Nanatontosa fifidianana i Zeorzia, nahazo ny maro an'isa ny antoko Georgia Dream

 

Pikantsary avy amin'ny tatitra an-dahatsarin'ny AlJazeera any Zeorzia

Tao anatin'ny fihenjanana ara-politika sy ny fisaraham-bazana no nanatontosan'ny firenena Kaokazy Atsimo any Zeorzia fifidianana ny 2 Oktobra lasa teo , izay hita fa fitsapana lehibe ho an'ny antoko Georgian Dream (Nofinofy Zeorziana). Mpifidy miisa 3,5 tapitrisa no nandeha nifidy tany amin'ny biraom-pifidianana ka ny antoko Georgian Dream no nahazo ny 47,6 isanjaton'ny vato raha nahazo ny 27,1 isanjaton'ny vato kosa ny mpifaninana aminy, ny antoko mpanohitra United National Movement (Hetsika Nasionaly Tafaray-UNM) izay faharoa. Nizara ho an'ny antoko miisa 48 sisa ny vato sisa araka ny tatitra nataon'ny Radio Liberty. Nifidianana izay ho ben'ny  tanàna miisa 64 ny fifidianana nasionaly.

Fifandirana nasionaly

Mafy ny fifanenjanana mialoha ny fandatsaham-bato, niafara tamin'ny fisamborana ny filoha teo aloha, Mikheil Saakashili taorian'ny niverenany avy tany an-tsesitany ny 1 Oktobra. Saakashvili no mpanorina ny antoko politika lehibe United National Movement. “Mila tetezamita milamina i Zeorzia mankany amin'ny demokrasia tena izy izay tsy hanagadrana ny mpanohitra politika noho ny fiampangana noforonina na ny fanaovana sesitany an-keriny” hoy ny filoha teo aloha raha niresaka tamin'ny masoivohom-baovao AFP tany am-ponja izy.

Niala tany Zeorzia i Saakashvili tamin'ny taona 2013 ary voaheloka higadra enin-taona an-tranomaizina tamin'ny fitsarana tsy natrehana tamin'ny taona 2018 noho raharaha maro momba ny fanararaotam-pahefana tany Zeorzia. Nandà izany fiampangana izany ny filoha teo aloha.

Ny taratasiko avy aty am-ponja
Ry mpiara-miasa sy ry fiarahamonina Zeorziana.

Rehefa nandao an'i Kyiv aho ary tonga teto dia fantatro fa hosamborina aho, amin'ny didim-pitsarana namboarimboarina sy hosoka, izay navoaka araka ny baikon'i Potinina. Tsy misy firenena eto amin'izao tontolo izao afa-tsy i Rosia no manaiky an'io sazy io …

Saingy efa ela talohan'ny nahatongavan'i Saakashvili no nanomboka ny krizy politika. Tototry ny krizy politika i Zeorzia nanomboka ny volana Oktobra 2020, raha nifanditra tamin'ny fandresen'ny antoko Georgian Dream tamin'ny fifidianana parlemantera ny vondron'ny mpanohitra. Nanao fifanarahana tamin'ny 19 Aprily 2021 ireo antoko nifanditra niaraka tamin'ny fanelanelanan'i Etazonia sy ny Vondrona Eoropeana. Tamin'ny valandresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 28 Jolay 2021, nanambara ny fanapaha-keviny hiala tamin'ny fifanarahana ny antoko Georgian Dream.

Araka ny fifanarahana tamin'ny volana Aprily dia hisy fifidianana vaovao hatao amin'ny taona 2022 raha ohatra ka tsy nahazo ny 43 isan-jaton'ny vato tamin'ilay fifidianana malaza ny antoko eo amin'ny fitondrana.

Manambara ny valim-pifidianana ankehitriny fa niatrika fanamby tany amin'ny toerana be mponina ny antoko mpitondra Georgia Dream, araka ny tatitra nataon'ny OC Media. “Miditra amin'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana ny UNM sy ny Georgia Dream any amin'ireo tanàndehibe miisa dimy mizaka tena,” ao anatin'izany ny renivohitra Tbilisi.

Ny Androm-pifidianana

Tena nisy ny tsy fanarahan-dalàna ny andron'ny fifidianana satria nisy ny fanafihana ny mpanao gazety, ny fividianana vato ary ny fifidianana fanaovana hosoka itaterana mpifidy hifindrafindra toerana handatsa-bato araka ny tatitra avy amin'ny mpanara-maso. Nilaza ny Minisiteran'ny Atitany fa nanao fanadihadiana miisa 16 momba ny heloka bevava mifandraika amin'ny tranga niseho tamin'ny androm-pifidianana izy ireo.

Nilaza ny OSCE ODIHR tao anatin'ny fanambarana nataon'izy ireo taorian'ny fifidianana:

The 2 October local elections were generally well-administered but held against the backdrop of a protracted political crisis and characterized by hardened polarization. Contestants were able to campaign freely in a competitive environment that was, however, marred by wide-spread and consistent allegations of intimidation, vote-buying, pressure on candidates and voters, and an unleveled playing field.

Nizotra tsara tamin'ny ankapobeny ny fifidianana tany an-toerana ny 2 Oktobra kanefa natao nandritra ny fotoanan'ny krizy politika lava ary niavaka tamin'ny fihamafisan'ny fisaraham-bazana. Afaka nanao fanentanana an-kalalahana ireo mpifaninana tao anatin'ny tontolon'ny fifaninanana izay, na izany aza, tamin'ny ankapobeny dia voamariky ny fiampangana fandrahonana, ny fividianana vato, ny fanerena ny kandidà sy ny mpifidy ary ny fitongilanana.

Nahasarika ny fifantohana iraisampirenena ny fifidianana, anisan'izany i Etazonia. Tamin'ny fanamarihana nolazainy tamin'ny fampitam-baovao tao an-toerana dia nilaza ny ambasadaoro Amerikana ao Zeorzia, Kelly Degnan hoe : “Maro ny fanontaniana azoko tamin'ireo mpiara-miasa amiko any Washington, ao anatin'izany ny ao amin'ny Departemantam-panjakana, ao amin'ny Trano Fotsy, ao amin'ny Kongresy, manaraka akaiky izany ihany koa izy ireo.”

Tamin'ny 3 Oktobra, notombatombanan'ny filoha am-perinasa, Salome Zurabishviliny ny valim-pifidianana ary nilaza izy fa “na eo aza ny fahasarotana ara-politika sy ny fisaraham-bazana, dia azo lazaina fa nizotra tao anaty tontolo milamina, ara-drariny, voaaro ary mifaninana, ary tsy nisy tsy fanarahan-dalana mivaingana ny fifidianana tao Zeorzia.”

Nifanohitra tamin'izany kosa no nolazain'ny Transparency International Georgia, izay manara-maso ny fifidianana tamin'ny 2 Oktobra niaraka tamin'ny mpanara-maso maherin'ny 300.

The analysis of the pre-electoral environment and election day has demonstrated that the government still lacks the political will to hold elections in line with high-level democratic standards and that the country is still far away from the goals set by the ambitious electoral reform.

Nampiseho ny fanadihadiana talohan'ny fifidianana sy ny androm-pifidianana fa tsy mbola manana finiavana politika amin'ny fikarakarana fifidianana mifanaraka amin'ny fenitra demaokratika avo lenta ny governemanta ary mbola lavitra ho an'ny firenena ny tanjona napetraky ny fanavaozana ny fifidianana.

Inona ny manaraka?

Tao anatin'ny fanambarana navoakan'ny Delegasionan'ny Vondrona Eoropeana izay niarahana niasa tamin'ny masoivohon'ireo firenena mpikambana dia nilaza ny vondrona fa na dia “voatantana tamin'ny ankapobeny aza ny fifidianana” dia “nampiavaka izany ihany koa ny fihamafisan'ny fisaraham-bazana.”

In view of the second round of elections, the European Union calls on the authorities and all the political parties to urgently make additional efforts to ensure a fair electoral process. The reported malpractices must not become a norm. We also expect credible and swift investigations of all complaints, including reported intimidation and violence against journalists.

Manoloana ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana, miantso ny manampahefana sy ny antoko politika rehetra ny Vondrona Eoropeana mba hanao ezaka fanampiny hiantohana ny fizotry ny fifidianana ara-drariny. Tsy tokony ho lasa fenitra ireo fanaovana fahadisoana voalaza. Manantena ihany koa izahay ny hisian'ny fanadihadiana azo itokisana sy haingana amin'ny fitarainana rehetra, ao anatin'izany ny tatitra momba ny fampitahorana sy ny herisetra atao amin'ny mpanao gazety.

Manaiky ireo mpandinika marobe fa mizotra mankany amin'ny fotoam-pikorontanana ny firenena. Raha niresaka tamin'ny Radio Liberty, nilaza ilay mpandalina lehibe ao amin'ny Vondron'ny Krizy Iraisam-pirenena, Olesya Vartanyan fa “inoana tokoa hoy izy fa mety hiafara amin'ny krizy politika maharitra amam-bolana izay hitondra an'i Zeorzia hankany amin'ny korontana bebe kokoa ary tsy hisy fanantenana firy amin'ny fampandrosoana ny latsa-bato androany.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.