- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Global Voices, mitady mpikaroka handray anjara amin'ny tetikasany Civic Media Observatory (Fanarahamaso ny Fampahalalam-baovaon'olontsotra)

Sokajy: Mediam-bahoaka, Civic Media Observatory
Observatory shining light on noisy megaphones [1]

Fanaingoana nataon'i Alex Esenler, fampiasàna nahazoana alàlana.

Mitady mpandalina ny rafipiainan'ny fampahalalam-baovao ny ato amin'ny  Global Voices mba hanao ny asan'ny mpikaroka ao anivon'ny CMO - Civic Media Observatory [2].

Amin'izao fotoana izao izahay dia mitady mpikaroka vitsivitsy manana fahaizana manokana amin'ireto firenena sy fiteny manaraka ireto: India (Hindi, Bangla, Assamese, English), Pakistàna (Urdu, Anglisy), Bangladesh (Bangla), Afghanistàna (Dari, Pashto), Mali (Bambara, Frantsay), Tiorkia (Tiorka), Rosia (Rosiàna), Nikaragoà (Espaniôla). Ilaina ho sady monina no manana fahalalàna mafy orina ary fahafahana mahazo vaovao tsy tapaka ao an-toerana any amin'ireo firenena ireo ireny mpikaroka ireny.

Ny CMO ato amin'ny Global Voices dia mandalina sy manao izay hahatakarana ny fomba fandraisan'ny olona ny vaovao, ary mamorona fahalalàna ao anatin'ireo rafipiainana mifampidimpiditra sy toa misafotofoton'ny fampahalalam-baovao. Ny CMO no mitily sy mitsirika ireo lohahevitra fanalahidy ary zoro fitantaràna izay mipongatra manodidina ireo tranga miseho, ireo fironana sy zavatra hafa, no sady manazava ny toejavatra sy ny soramandry ataon'ireo fampahalalam-baovao amin'ny fiteny zanatany, fiteny marolafy ao an-toerana. Ampiasaina ho ohatra manamafy ireo lohahevitra sy zoro fitantaràna ny fitaovana fampahalalam-baovao (oh: lahatsoratra anaty Facebook, votoaty hafa eny amin'ny media sôsialy, lahatsary).

Ny Global Voices dia fikambanana media iray manerantany, virtoaly, manana mpitantana, mpifamatotra arak'asa ary mpandray anjara an-tsitrapo any amin'ny tanibe (kaontinanta) tsirairay. Ireo mpiaramiasa aminay no mandray an-tànana ny fanoratana, fikarohana, fisoloana vava sy fandikàna lahatsoratra ho enti-manasongadina tantara sy fomba fijery avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao izay zara raha misy mpisolo tena any anatin'ireo media iraisampirenena efa mahazatra.

Ny kandidà tadiavinay dia olona manana fahalalàna tsara ny rafipiainan'ny fampahalalam-baovao eo an-toerana, isan'izany ireo fampahalalam-baovao ho an'ny daholobe, ireo sehatra media sôsialy, ny aterineto misokatra, ary ireo loharanom-baovao ivelan'ny tambajotra, manana fahafahana mitsikera sy mandalina, afaka ny hikirakira angon-drakitra ary mahafehy ny fiteny sy fanoratra ny anglisy fampiasa eo amin'ny sehatry ny asa.

Ireo mpikaroka dia hiasa ao amin'ny Airtable, angon-drakitra iray mifampitohy,  mba hampiditra ireo fandalinany, ary hanaraka ireo fomba fiasan'ny Civic Media Observatory izay hampifandraisan'ireo mpikaroka an'ireo singam-baovao, ireo zoro fitantaràna, lohahevitra, loharanom-baovao, ary ireo olona sy ny antokon-draharaha mahaliana. Ny vokany dia zavon-kintan'ny vaovao, ifampizaràna amin'ireo mpiara-miombona antoka, ny vondrompiarahamonina  Global Voices, ary ny daholobe.

Miasa ampaham-potoana amina tetikasa iray voafaritra ireo mpikaroka, ary raisina ho toy ny mpifamatotra arak'asa miasa ho an'ny tenany.

10 hatramin'ny 20 ora isankerinandro eo no miasa ireo mpikaroka, mandray anjara amina fiofànana, fifampiresahana matetika momba ny tetikasa, ary mandray anjara amina famelabelaran-kevitra, taratasy fampitam-baovao, tatitra momba ny fikarohana, ary tantara.

Misy fampahafantarana vitsivitsy momba ny fomba fiasan'ny CMO ao anatin'ity  fanehoana an-tsary ity [3].

Raha hijery ohatra iray amin'ireo vokatra azon'ny Civic Media Observatory, jereo ny fikarohanay [4] sy ny fehezan'angondrakitra [5] momba an'i Etiopia, sy ireo fitantarànay [6] momba ny China’s Belt & Road Initiative [6]

Tsy misy filàna ara-jeografika mifamatotra amin'ireo toerana ireo; tsy manana birao na foiben-toerana hita maso ny Global Voices. Tsy maintsy manana fahafahana miditra mandavantaona sy azo antoka amin'ny aterineto haingam-pandeha ireo kandidà, ary mahatsapa mahazo aina miasa anaty tontolo iray virtoaly tanteraka.

Tena raisinay am-pifaliana ireo kandidà avy any ivelan'i Amerika Avaratra sy avy any Eorôpa Andrefana, ary amporisihanay ireo olona izay mandray anjara amn'izao fotoana izao ato anatin'ny Global Voices mba hirotsaka.

Alefaso amin'ny imailaka ho an'ny “observatory AT globalvoices DOT org” ireto zavatra manaraka ireto, soraty ho antony ny hoe Global Voices Civic Media Observatory Researchers: [anaranao]: