Manasongadina ny habibiana any amin'ny fonjan'ny mpitsoa-ponenana ao amin'ny nosy Manus, Aostralia ny fahafatesana sy ny daroka

(Lahatsoratra tamin'ny volana Janoary 2017)

Gosford Anglican Church

Hafatry ny fiangonana Anglikana Gosford ho an'ny Minisitry ny Fifindra-monina Aostraliana Peter Dutton. Nahazoana alalana avy amin'ny kaonty Twitter an'i Fr Rod Bower

Tranga maromaro mampiahiahy mikasika ny fialofana ivelan-dranomasina misy ireo mpangataka fialokalofana ao amin'ny Nosy Manus, Papouasie-Nouvelle-Guinnée no nahasarika ny sain'ny olona an-tserasera tao anatiny sy ankoatra an'i Aostralia.

Araka ny tatitra tamin'ny lahatsoratra teo aloha, nanomboka ny taona 2013 dia nalefa tany amin'ireo foibe ivelan-dranomasina ao amin'ny Nosy Manus sy Nauru ireo mpangataka fialokalofana tonga tamin'ny sambo tsy nanana visa. Tsy misy azo atao amin'ny fahazoana alalana hipetraka any Aostralia amin'izao fotoana izao.

Nanambara ny governemanta Aostraliana tamin'ny volana Aogositra 2016 fa mikasa ny hanidy ny foibe Manus izy ireo, saingy mitohy miteraka resabe ity fotodrafitrasa ity, tato ho ato tamin'ny fahafatesan'ny mpangataka fialokalofana Sodaney iray sy ny daroka nataon'ny polisy an'ireo mpangataka fialokalofana Iraniana roa.

Maty ny alin'ny Noely tao an-tanàndehiben'i Brisbane, Aostralia taorian'ny fandefasana azy tany Manus i Faysal Ishak Ahmed avy any Sodana. Betsaka ny olona no nanameloka ny faharatsian'ny fikarakarana ara-pitsaboana ao Manus ho antony nahatonga ny fahafatesany. Nisy ny fijoroana sy ny hetsika maromaro:

Sakana teo amin'ny lalana St Kilda ho fahatsiarovana an'i Faysal, maty ny alin'ny Noely taorian'ny nitazomana azy tao Manus

Betsaka ny olona nivory tao Melbourne ho fijoroana ho an'i Faysal. Olona mijoro ary mitaky ny rariny sy ny hitsiny.

Ny praiminisitra Aostraliana Malcolm Turnbull sy ny Minisitry ny Fifindra-monina Peter Dutton no tena voatsikera tamin'izany. Mpisera Twitter iray no nampitaha izany tamin'ny raharahan-dRamatoa Dhu, vehivavy teratany izay maty tao rehefa notazomin'ny polisy :

Tena matahotra izay maheno fa ho faty ianareo anefa ireo mpitsabo milaza fa manao sinema ianareo. #MsDhu #Faysal Mandria am-piadanana

Niteraka fiampangana ihany koa ny herisetra nataon'ny polisy ny fisamborana ireo Iraniana roa mitady fialokalofana tamin'ny alin'ny Taom-baovao:

Mpitsoa-ponenana voadaroka ny alin'ny taom-baovao: tompon'andraikitra ny governemanta Aostraliana (sary mampalahelo)

Niezaka nitantara ny zava-nitranga tao amin'ny kaonty Facebook-ny i Behrouz Boochani, ilay mpanao gazety Iraniana sady namana mitady fialokalofana:

Manus prison.I just visited the refugees who were beaten by PNG immigration yesterday. They are in police detention now. I could only talk with them behind the wire for a few minutes because the guard did not allow me to see them. The refugees were so scared and distressed and they said the police did not give them any food or medical treatment. Mohammad is in a critical situation and said he is pissing blood and has stomach pains. Some local people gave them food but Mohammad vomited the food and Mehdi has started to hunger strike. He has pain in his hand and thinks his hand is broken. The detention cell is such a dirty place and they sleep on the concrete floor. Their wounds are getting infected.Here is two new photos from them

Fonjan'i Manus. Vao avy nitsidika ireo mpitsoa-ponenana nodarohan'ny tompon'andraikitry ny fifindra-monina ao PNG aho omaly. Notazomin'ny polisy izy ireo izao. Tao ambadiky ny fefy izahay no mba afaka nifampiresaka minitra vitsivitsy ihany satria tsy navelan'ny mpiambina hihaona tamin'izy ireo aho. Natahotra sy reraka tokoa ireo mpitsoa-ponenana ary nilaza izy ireo fa tsy nanome sakafo sy fitsaboana azy ireo ny polisy. Misedra olana lehibe i Mohammad ary nilaza fa mipipy rà izy ary marary vavony. Nisy olona sasany teo an-toerana nanome sakafo azy ireo saingy naloan’ i Mohammad ny sakafo ary nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina i Mehdi. Manaintainana ny tànany ary mieritreritra izy fa tapaka izany. Tena toerana maloto ilay efitra figadrana ary matory amin'ny gorodona simenitra izy ireo. Manonitra ny ratran'izy ireo ary ireo misy sary roa vaovao

Manus island refugees

Mpitsoa-ponenana ao Manus nodarohan'ny manampahefana. Avy amin'ny Pejy Facebook-n'i Behrouz Boochani

‘Akatony ity tantara maloto izay mandoto an'i Aostralia ity’

PEN International, mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra, dia niantso ny governemanta Aostralianina mba:

end the offshore processing of asylum seekers in Nauru and Manaus, and ensure that asylum seekers and those in immigration detention in offshore processing centres, including Behrouz Boochani, are provided with adequate legal protection in line with Australia’s commitments under international law.

Farano ny fomba hitondrana ireo mpitady fialokalofana ao Nauru sy Manaus, ary iantohy fa ireo mpitady fialokalofana sy ireo izay voatazona ao amin'ny fonjan'ny fifindra-monina any avelan-dranomasina, ao anatin'izany i Behrouz Boochani, dia omena fiarovana ara-pitsarana mifanaraka amin'ny fanoloran-tenan'i Aostralia araka ny lalàna iraisampirenena.

Nahazo fanakianana avy amin'ireo fampitam-baovao manerantany ireo foibe fihazonana, indrindra ny avy amin'ny The New York Times. Nahazo sioka imbetsaka ny lahatsoratr'i Roger Cohen “Ireo lehilahy trotraka any am-paradisa”. Iray amin'izany ny an'ilay mpanao sariitatra Gavin Aung Than:

“Akatony ity tantara maloto izay mandoto an'i Aostralia ity ary ataovy manako ny fotoana maizina indrindra amin'ny tantarany” Ireo lehilahy trotraka any am-paradisa

Notantaraina tao amin'ity lahatsoratry ny New York Times ity ny ampahany amin'ny tantaran'ilay mpitsoa-ponenana Behrouz Boochani.

Nisy ny fifanarahana nambara tamin'ny Novambra 2016 nifanaovana tamin'i Etazonia mba hanomezana toerana ipetrahana ny sasany amin'ireo mpangataka fialokalofana, saingy mbola tsy nampiharina izany. Betsaka ny manontany tena raha hanafoana ny fifanarahana ny fahatongavan'ny fitondran'i Trump.

Vita ny fifanarahana natao tany Etazonia. Mandefa ireo voasambotra ao Manus any Etazonia ny governemantantsika tsy ampy fisainana … Manontany tena aho hoe inona no hevitr'i Trump

Fifanarahana na tsia, tsy fantatra mazava izay hiafaran'ireo izay tsy hamponenina indray ao Etazonia. Raha ny filazan'ny Ivontoerana ho an'ny Mpitady Fialokalofana tsy miankina dia mety misy ny fiverenana any amin'ny tany niaviany na visa 20 taona ao Nauru.

Amin'ny lafiny tsara kokoa, nisy valiny miabo tamin'ny antso ho an'ny hetsika fanangonam-bola ho an'ny voafonja iray tao Manus, nataon'ilay akademika Tasmaniana Helen Merrick sy ilay mpisolovava mpiaro ny mpitsoa-ponenana Anne Moon.

Miangavy anao mba hanome fanomezana sy hizara

Tao amin'ny tranonkalan'ny hetsika fanangonambola Chuffed, nilaza Merrick sy Moon fa hampiasaina hanaramana olona ho mpisolovava ny lehilahy iray izay vavolombelon'ny fanararaotana sy ny fanorisorenana hitany nandritra ny fitazonana azy ny vola ary “voaendrikendrika sy voampanga ho nanao heloka bevava izy ankehitriny.” Hatreto, nahangona 3.155 dolara AUS tamin'ny 4,500 $ notratrarina ny fanentanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.