampisy fiantraikany amin'ny filaminam-pirenena. Tsy ho afa-manohitra ny fanapahan-kevitry ny andrim-panjakana mpanao ny sivana ny mpanatontosa filma, satria nosakanan'ny lalàna vaovao ny Vaomieran'ny Famerenam-pandinihana tsy handinika indray ny fanapahan-kevitra nalaina tamin'ny lafiny filaminam-pirenena.

Tonga izao fametrahana vaovao izao volana vitsivitsy taorian'ny namoahan'i Kiwi Chow voalohany [5] ny filma fanadihadiana “Revolution of Our Times” tao amin'ny Fetiben'ny Filma ao Cannes tamin'ny volana jolay. Niresaka ireo hetsika hanoherana ny volavolan-dalàna fandroahana hody any Shina tamin'ny taona 2019 [6] tsy naranty tao Hong Kong ary nofelahan'ny [7] gazety ao an-toerana tohanan'i Beijing ho manandratra ny fahaleovantena, fanitsakitsahana lehibe araka ny lalànan'ny filaminam-pirenena, ilay filma.

Nesorina tamin'ny fandefasana ara-barotra ny lahahatsary fanadihadiana hafa mifandraika amin'ny rotaka tamin'ny taona 2019, anisan'izany ny “Ao anatin'ny Rindrina Biriky Mena- Inside the Red Brick Wall [8]“momba ny fahirano tao Oniversite Polyteknika Hong Kong.

Tamin'ny fandrisihana ireo mpanao lalàna mba handany ny volavolan-dalàna,  nilaza tao amin'ny atontan-kevitra a LegCo [9]ny governemanta fa nisy ireo horonantsary mampiseho fanitsakitsahana ny fiarovam-pirenena sy manasongadina “fitondran-tenan-jiolahy tena ahiana.” Milaza izy ireo fa tena “manohana, “manome voninahitra na mandrisika” ny olona hanao ireny fihetsika ireny – indrindra fa ny tanora ny votoaty, ny zava-misy manontolo sy ny fandaharana amin'ireo sarimihetsika ireo .

Amin'izao fotoana izao, azo jerena amin'ny tranonkala fandefasana horonan-tsary sy sehatra toy ny Netflix ny sarimihetsika sasany izay noheverina ho saro-pady ara-politika, toy ny “Ten Years [10]“. Nanoro hevitra ny governemanta ireo mpanao lalàna sasany toa an'i Luk Chung-hung ao amin'ny Federasionan'ny sendikan'ny mpiasa ao Hong Kong mba hanavao ny lalàna ho famenoana ny “banga”.

“Efa lany andro ny lasitr'asa [zoro iasan’] ny didim-panjakana… Manahy aho fa mety ho lasa lavaka lehibe amin'ny ho avy izany,” hoy i Luk.

Ho setrin'izany, nilaza ny Sekretera misahana ny Varotra sy ny Fampandrosoana ara-toekarena, Edward Yau fa ivelan'ny faritry ny volavolan-dalàna ny soso-kevitra hifehezana ny sarimihetsika aseho an-tserasera. Nilaza izy fa mila fotoana bebe kokoa ny governemanta mba handinika “amim-pitandremana sy amin'ny fomba feno” ny fampidirana fanovana fanampiny amin'ny rafitra fanivanana sarimihetsika ao an-toerana.

Rehefa nanontaniana raha mety hisy fiantraikany amin'ny YouTube na ireo sehatra an-jotra hafa ny lalàna ankehitriny, dia nilaza tamin'ny HKFP  ny mpitondratenin'ny Birao momba ny Varotra sy ny Fampandrosoana Ara-Toekarena tamin'ny volana Aogositra fa mihatra amin'ny aterineto ny lalàna “hafa”.

“Iharan'ny lalàna sy fitsipika hafa manan-kery ny fandefasana amin'ny [TV] sy ny Aterineto. Miankina amin’ny toe-javatra misy azy sy ny porofo misy ny fahafantarana hoe heloka ilay zava-bita na tsia,  ka tsy azo raisina mitokana na atao ankapobeny”, hoy izy ireo.