
Endrika grunge an'ny sainam-pirenena Haitiana sy Jamaikana nataon'i Nicolas Raymond ao amin'ny Flickr, CC BY 2.0. Grunge versions of the Haitian and Jamaican flags by Nicolas Raymond on Flickr, CC BY 2.0.
Nipoaka ny vaovao tany Jamaika tamin'ny 21 Oktobra fa voasambotra tany Manchester any afovoany Jamaika i Mario Antonio Palacios Palacios, teratany Kolombiana iray notadiavina noho izy voarohirohy tamin'ny famonoana ny filoham-pirenena Haitiana Jovenel Moïse tamin'ny 7 Jolay, ary nogadraina noho ny fiampangana fifindra-monina.
Tao anaty fanambarana fohy tamin'ny fampahalalam-baovao, nanamarika ny Tafika Jamaika Constabulary hoe:
Jamaican police confirm that a Colombian national arrested on the island.
Police didn't name the man but he's believed to Mario Palacois Palacios, a key suspect in the assassination of Haitian President Jovenel Moise.
Story: https://t.co/Faw3FQMOYw pic.twitter.com/gweE9QAKxS
— Jovan Johnson (@jovanthony) October 21, 2021
Nanamafy ny polisy Jamaikana fa teratany Kolombiana iray no voasambotra tato amin'ny nosy.
Tsy nolazain'ny polisy ny anarany, saingy nino izy fa i Mario Palacois Palacios, olona ahiahiana voalohany tamin'ny famonoana ny filoham-pirenena Haisiana Jovenel Moise ilay izy.
Araka ny tatitra fohy nataon'ny Associated Press, nilaza ny mpitondratenin'ny polisy Stephanie Lindsay fa nisy antso natao tamin'ireo tompon'andraikitra isan-karazany mba hanamafisana ny pitsopitsony, ary hivoaka tsy ho ela ny vaovao bebe kokoa momba izany.
Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny radio teo an-toerana tamin'ny 21 Oktobra, nitatitra vaovao vao maraimbe ilay mpanao gazetin'ny Miami Herald, Jacqueline Charles, izay mitatitra momba an'i Haiti sy Karaiba ary nanamafy fa “raharaha ambony” io, ary notanana am-ponja “maharitra ela”, mety ho herinandro i Palacios.
Voalaza fa mpikambana ao amin'ny “ekipa Delta” lehilahy efa-dahy izay tafiditra tao amin'ny tranon'ny filoham-pirenena tamin'ny 7 Jolay i Palacios, namono an'i Moïse ary nandratra mafy ny vadin'ny filoham-pirenena, Martine Moïse. Maty ny roa tamin'izy efatra, ary voasambotra ny iray, Palacios kosa tafandositra.
Na dia olona miisa 44 aza no voasambotra tany Haiti noho ny fanafihana, mbola tsy voavaha ny raharaha famonoana ny filoha. Raha ny zava-misy, nivoaka tamin'io andro nisamborana an'i Palacio io ihany koa ny vaovao fialàn'ny lehiben'ny polisy ao Haiti.
Mbola mitoetra anefa ny fanontaniana, ny amin’ny fomba nahatongavan’i Palacios tany Jamaika, angamba nandeha sambo fa tsy tany amin’ny sisintany avy any Haiti mankany amin’ny Repoblika Dominikanina. Nisy ihany koa ny tombatombana hoe hanao fangatahana fampodiana ve sa tsia i Etazonia, raha jerena ny fitsabahan'i Washington ao Haiti.
Raha mbola niafina, voalaza fa nanao resadresaka—tamin'ny teny Espaniola—tamin'ny trano fampahalalam-baovao Kolombiana Semana i Palacios, izay nadika tamin'ny teny anglisy ato. Nanambara izy tamin'izany fa “niolakolaka” ny polisy Haitiana, ary tamin'ny fotoana nahatongavany teny an-toerana dia “efa maty” ny filoha, tamin'izany fotoana izany no nahitany ny “fivadihana” tamin'ny drafitra, manondro ny hevitry ny manampahefana Kolombiana fa voafitaka tamin'ny hetsika ny milisy kolombiana taloha.
Naneho hevitra tao amin'ny media sosialy ny Jamaikana tamin'ny fahatsapana hoe “Inona no manaraka?” taorian'ny herinandro izay feno vaovao manaitra teo an-toerana. Nisioka ny iray hoe:
So who is going to write, produce and direct the movie “7 days in Jamdown”?
The last week or so been wild as hell.
— J (@juuuna) October 21, 2021
Iza àry no hanoratra, hamokatra ary hitarika ny sarimihetsika “7 andro ao Jamdown”?
Tsy voafehy toy ny helo ny tamin'ny herinandro lasa teo.
Mpahay toekarena sady loholona teo aloha Deika Morrison naneho fahagagana tamin'ilay vaovao:
Not even the best of the best in Hollywood could script the last few weeks on this rock. My gosh man. Is what? https://t.co/XmmIYyVHHY
— Deika Morrison (@deikamorrison) October 21, 2021
Na dia ny tsara indrindra amin'ny tsara indrindra any Hollywood aza dia tsy afaka nanoratra nandritra ny herinandro vitsivitsy teo amin'ity vatolampy ity. Ô ry zalahy. Inona ity?
Nisy ihany koa ireo fanontaniana nipoitra momba ny fiarovana ny sisintany ao Jamaika:
Jamaica's borders right now pic.twitter.com/PzS8Bedmvb
— Mango Padre (@SGilphilian) October 21, 2021
Ny sisintanin'i Jamaika amin'izao fotoana izao
Mandritra izany, miandry vaovao bebe kokoa momba ity raharaha ity ny Jamaikana, ary manantena fa hihena ny korontana amin'ny herinandro ho avy.