- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miantso ny Praiministra Aostraliana ny Printsy Charles mba hanatrika ny fihaonambe manerantany momba ny fiovaovan'ny Toetrandro ao Glasgow

Sokajy: Angletera, Aostralia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Siansa, Tontolo_iainana
Prince Charles speaks with the BBC's Justin Rowlatt [1]

Pikantsary tamin'ny lahatsarin'i Justin Rowlatt, Tonian-dahatsoratra momba ny Toetrandro tao amin'ny BBC News mitafatafa tamin'ny Printsy Charles (11 Oktobra 2021) A video Screenshot [2] of BBC News’ Climate Editor Justin Rowlatt interviewing Prince Charles (October 11, 2021)

Nanentana  [3] ny praiminisitra Aostraliana, Scott Morrison ny Printsy Charles mba hanatrika ny fihaonambe momba ny toetrandro COP26 ao Glasgow. Nantsoiny hoe “hetsika vintana farany” io fihaonana io mba hiatrehana ny krizy momba ny toetrandro.

Tsy mbola nanao fanambarana ampahibemaso i Morrison raha toa ka hisolo tena ny governemantany amin'ity fihaonambe ity izy. Nolazainy fa ny fitokana-monina 14 andro tsy maintsy ataony amin'ny fiverenany ho antony iray hisalasalany.

Rehefa nilaza tamin'i Charles momba ny antony mahatonga an'i Scott Morrison ho tsy afaka mankany Glasgow ilay mpanolotra fandaharana dia toa gaga ny printsy.

Nijanona tsy nandeha intsony izy ary nijery ilay mpanolotra fandaharana ka novaliany hoe: “Izany ve no nolazainy, izany?”

Tsy tian'ny olona anefa ity fialantsiny ity:

@ScottMorrisonMP [7] TSY MAINTSY manatrika ny fivoriana Glasgow ianao! Mahamenatra ho an'ny Aostralianina rehetra ny tsy fanaovanao izany satria tsy te-hatoka-monina ianao! Tokana ao anatin'ny fotoanan'ny taranaka ho an'i Aostralia ho lafiny tsaran'ny tantara izany.

Na izany aza, maro no mino fa miandry hahita izy raha ho tonga amin'ny fifanarahana [9] miaraka amin'ny mpiara-miasa vondrona kelikely, ny National Party, amin'ny drafitra hahatongavana amin'ny famoahana net-zero karbônina. Nilaza [10] i Michelle Grattan an'ny The Conversation fa tena ilaina izany raha te-hiseho amin'ny sehatra manerantany ny PM:

Morrison needs to be able to commit to net zero emissions by 2050 and to improve the government’s medium term ambition, if he is to keep faith with the expectations of Australia’s allies, the United States and Britain. The Nationals represent rural and regional areas and are vocal advocates for farming and mining, especially fossil fuel producers. Morrison is a member of the Liberal Party, which is the senior partner in the government.

Mila afaka manolo-tena amin'ny famoahana etona aotra afa-karatsaka amin'ny taona 2050 i Morrison ary manatsara ny vina antonony ezaka ataon'ny governemanta, raha te-hanana fahatokisana amin'ny andrasan'ny mpiara-dia amin'i Aostralia, Etazonia ary Britaina izy. Misolo tena ny faritra ambanivohitra sy isam-paritra ireo nasionaly ary avo feo amin'ny fiarovana ny fambolena sy ny fitrandrahana, indrindra ireo mpamokatra solika milevina. Mpikambana ao amin'ny antoko Liberaly, izay mpiara-miasa lehibe amin'ny governemanta i Morrison.

Teo ambanin'ny tsindry [11] mafy avy amin'ny mpitondra manerantany toa ny filoham-pirenena Amerikana Joe Biden sy ny praiminisitra UK Boris Johnson ny praiminisitra hanambara ny tanjona karbôna ho an'ny taona 2050.

Mety hahita voka-dratsy ara-toekarena i Aostralia raha hita fa tsy mandanjalanja ny famahana ny krizy momba ny toetrandro. Iray amin'ireo vondrona ara-toekarena lehibe miady hevitra [12] momba ny tanjona aotra afa-karatsaka ny Business Council of Australia.

Nirongatra tao amin'ny media sosialy ny hanihany marobe rehefa nanambara ny printsy fa mitondra ny fiarany Aston Martin amin'ny solika vita amin'ny “fromazy sy divay fotsy” izy. Nanazava ny fiezahany hametra ny marika karbonina izy. Miavaka ireto sioka ireto:

Raha nanana Aston Martin aho dia tokony HANANTENA fa mandeha amin'ny divay sy fromazy… ary / na ràn-tsoavaly toka-tandroka izany.

Tsy nahagaga raha nisongadina ny tamin'ny fironana Twitter Aostraliana niaraka tamin'ny “Aston Martin” manaraka eo akaiky ny “Printsy Charles”.

Ny sasany kosa nitsikera ny fitsabahan'ny printsy tamin'ny politika:

Ao amin'ny radio miresaka momba ny fiarovana ny planeta indray ny Printsy Charles, lehilahy iray izay manana ny fanakany alefa any eny amin'ny trano (ao anatin'izany ny sezany miavaka ao amin'ny trano fidiovana) ary manana mpanompo tsy tambo isaina sy mipetraka amin'ny lapa. Fongory ny fanjakan'olo-tokana; hahaavotra karbaona *be dia be* izany.

Oay, tsara vintana ny Printsy Charles manana ny Aston Martin taloha mandeha amin'ny divay nohavaozina ary tsy mihinan-kena raha tsy isaky 5 andro isan-kerinandro sy vokatry ny ronono 6 andro isan-kerinandro … manana mpandova be fikarakarana ny fandrianana isika mandany ny fotoanany mitety ireo zaridaina midadasika ao amin'ny tranony ao amin'ny The Balmoral Estate

Taorian'ny vazivazy avy any Angletera, milaza ny tatitra fa mety hanatrika [16] ny COP26 ny praiminisitra Morrison. Na izany aza, toa nandà ny loharanom-baovao avy amin'ny governemanta fa vokatry ny fanamarihan'ny printsy izany. Betsaka ny tsy mino:

Mety hanatrika izy izao nefa mandà fa tsy misy idirany ny amin'izany.
Mety hanohy hilaza izy fa hanatrika foana.

Amin'ny maha mpandova ny satroboninahitr'i Angletera, dia ho lasa Mpanjaka any Aostralia sy Loham-panjakana i Charles raha ny voalazan'ny lalàmpanorenan'ny fanjakan'olo-tokana [18]. Amin'izany andraikitra izany, dia manakana azy tsy hanao ireo karazana fanamarihana imasom-bahoaka momba ny governemanta Aostraliana na ny mpitarika azy ny fifanarahana ara-politika.